ILAY AMPITSO
Nampidirin'i dadarabe | 3 Mar, 2008
Manofy ilay ampitso mamerovero fatratra,
Manofy lendalenda, diavolana tomaratra,
Manofy taona zina sy fararanom-bokatra,
Manofy tojo tanjona, tafakatra ny tohatra,
Manofy fahasambarana, fotoana paradisa,
Manofy fisantarana ny mamy tsy hita isa,
Manofy lohataona ravaham-boninkazo,
Manofy andro miratra ventesim-bazovazo,
Manofy trano bongo mitohoka tantely,
Manofy tany lonaka manintona fijery,
Manofy hazavana mandresy haizim-pito,
Manofy, manantena fa mino ilay ampitso !
DadaRabe
La Charité 27/09/06 15:58
eh, samy manonofy daholo ry DadaRabe - indrindra fa ilay sary na dia fialan-tsasatra fotsiny ihany aza - saingy indrisy fa rehefa ny hoza-pe hono no tsy ampy....
Nampidirin'i ikalamako 03 Mar 2008, 02:51Misaotra na dia ho nofy ihany aza e !
Fa ny nofy tadidio
Itovizana amin'ny maro
Ny maso fotsiny no akimpio
Ny saina no ampiakaro
(Mahaleo)
Dia ampakaro ary Ikalamako sady efa alinalina ihany izao an !
Nampidirin'i DadaRabe 03 Mar 2008, 02:53io itovizana amin'ny mpanankarena ...
Nampidirin'i ikalamako 03 Mar 2008, 02:56DdRb a, klikeo blaogin'ny FBV io ambany io, ilay hoe kel suprise. hitanao ao ny vaovao mety ho nahafaly ny havantsika na tsy nahatratra ny karaoké aza izy - tsiky dia ampy sisa.
efa nijery aho teo fa tsy voavakiko hatramin'ny farany fa andraso indray !
Nampidirin'i DadaRabe 03 Mar 2008, 02:58Zava-tsarobidy tokoa ny nofy r'ise.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 03 Mar 2008, 09:12Indraindray rehefa ny nofy no mamy-dia-mamy, dia tsy-mampi-te-hifoha na dia efa maraina aza ny andro (= na dia efa tonga aza ilay "ampitso")...
...dia hoy isika hoe: "Raha mba izao nofy izao hono no mba tena-izy...".
...
Indraindray kosa anefa, rehefa ny "tena-izy" no sendra tsara sy mahafinaritra,...
...dia hoy indray isika hoe: "Sao sanatria ka nofy kosa ary izao zava-mitranga izao ?..."
Ary mitovitovy @ ilay nofisiko mihitsy izany nofin'i dadarabe izany an!
Nampidirin'i news2dago 03 Mar 2008, 10:20rehefa mino hono anie dia tanteraka izy ireny e!
misaotra @ tonokalo mampahery na vao miatomboka aza ny herinandro e!
Mankasitra e ! Kanto dia kanto.
... Dia tonga ilay ampitso ...
Nampidirin'i pissoa 03 Mar 2008, 11:25Mamanay no zatra mpiteny izany tamin'izahay mbola kely.
Nampidirin'i Lalasoa 03 Mar 2008, 11:58"Mbola ho avy ny maraina!" "Mbola ho avy ny maraina!"
Ka efa taona maro no lasa mbola "Mbola ho avy ny maraina!", nanontany azy ilay zandriko nony farany:
"Rahoviana ihany moa no ho tonga izany maraina izany ry Mama a?"
Mba ampindramo ahy ny eritreritrao
Entiko haminany ny ampitso dieny izao
Fa vizan'ny taloha ny foko izay torovana
Tsy mety fa mikiry miaina fahatsiarovana
Fa raha toa ho nofy izany faniriako izany
Avelao aho aloha hisento sy hitomany
Tsy aleoko indray aza mitsiro ny androaniko
Hanaraoraotako ihany hampiainga ny vinaniko
Sambatra ianao... fa izaho tsy te-hanonofy fa aleoko ihany misitraka ny anioko
Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Mar 2008, 13:22Miarahaba,
Lehilahytsiresy> Ie, mampanidina ny nofy, nefa miainga avy amin'ny nofy (nofinofy) ihany koa ny fikasana sy ny fanatanterahana ny asa. Raha sanatria ka nofy ihany anefa....
News2dago> Sao dia niara-nanofy ary :-) Mahavita be amin'ity herinandro vaovao é!
Pissoa> Asa raha efa tonga na mbola ho avy ireo nofy. Sa sanatria ve efa lasa saingy isika no variana manonofy ny ampitso...nofinofy ?
