IANAREO TELOVAVY

Nampidirin'i dadarabe | 13 Mar, 2008


IZA NO TIAKO ?

Iza no tiako ‘nareo telovavy ?
Ny eo afovoany fa matavitavy !
Iza no manja sy mahafatifaty ?
‘Zay be takolaka no iriako mafy !

Iza no antsoiko fa tonga ny fety ?
I Ketamanga fa izy vaventy !
Iza no omeko an’ilay mamikely ?
I Bozy bota fa zanak’anjely !

Iza no namako manarak’ahy ?
Izay botrabotra sy tsara fanahy !
Iza no hiondanako raha vizan’aho ?
Malemilemy ho’aho ny sandrin’i Bao !

Dia inona koa ‘ty mahazo an’i Zery ?
Ny omby mahia hono ts’isy mpijery !
Dia inona indray ‘ty manjò an’i Kala ?
Nilaozan’Ikoto aho ka ho lasa adala !

Raha olon’iray no tsy tia re ry Kala !
Hitotoana koba dia be ny malala !
Fa ny olona hono raha mahazo aina !
Dia hoe nampiadanin’ilay sombinaina !

DadaRabe
Marseille
03/08/02  13 :40


33 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "IANAREO TELOVAVY"

  1. Lalasoa > za koa mbô omeo koba rehefa vita an ! mihinana kely fotsiny dia basy fa aleo kelikely na dia tsy misy mpitia aza fa rehefa matavy eo vao mainka loza tsy misy mpitia ihany.

    DdRb > mbola nitoraka hevitra hafa aho dia mbola tsy afaka maneho ilay "samy tiako e !" andro hafa indray. Sady mila miomana aho fa ginaigy be izy izay...

    Ilay spam tena mandreraka mihitsy.

    Nampidirin'i tsikisariaka 14 Mar 2008, 15:47
  2. Tena gnaigy be ahoana ry Tsikisariaka ?
    Zarao ihany é!

    Nampidirin'i DadaRabe 14 Mar 2008, 16:01
  3. Mihomehy ohatran'ny adala mihitsy aho. Mahita atao ity DdRB ty ka!!!
    Lainga mihitsy ilay hoé "miantso tsisy mpamaly". Izahay eto izao mamaly tsy nisy nantsoina. Ts'izany? Milay be ilay mampihomehy e.

    Nampidirin'i Pone 14 Mar 2008, 18:29
  4. Pone > :-) miaraka mihomehy é!.
    Miantso dia mifamaly :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 14 Mar 2008, 19:27
  5. misy hiran'i voninavoko izay hoe "Raozy mavokely" mitovy amin'io ny tononkira (heviny an)!
    http://rahelys.unblog.fr

    Nampidirin'i Helisoa 15 Mar 2008, 06:21
  6. samy matavitavy izy telovavy ry i dadarabe an! aza misafidy fa raiso aby :D

    Fa ohatry ny mahita matrioshka izany za mahita ilay sary :-)

    Nampidirin'i maintikely 15 Mar 2008, 09:23
  7. Helisoa> Aomain'ny blaoginao ve ilay tonony ?
    Andraso jereko raha ao.

    MAintikely> Telo indray mipalaka ve ? ie, somary matrioshka kely izany fa mitovy alehibe

    Nampidirin'i DadaRabe 15 Mar 2008, 16:05
  8. manana tombon-dalana be ry vaventy izany, hi hi.

    Nampidirin'i pissoa 15 Mar 2008, 19:14
  9. KAnefa hono ry Pissoa
    "tombon-dalana ny an'ny sarety" :-)

    SA tombon-dalalana ny an'ny vaventy (toa miady rima)

    Nampidirin'i DadaRabe 15 Mar 2008, 19:58
  10. DadaRabe a ! mba afaka indramiko ho any amin'ny blog ko ve io tononkalo io ? mba hanaingoako ny s arinay mirahavavy matavitavy, raha mety dia misaotra betsaka.

    Nampidirin'i Kalaneny 26 Mar 2008, 10:25
  11. Kalaneny> azonao indramina kah ! tsy maninona.

    Nampidirin'i DadaRabe 26 Mar 2008, 12:04
  12. Misaotra betsaka DadaRabe, jereo http://netgasy.com/kalaneny Nampidirin'i kalaneny 27 Mar 2008, 09:34
  13. Andraso fa ho jereko Kalaneny à!

    Nampidirin'i DadaRabe 27 Mar 2008, 14:46
«Mialoha   1 2