Ny momba ny jenetikan’ny mponina ao Madagasikara :
Nampidirin'i dadarabe | 27 Feb, 2008Ny antsasaky ny “lignées génétiques” n’ny mponina ao Madagasikara dia avy amin’ny olona tany Bornéo, izay mielanelana 7000km amin’i Madagasikara. Ny antsasany kosa dia avy any amin’ny mponina avy any Afrika atsinanana.
Ny nosy Madagasikara dia 400km mielanelana amin’i Afrika. Misy valim-pikarohana vaovao nivoaka tamin’ny “American Journal of Human Genetics”, nampiseho fa misy mampiavaka manokana ny mponin’I Madagasikara.
Vao voalohany izao no nahafahana namaritra mazava tsara ny fototry ny “lignées génétiques” n’ny mponina Malagasy, sy ny toerana tokony ho niaviany, ary azo heverina ho manakaiky ny marina hoy ny Dr Matthews Hurles ao amin’ny Wellcome Trust Sanger Institute.
Ireo mponina ireo dia fifangaroana 50/50 ny vondrom-pirazanana anankiroa. Tsara ny manambara fa ireo taranaka ireo dia nifangaro nandritra ny taonjato maro hatramin’ny fiatombohan’ny fisian’ny olona teo amin’io nosy io hoy izy. Ireo marika arkeolojika dia maneho fa vao haingana ny fisian’ny mponina tao amin’ny nosy : eo amin’ny 1500 taona.
Mba ahatomombana ny fikarohana nataony, ireo mpikaroka ao amin’ny Oniversite n’i Cambridge, Oxford ary Leicester, dia nampiasa mpanamarika ny DNA karazany roa : Ny Chromosomes Y, entin’ny lehilahy ihany, ary ny DNA mitochondrial, izay lovain’ny vehivavy ihany. Noho izany ary dia nampitaha ny fitoviana ara-jenetika tamin’ny Malagasy sy ireo mponina isan-karazany amin’ny ranomasim-be Indiana ry zareo. Ireo karazana Chromosome Y tsy avy any afrika hita tamin’ireo Malagasy dia mifanakaiky indrindra amin’ny an’ireo karazana ananan’ny olona any Bornéo (raha oharina amin’ny mponina hafa rehetra). Hita koa tamin’ny alalan’ny DNA mitochondrial fa ny ivon-toerana niaviany dia avy amin’ireo nosy any Asia atsimo atsinanana ary koa avy any afrika atsimon’i Sahara hoy ny Dr Peter Foster ao amin’ny Institut McDonald (ivom-pikarohana momba ny arkeolojika ao amin’ny Oniversite n’i Cambridge).
Efa fantatra rahateo fa ny teny malagasy dia misy ifandraisany amin’ny teny indoneziana. Ny teny tena mifanakaiky aminy indrindra dia ny teny “Maanyan” ampiasaina ao atsimon’i Bornéo hoy i Hurles. Mifandraika izany ilay fikarohana jenetika sy ilay tolokevitra lingistika. Ankoatr’izay, ny firafitry ny mponin’i Madagasikara dia mampiseho endrika mahaliana eo amin’ny tantaran’ny olombelona, raha eo amin’ny fifindra-monina sy ny fifangaroan’ny mponina no jerena. Ary koa vavolombelon’ny fahaizana mahatalanjona nananan’ireo mponina taloha amin’ny fifindra-monina lavitra dia lavitra mamakivaky ranomasim-be.
Ny fifindrana goavana izay niainga avy tany Asia atsimo atsinanana tany amin’ny 2000 taona ka hatramin’ny 1500 taona tany aloha miohatra amin’ny ankehitriny, araka ny vokatr’ireo fikarohana, dia maneho an-tsary koa ny fisian’ny fifindra-monina niainga tamin’io toerana io mankany Pasifika, Mikronezia ary I Polinezia 1000 taona lasa izay.
