IANAREO TELOVAVY
Nampidirin'i dadarabe | 13 Mar, 2008
IZA NO TIAKO ?
Iza no tiako ‘nareo telovavy ?
Ny eo afovoany fa matavitavy !
Iza no manja sy mahafatifaty ?
‘Zay be takolaka no iriako mafy !
Iza no antsoiko fa tonga ny fety ?
I Ketamanga fa izy vaventy !
Iza no omeko an’ilay mamikely ?
I Bozy bota fa zanak’anjely !
Iza no namako manarak’ahy ?
Izay botrabotra sy tsara fanahy !
Iza no hiondanako raha vizan’aho ?
Malemilemy ho’aho ny sandrin’i Bao !
Dia inona koa ‘ty mahazo an’i Zery ?
Ny omby mahia hono ts’isy mpijery !
Dia inona indray ‘ty manjò an’i Kala ?
Nilaozan’Ikoto aho ka ho lasa adala !
Raha olon’iray no tsy tia re ry Kala !
Hitotoana koba dia be ny malala !
Fa ny olona hono raha mahazo aina !
Dia hoe nampiadanin’ilay sombinaina !
DadaRabe
Marseille
03/08/02 13 :40
Maninona moa raha izy telovavy no "Hiaraka Handresy" e? :-)
Nampidirin'i lap 13 Mar 2008, 18:39Lap> :-) dia ahoana ?
Nampidirin'i DadaRabe 13 Mar 2008, 19:14FA nahoana ilau iray amin'izy telo vavy ry DadaRabe no hany sy mihinana volon'olon-kafa? SA io izany no ho antsoin'ny mpiantso?
Nampidirin'i Ryana 13 Mar 2008, 19:24:-D
Ryana
Milay nama!
Nampidirin'i news2dago 13 Mar 2008, 19:30iza hn no matavitavy @ mpiblaogy ry dadarabe
tena poezy re izao!
misaotra e
Dia izao ihany :-)
Nampidirin'i lap 13 Mar 2008, 19:49Ryana> mahita zavatra koa ianao an ! izany ve ilay hoe mihinana am-bolony ?
news2dago> Iza tokoa ry zareo ?
Lap> ;-p
Nampidirin'i DadaRabe 13 Mar 2008, 20:40lasa saina sy nibitaka aho vao nahita ny lohateny :
- izaho sy sazikely ary tsikisariaka ve?
- sa izaho sy ikalakely sy maintikely
- sa izaho sy pissoa sy lalasoa
hahaha
Nampidirin'i ikalamako 13 Mar 2008, 21:05Mahery ity DdRb ity kah !
Ikalamako> Ha ha ha ! saiky tapaka ny tsinaiko !
Nampidirin'i DadaRabe 13 Mar 2008, 21:49Fa naninona tokoa izy zavavy reo no natao mihanam-bolo ?
Tsara ilay sary ! Toa lasa "manao Dali sa iza ianareo izany an :"
Ny "moustaches" sisa no tsy tao !
Sa PicaCHOU ? !
http://rahelys.unblog.fr/
Nampidirin'i Helisoa 13 Mar 2008, 21:57ie, izaho aza mba gaga ry Olga hoe maninona ry zareo no mihinam-bolo.
NOana angamba ? iza no mahalala ?
Nampidirin'i DadaRabe 13 Mar 2008, 23:54Tiako daholo rehefa vehivavy.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 14 Mar 2008, 04:45Na mahia kozatra na matavitavy.
Na voky koba, na voky goavy,
Ny vehivavy rehetra dia favy.
Sauf exception ireo mpamosavy.
:-)
hahaha
Iza tokoa ary ilay zahay telo vavy?
saribakoly kely ireto izy
tsara ery ilay tononkalo
Nampidirin'i ikalakely 14 Mar 2008, 08:45ary za lesy tsy mba mety attire @ ireny ol matavy be ireny le? asa lahy...
Nampidirin'i simp 14 Mar 2008, 12:07kiiiiiiii tena tsisy ao amin'ireo voatonona ireo sazykoley lety e
Nampidirin'i sazykely 14 Mar 2008, 13:36ts tian'i dadarabe za zany
Lehilahytsiresy> Tsara ilay pasy kah ! ka izay koa anie no mahalehilahytsy resy anareo é!
Ikalakely> Misaotra é!
Ikalakyly ato an-trano anie mitazana an-davarangana
Ikalakely ato an-trano anie mitazana ilay bandikely
Izy te handeha, tsy navelany nandeha
handeha ho any (hira mahaleo)
Simp> Sakamalao sy havozo é
sazykely> angaha tsy voatonona tao ianao ?
Nampidirin'i DadaRabe 14 Mar 2008, 14:06Izay vao tafiditro ireo spam.
Lalasoa> Rehefa masaka ny koba dia mba ento hifampizarana fa elela tsy nihinana.;-p
Tsikisariaka> ie, aza mihinana am-bolony izany. Alefaso ilay "samy tiako" é
iaboba> mizara rehefa mahavita koa fa noana daholo
Nampidirin'i DadaRabe 14 Mar 2008, 14:19