I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)
Nampidirin'i dadarabe | 17 Mar, 2008Miarahaba,
Betsaka moa ireo namana tany an-tsekoly. Isan'izany ary Koto, Ketaka, Bozy, Zakilinina, sns. SAmy manana ny tantarany daholo izy ireny ary samy manana ny nofinofiny. Koto sy Ketaka dia isan'ireny tao an-tsekoly.
I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)
- Haninona ry Koto ianao rehefa lehibe ?
Minisitra no ataoko, be vol’io ramosé !
- Ary ianao ry Ketaka, mba inona no ho atao ?
Ho vadi-na minisitra no tena tiako izao !
- Dia ho minisitr’inona no hankafizinao ?
Ilay mitana vola dia manana birao !
- Dia inona ary re no asa, fandaharana ?
Mindram-bola be f’izay no famokarana !
- Dia aiza ianao no hindrana, moa azonao ambara ?
Any an-dafy ihany fa any be dolara !
- Dia inona no soritra sy tetika fitaratra ?
Manondrotra karama dia mety tsy hangalatra !
- Dia ahoana ireo vahoaka tarihinao ry Koto ?
Atao madio daholo, mitafy, tsy maloto !
- Raha misy tetika hafa, lazao anay anie !
Ho sambatra daholo ny kely sy lehibe !
- Ary ny an’i Ketaka lazao ny sitrakao ?
Miaraka am’i Koto, miankanjo vaovao !
- Dia inon’avy koa ‘reo hitanao fa mety ?
Volamena maro dia fiara be mirenty !
- ‘Ndeha mianatra ry Koto fa aza be vinany !
Tsia ! tsy izany fa politika ihany !
- ‘Ndeha mianatra ry Ketaka raha mba te ho tafita !
Tsia ! tsy izany f’aleo mamboatra bika !
DadaRabe
Marseille Nord
23/07/02 20 :16
Tany antsekolinay,
nisy tovolahy iray,
Poety izy izay,
Mpampiadi-rima ileri, ary bandy tena mahay.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 17 Mar 2008, 05:18Bandy akama letsy a, akama tena milay...
(Izay aloha ny androany, letsy, fa dia Good-bye)
Niara-nianatra tamin-dRavalomanana angaha Dadarabe?
Nampidirin'i Serie 17 Mar 2008, 08:56tena izany mihitsy zao no efa tanteraka fa tsy vinany intsony!
manantena mana milatsaka avy any an-danitra daholo
Nampidirin'i news2dago 17 Mar 2008, 09:31:-D :-D :-D
Nampidirin'i ikalamako 17 Mar 2008, 10:26Lehilahytsiresy>
Nisy akama iray tao an-tsekolinay
namana izy izay, ary koa mahay
rehefa hariva mihira, vazo be milay
lasa any japana..izay fa goodbye !
Série> Tena tsy tandritandriko ! :-)
News2dago> IAnao mpahay vaovao no milaza....
Ikalamako> :-)))))
Nampidirin'i DadaRabe 17 Mar 2008, 11:56Misaotra dadarabe a! Hainao mihitsy ilay izy fa dia mankasitraka e :-)
Nampidirin'i Tokinao 17 Mar 2008, 20:42mampatsiahy an'ity hira ity:jereo eto
:)
Nampidirin'i simp 17 Mar 2008, 20:53mahafinaritra, sady kilalao nefa mifono zavatra be dia be ao anatiny
Nampidirin'i ikalakely 17 Mar 2008, 21:22hi hi hi ! misaotra e !!!
tsy ratsy kosa aloo ilay hevitr'iketaka e ! :-P
Nampidirin'i pissoa 17 Mar 2008, 21:31Tokinao> :-)
Nampidirin'i DadaRabe 17 Mar 2008, 21:32Simp> Tao an-tsekoly izaho no gisitra.....faniriako anefa ny ho tonga ministra :-)))
Ikalakely>Toa misy tononkalo koa any hoe Ikala (hay tao anatin'ilay ianareo telovavy kay :-)
Oadray niara-nanoratra mihitsy izaho sy i Pissoa :-)
Nampidirin'i DadaRabe 17 Mar 2008, 21:33I Ketaka anie fetsy fa tandremo é!
Kilasy T firy hono ry zareo e ?
Toa efa be fika sahady ko !
Misaotra e !
Mahafatifaty ireto ry zareo an !
Mirary soa,
http://rahelys.unblog.fr
Nampidirin'i Helisoa 17 Mar 2008, 22:12hihihi tsy ratsy indray ity minisitra version dadarabe ity :)
Nampidirin'i maintikely 17 Mar 2008, 22:42t@voa namaky lohateny za dia averiko fa version tao antsekoly kay hafa mitsy :-P
Helisoa> Kilasy T firy ? teny amin'ny fanabeazana fototra (dia efa be kajikajy)
MAintikelly> IAnao ve tsy iray kilasy taminay koa ! :-)
Nampidirin'i DadaRabe 18 Mar 2008, 00:02oups, ary saika tsy tadidiko intsony ny fisian'io hiran'i mahaleo nasehon'i simp io. Toa tsy dia fanaon-drizareo mpitaingin-tamboho loatra intsony ka nanjary hadinon'ny sofiko
Nampidirin'i ikalamako 18 Mar 2008, 00:07Andao ary hanao hira vaovao ry Ikalamako. Ianao mihira dia izaho mively amponga. I Simp mitsoka sodina, i Maintikely manao korintsna, i Helisoa manao feo faharoa, i Pissoa Mitendry gitara, i News2dago manao beso, i Lehitsyresy mitendry gitara beso, sns.......
Izao ilay hira
Tao anaty blaogy
manerana ny glaoby
niaraka nivazo
tsy misy miani-kazo
ahoana ny tohiny ry Lehilahytsiresy ?
Nampidirin'i DadaRabe 18 Mar 2008, 00:24dadarabe: tena mety niara-nianatra isika :D
Nampidirin'i maintikely 18 Mar 2008, 10:03Maintikely> Izaho mantsy mba gaga fa tadidiko anie é! :-)
Nampidirin'i DadaRabe 18 Mar 2008, 12:26