Lalasoa> :-) "Mbola ho avy ny maraina" hoy mamanareo. Mifono zava-dalina izany. Mino aho fa midika finoana sy fanantenana izany taminy. MIsy maraina nandrandrainy fatratra ary ninoany fa tsy maintsy ho avy sy ho tanteraka. Sambatra izy satria mbola afaka manantena ny maraina. Mazava ho azy fa raha mbola kely ilay zandrinareo dia hafa ny hevitry ny hoe "mbola ho avy ny maraina" taminy.
Ny "maraina" koa dia samy manana ny azy. Sa ahoana ?
Nampidirin'i DadaRabe 03 Mar 2008, 14:35Tsikisariaka>
Mahafinaritra be ilay tononkalonao. Mahalasa saina.
HOy aho hoe manàna foana finoana fa hisy ny ampitso mamerovero fatratra.
Tsy lafo anie ny manonofy é! Ary miainga eo ny asa rehetra. Raha tsy manana nofinofy intsony isika, dia ahoana ry Tsikisariaka ?
Nampidirin'i DadaRabe 03 Mar 2008, 14:38MIsy mahasamihafa azy ny "manofy" sy ny "manonofy". Angamba ilay manonofy no tena tiako nolazaina.
Ity misy fanadramana kely raha "manonofy" no teny nampiasaiko :
ILAY AMPITSO
Manonofy ampitso mamerovero fatratra,
Manonofy lenda, diavolana tomaratra,
Manonofy zina sy fararanom-bokatra,
Manonofy tojo, tafakatra ny tohatra,
Manonofy sambatra, fotoana paradisa,
Manonofy santatra sy mamy tsy hita isa,
Manonofy taona ravaham-boninkazo,
Manonofy miratra ventesim-bazovazo,
Manonofy akany mitohoka tantely,
Manonofy lonaka manintona fijery,
Manonofy taratra mandresy haizim-pito,
Manonofy hatrany fa mino ilay ampitso !
DdRb 03/03/08
Nampidirin'i DadaRabe 03 Mar 2008, 14:55Misaotra amin'ny fankasitrahana.
Nampidirin'i tsikisariaka 03 Mar 2008, 15:21Eny e ! manonofy koa aho, tsy haiko na manofy na manonofy. Fa izao, "tsy aleoko ihany hoy aho mitsiro ny anioko e !" .... je prends la vie comme elle vient ary dia ezahiko ho tiaviko izay azoko sy zakaiko izay miseho. Ny zezika anefa dia ny "omaliko" fa ny ampitso... dia indramiko ilay eritreritrao maminavina e ! hi hi hi ! Iza moa no tsy hanonofy fa izaho te-hanabe saina amin'izay eto amiko. kony e ?
Mazotoa ary miaraka aminay amin'ny nofinofy mameno habakabaka é!
:-)
Nampidirin'i DadaRabe 03 Mar 2008, 17:08Tsara be ilay sary... izao ve no any aminareo ry DadaRabe?
Nampidirin'i Ryana 03 Mar 2008, 18:09:-)
Ambarako hoe tany mangitsy anie ny any ê! hay ve moa ka tsy izay...
Ryana
Eh ! nofinofy anie ilay izy ry Ryana é!
Nampidirin'i DadaRabe 03 Mar 2008, 18:46Rehefa manonofy dia kanto foana ny hita sy tazana. HAny ka tsy matahotra na ririnina mangitsy aza. Ny maso fotsiny no akimpy.
(oh lala mbola mitohy ihany ny karaoké ato)
ito misy dedicace kely, tsotsotra va sincère, bisoux
http://malagasymiray.net/2008/03/04/fevrier-sous-tous-les-tonstemps/#comment-1825
Nampidirin'i jogany 04 Mar 2008, 10:45Misaotra jogany fa ho jereko à!
mzotoa foana é
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 04 Mar 2008, 13:06arahaba
aza manofy fotsiny fa mba tontosaho ihany koa :)! manjary nofy ririnina fotsiny ;)
Nampidirin'i maintikely 04 Mar 2008, 15:02Betsaka anie ny tontosa ry Maintikely saingy tsy ho lazaina daholo é ! :-)
Saingy ny lalana mitohy foana, ny tanjona tsy manam-petra, ny asa tsy mijanona, nofinofy tsy mitsahatra raha tsy ny Ray ao ambony no miteny hoe : aok'izay anaka !
Nampidirin'i DadaRabe 04 Mar 2008, 15:31