ILAY AMPITSO
Nampidirin'i dadarabe | 3 Mar, 2008
Manofy ilay ampitso mamerovero fatratra,
Manofy lendalenda, diavolana tomaratra,
Manofy taona zina sy fararanom-bokatra,
Manofy tojo tanjona, tafakatra ny tohatra,
Manofy fahasambarana, fotoana paradisa,
Manofy fisantarana ny mamy tsy hita isa,
Manofy lohataona ravaham-boninkazo,
Manofy andro miratra ventesim-bazovazo,
Manofy trano bongo mitohoka tantely,
Manofy tany lonaka manintona fijery,
Manofy hazavana mandresy haizim-pito,
Manofy, manantena fa mino ilay ampitso !
DadaRabe
La Charité 27/09/06 15:58
DdRb > ety ambony habakabaka : nanonofy mihitsy aho dia nahita io tokotanin'ny nofinao io ! dia mankaiza indray ?????
..................
Ampio mihitsy aho hanadinoako izany sentoko izany
Nampidirin'i Tsikisariaka 04 Mar 2008, 16:03Eny ambony mantsy kanto, lavitra ny fahoriana an-tany
(fantatrao ny olana)
Dia mankaiza indray ahoan ry Tsikisariaka ? ny lalan'ny nofinofy ve ?
Manaraka izay tianao sy izay mahafinaritra anao amin'ny fiainana.
Ie, nefa tsy maintsy mandia tany ihany ny tongotra ndrao varian'ny nofinofy araka ny nolazain'i Maintikely etsy aloha.
Manana finoana sy fahatokisana fa tsy maintsy misy ny semban-drahona amin'ny fiainana nefa dia ho andro miratra izany rehefa lasa ny andro ratsy.
Mahereza é !
Nampidirin'i DadaRabe 04 Mar 2008, 19:38Eny ary fa dia miverina amin'ny antsoin'ny namana hoe "mbola ho avy ny maraina, hoy i Neny"... Efa nolazin'i Rossy tamiko koe ilay hoe "Manàna finoana" ka dia izay tanjoko ihany no ho banjiniko an !
Ny lalan'ny nofy ve ? ilay tsara foana ka satry marina tsy hifoha e !!!
Nampidirin'i tsikisariaka 08 Mar 2008, 20:28Efa ao aminao izany ny soa sy ny tsara ka mahereza é!
Nampidirin'i DadaRabe 09 Mar 2008, 22:28MAtoky aho !