IZAHO TSY NIOVA AKORY…

Nampidirin'i dadarabe | 5 Mar, 2008


Izaho tsy niova akory fa toy ilay fantatrao
Fotoana maro izay…..ny ora no nandao,
Ny andro no nisolo, ny endrika no niova
Nodiavin’ireo taona, narirariran’onja.

Izaho tsy niova akory fa mbola adaladala,
Vao mahita anao dia tsy mba mety miala
Fa mbola dobodoboka ny foko faly erỳ !
Toy ireny vanton-jaza vao mianatra fitia.

Izaho tsy niova akory fa iny mihazakazaka
Mikaroka ny soa, mifofotra tsy sasatra;
Toa tsy mba mety leo na dia solafak’aza,
Miezaka miharina, mitady izay sahaza.

Izaho tsy niova akory fa mbola manonofy
Tontolo vaovao, mangara ts’isy rofy,
Ka rehefa harivariva dia rafitra hatrany
Mandrindra tononkalo, milalotra vinany.

Izaho tsy niova akory fa mbola toy izany,
Toy ilay fahiny…. ilay fantatrao ihany,
Mbola miandrandra foana : « maraina vaovao »,
Mandroso akia ny taona….tsy niova akory aho !

DadaRabe
Marseille
24/01/02  12:20


33 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "IZAHO TSY NIOVA AKORY…"

  1. dia hoy Ny Eja tamin'ny 2004 hoe :

    dia niova hono aho...
    nanam-pahendrena.
    ...tena hafahafa !
    tsy sanatria voafehy
    ary dia manaiky
    mionona aminao
    anaty tsy mba re.

    dia niova ny fiainako
    niova ny fisainako ;
    tsy taitra randram-bao
    dia tsisy afa-tsy ianao
    no tokana tanteliny
    maminy sy anjeliny
    ary tsy an-tery
    tena misitery

    Nampidirin'i ikalamako 05 Mar 2008, 02:00
  2. izaho kou ts miova fa sazykely foana

    Nampidirin'i sazykely 05 Mar 2008, 07:45
  3. misaotra e!
    tena ny fahanterana tokoa izao no tsy maintsy ho lalovana ry dadarabe o!
    za tokoa tsy dia mahatsikaritra an'izany fiovana izany raha tsy nisy ity tonokalo natao nao ity zao vao tena mahatsapa a oe mandeha be ny fotoana!
    mila miomana tsara e!
    mazotoa!

    Nampidirin'i news2dago 05 Mar 2008, 09:05
  4. Ikalamako> Mahafinaritra ilay tononkalon'i Ny Eja

    Sazykely> ie, tsy miova ianao kah !saingy niova akanjo fotsiny

    news2dago> ie, mandeha foana ny fotoana na dia tsy tandrindritdika aza

    Nampidirin'i DadaRabe 05 Mar 2008, 12:42
  5. Dia ozy i Dina nivazo t@ sabotsy hoe:

    Malala izaho anie tsy niova fa mbola jiolahim-boto eh!!
    Malala hatramin'izao anie aho mbola miteny maloto
    Malala mandrak'androany anie aho ka mbola alim-pody
    Misotro foana(2), dia mamo miantso ny anaranao

    Malala hatramin'izao anie aho ka mbola mafy ady
    Malala ianao foana izao no ataoko fitady
    Malala hatramin'izao anie aho ka tsy mino an'Andriamanitra
    Fa mino anao aho(2), mivavaka amin'ny anaranao.

    Malala ny akanjoko hatramin'izao ka mbola rovi-damba
    Malala izaho tsy mety miova mbola solon'olona mihaja
    Malala indray andro any angamba aho mbola mety hiova ihany
    Olom-baovao aho(2), hanome voninkazo anao

    Nampidirin'i Tsiky 05 Mar 2008, 13:24
  6. Aza miova moa,
    fa ianao ianao ihany.
    Tanteraho soa,
    izay atao any lavitra any.
    F'Andriamanitra Tsitoha,
    hanampy anao amin'izany.

