SARY RIRININA St Pierre et Miquelon 2007-2008

Nampidirin'i dadarabe | 10 Mar, 2008

Miarahaba,

Rohy mankany amin'ireo sary rehetra.

Indreto misy sary vitsivitsy maneho ny ririnina eto St Pierre. Tsy mbola vita akory ny ririnina fa na dia izany aza efa mba azoazo kokoa izao.

DadaRabe

Ity ilay tanàna fony "été" ny andro :

 

RIRININ'I ST PIERRE 

Rininina mangitsy,
Ririni-tsy mitsitsy,
Manaikitra anaty,
'Reo rivotra mifafy.

Ririnina hafa kely,
Ririnina mamely,
Kanefa dia ihafiana,
Safidy sy niriana.

Ririnina mandalo,
Rinin-tsy hampimalo,
Ririnina tsy miera,
Ririnin'i St Pierre.

DdRb
SPM
09/03/08


17 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "SARY RIRININA St Pierre et Miquelon 2007-2008"

  1. Arahaba ririnina, DadaRabe ah.
    :-)
    Mampitsangam-bolonkoditra (chair de poule) mihitsy izany hatsiaka any aminareo izany raha izao paysage izao no jerena an. Angamba latasy be isan'andro mihitsy ny misoroka an'ireto oram-panala amin' ny lapelina.

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 10 Mar 2008, 10:04
  2. miafy kely sisa dadarabe de hafana indray ny andro a! lol
    mahereza e!
    misaotra @ tonokalo mafinaritra lalandava! hn oa raha misy manao tonon-kiva ve ireny tonokalo nay ireny dia manaiky enao! hevitra sendra nandalo io an!

    Nampidirin'i news2dago 10 Mar 2008, 10:36
  3. kay !manao scène apocalyptique be ilay izy kle !
    Soa fa nisy ny ririnina ho soloin'ny lohataona o ?

    Nampidirin'i ikalamako 10 Mar 2008, 10:38
  4. kay kay kay ....

    Fa inona io ohatran'ny lanitra mianjera be ety an-tany io tokoa, maty aho dada!!!

    Nampidirin'i ikalakely 10 Mar 2008, 11:50
  5. Ary angaha tsy nanao boule de neige, orona karôty 'nareo?

    Nampidirin'i Lalasoa 10 Mar 2008, 12:21
  6. aty aminay kou ri sé tena ts fantatra miitsy hoe vanin'andro inona zao a

    Nampidirin'i sazykely 10 Mar 2008, 14:22
  7. Miarahaba,

    Lehilahytsiresy>Ie, rehefa mangatsiaka aloha dia mangatsiaka é! Saingy ny trano mafana tsara aty. Ny tena indray aza no somary tsemboka raha vao diso ny chauffage. Mila lapelina aloha. Soa aho fa ato amin'ny hotely dia tsy misy olana.

    news2dago>Misy efa nanao ihany kah. Fa misy ireo tsy niteny tamiko akory.Tantara hafa iny.

    Ikalamako> soa fa nisy lohataona ho soloin'ny ririnina. Dia mifandimbindimby eo ny vanim-potoana.

    Ikalakely> Mandalo ny andro ratsy Ikalakely ô ! fa rehefa ratsy aloha dia ratsy é! Courage foana isika. Sa ahoana ?

    Lalasoa> Boule de neige ? :-) Raha teo ny ankizy dia nanao izanay ihany

    Sazykely> tsy efa manomboka mihan-mangatsiaka ve ry sazykey any ? izaho izaho ho any amin'y voalohamboalohan'ny avril.

    Nampidirin'i DadaRabe 10 Mar 2008, 14:58
  8. Ary ohatra ny hoe sary namboarina ilay sary ririnina a.

    Toa efa kely hono sisa ry DadaRabe fa mahereza a, hi hi.

    Pissoa

    Nampidirin'i pissoa 10 Mar 2008, 17:15
  9. Pissoa> Ie, hafa ny volon'andro ririnina aty tsy ohatry ny any Frantsa.
    Ie, raha afaka iray volana aho dia miala eto indray.

    Nampidirin'i DadaRabe 10 Mar 2008, 18:39
  10. hay iray volana sisa ?
    snif snif iray volana sisa itafatafana, fa mbola "?" ny fiseraserana rehefa any an-tanana.
    Ary manao vako-drazana ve ireto olona amin'ny andro été ry DdRb ?

    Nampidirin'i ikalamako 10 Mar 2008, 18:55
  11. Ikalamako> Ie, manao vako-drazana ry zareo. Fety Basque é! Betsaka ny olona avy any ami'ny pays basque eto St Pierre. Dia misy fankalazana io fety io.
    Efa manana connexion aho any Antananarivo kah. Ny any Mahajanga indray no tsy haiko satria ho any aho avy eo.

    Nampidirin'i DadaRabe 10 Mar 2008, 21:37
  12. Misaotra e!
    dadany indray iny tononkalo iny : mahafinaritra kely

    Nampidirin'i Tokinao 10 Mar 2008, 23:06
  13. Tokinao> misaotra é !
    Tononkalo ririnina ;-)
    (toy ny nofy ririnina)

    Nampidirin'i DadaRabe 11 Mar 2008, 02:19
  14. Dadarabe>wow courage endurcissement apocalypse....c'est notre combat de tous les jours hihihihii..aty Mtl lasa nivadika Nunavuk be tampoka en 2 jours ka lasa very andro eto ny sasany .eny marina fa raha tapaka teto koa ny jiro dia angamba lasa nivadika poète rery tety aho hhihih
    Kay any koa misy basques marina, tiko be ny culture ry zareo reo, euskadi euskadi ! Ny symbole, couleurs, caractère, euskadi euskadi!
    Bonne semaine!

    Nampidirin'i jogany 12 Mar 2008, 05:43
  15. Jogany> angaha tsy loza ry Jogany à!
    Ento ary ny aingam-panahy é! dia izahay mihaino (mamaky) :-)

    Ie, fety basque. Ny lokon-trano eto dia maro no loko basque. Misy saina basque mihofahofa koa eny rehetra eny

    Nampidirin'i DadaRabe 14 Mar 2008, 13:57
  16. ohatry ny mijery sary @film izany mijery an'ilay izy :)

    mahafinaritra kah! fa raha hipetrahana ela toa hanahirana (ho ahy manokana io :))

    Nampidirin'i maintikely 15 Mar 2008, 01:17
  17. EFa ho herin-taona izao no naha-teto ahy. FAhavaratra, fararano, ririnina, lohataona.

    MAhafinaritra nefa miankina amin'izay atao eto ihany.

    Nampidirin'i DadaRabe 15 Mar 2008, 03:14