    Nampidirin'i razaordira 05 Mar 2008, 13:52
  7. dadarabe ve tsy mahatsikaritra oe manatalenta isika mpiblaogy eto!
    andraso fa mety mba hanandrana rhf misy inspiration! ok

    Nampidirin'i news2dago 05 Mar 2008, 14:12
  8. Dia misy koa hoe:

    Ca va pas changer le monde
    Ca va pas le déranger
    Il est comme avant le monde
    C'est toi seul qui a changé
    Moi je suis resté le même
    Celui qui croyait que tu l'aimais...
    C'était pas vrai, n'en parlons plus
    Mais la vie continue
    la la la la la

    Nampidirin'i Lalasoa 05 Mar 2008, 14:46
  9. Tsiky> tsara io hira io é!

    Razaoridira> Mampihomehy ilay anarana :-)
    ie, tsy miova kah !

    News2dago. Be talenta mihitsy ary samy mitondr ny hanitra ho azy daholo !

    Lalasoa> dia misy koa ilay hoe :

    Je n'ai pas changé
    Je suis toujours ce jeune homme étranger
    Qui te chantait des romances
    Qui t'inventait des dimanches
    Qui te faisaient voyager

    Nampidirin'i DadaRabe 05 Mar 2008, 15:29
  10. dadarabe: le menakoely fahiny lasa mavo adala ve lol

    Nampidirin'i sazykely 05 Mar 2008, 15:54
  11. sazykely> lasa mavo mamiratra manaitra maso !

    Nampidirin'i DadaRabe 05 Mar 2008, 15:59
  12. Manao ahoana e !
    Mihomehy irery aho mahita ilay sary. Mahafatifaty kely. Ianao koa ve no nanao an'io?
    Mba asio ny sarinao vaovao hoé eo dia ho jerena hoé tsy niova tokoa ve?
    Fa raha alaninina,... ekena e, tsy nisy niova isika.

    Nampidirin'i Pone 05 Mar 2008, 18:16
  13. Malala, izaho anie tsy miova fa mbola jiolam-...bavy :-P

    Nampidirin'i pissoa 05 Mar 2008, 18:24
  14. Pone> Tsy izaho no nanao ilay sary Pone à !
    Ny sary vaovao ! Ireo sary ao amin'ny tahiry dia nalaiko tamin'ny juin - septembre 2007.
    Efa niova kah ! mandeha anie ny fotoana é!

    Andraso fa misy sary vitsivitsy ao anaty fakan-tsariko ao fa mbola adinoko foana. Tsy sariko akory fa sarin'ny ririnina eto.

    Pissoa> Sipakely miavonavona be.
    Sarotra hifandraisana.
    Mora tezitra sady mpitana alahelo.
    Kizintina.
    Vezetarianina.
    Tsy tia gateau fa tia labiera.
    sns.
    :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 05 Mar 2008, 19:17
  15. dia hoy i Vola sy Noro hoe :

    "Fa niova ianao, tsy tahaka izao...
    ...
    maty ve sa efa ritra ny fitia..."

    Nampidirin'i ikalamako 06 Mar 2008, 00:30
  16. HOy i Xhy sy Ma hoe :

    Mba tsy miova ny aty
    .............
    Tsy niova akory aho aty

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Mar 2008, 02:07
  17. asa aho na jamba na mba mahiratra ihany fa hitako oatran somary niova ny lohatenin'ny blaogin'i dadarabe zany an

    Nampidirin'i sazykely 06 Mar 2008, 13:19
  18. Sazykely> Mahiratra ianao kah a!
    :-) sady mahatsinjo, no mahita

    miaky anao ny firenena é!

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Mar 2008, 13:47
  19. tsara, tena ankafiziko e. Mankasitraka

    Nampidirin'i voniniaina 06 Mar 2008, 14:55
  20. Akory aby e !

    Ndraso asiana sira (mpanisy sira resaka moa ny etikety namen’I sefo Drbe ana hihihi)

    Niova ianao e, tsy toy ny taloha
    Manjary lasa mila ady foana amiko
    Satrinao isan’andro izao
    Hanao tarehy ratsy andosirako anao!
    Niova enao e….(Tselatra io)

    Nampidirin'i Tsiky 06 Mar 2008, 15:35