May 2005
(Mpandika Dr P.Rabe)

Jereo : http://www.sanger.ac.uk/Info/Press/2005/050504.shtml
Lehilahytsyresy> Tena tsy mikaroka aho fa mijery bibliographie.
I Lehilahytsiresy angamba no tokony hanome fanazavana.
Fanazavana kely fotsiny ilay nolazaiko tery amin'ny lahatsoratra.
Ny Chromosome mitochondrial dia tsy ao anaty noyau n'ny sela fa eo amin'ny cytoplasme. NOho izany ny spermatozoïde (avy amin'ny lahy) dia tsy manome izany. Ao anaty ovule ihany no misy azy amin'ny fécondation ka ilay avy amin'ny selan'ny vehivavy ihany no miampita. Midika izany fa ny fitohizan'ny karazany dia avy amin'ny vehivavy.
Ny Chromosome Y kosa dia avy amin'ny lahy ihany satria ny lahy dia XY, ny vehivavy tsy mba manana chromosome Y. Miampita amin'ny taranaka lahy ihany izany.
Io no nahafahan-dry zareo nahita ilay hoe :
- EVE MITOCHONDRIALE izay niaina 150.000 taona tany aloha tany.
- ADAM Y CHROMOSOMIQUE izay niaina 60.000 taona tany aloha tany.
Mbola tantara hafa koa izany rehetra izany.
Nampidirin'i DadaRabe 27 Feb 2008, 23:04Ikalamako> Raha hitako izany ve tsy ho lazaiko anao. Fa mbola fanontaniana daholo é!
Ny mahagaga hono dia ny hoe nahoana no dia teny sy fomba avy any asia atsimo atsinanana no hita eto madagasikara nefa mazava be amin'ny resaka biolojia fa misy afrikana ny razan'ny malagasy ?
hoy ilay mpikaroka Professor Robert Dewar, of The McDonald Institute for Archaeological Research, University of Cambridge
Nampidirin'i DadaRabe 27 Feb 2008, 23:10Ary hono hoa dadarabe : ry zareo mpandinika ny fomban'ny olona dia mahita koa fa misy fomban'arabo sy jiosy tsika.
Tsy hita tao @ chromosome ve io ? :-). Ilay resaka hoe 50/50 mantsy tô somary manatsotsotra zavatra loatra kano ;-).
Sa ... mety hoe : nandalo fotsiny ireo olona ireo ary namindra ny fombany ? toa ho sarotrainoana ihany izany : ny vondron'olona mantsy, @'tany izay alehany, dia misy foana ny miala @ be sy ny maro ka manori-ponenana.
farany : gasy iza ary taiza no nangalàna ADN ? Azo atonka ve ny méthode d'echantiollnnage. Foko 18 manko tsika, ka ireo ve de mitovy tantara daholo ? Toa tsy hinoako mantsy .
Nampidirin'i tokinao 27 Feb 2008, 23:32Tokinao> Ie, marina tokoa fa maro ireo manontany momba ny arabo sy ny jiosy. NY arabo aloha dia tena nisy tokoa ny tonga teto ary betsaka ny navelany (sorabe, ny anaram-bolana gasy alahamady, adaoro, sns. ny anaran'andro).
Ny amin'ny jiosy indray dia i PAsitera Tolotra no nanadihady manokana momba io. TSy tena itovizako tanteraka aminy saingy izy moa nanao filarohana ka hajaintsika sy amporisihintsika izany.
RAha ho jerena dia mety ahitana foana raha atao ny fikarohana kah ! miandry antsika !
Ny hoe gasy taiza dia tsy fantatro mazava. Saingy oniversite sy ivont-teoram-pikarohana maromaro no nanao azy izay matotra dia matotra tokoa.
Participating Centres :
Nampidirin'i DadaRabe 28 Feb 2008, 01:02Wellcome Trust Sanger Institute - Wellcome Trust Genome Campus, Hinxton, UK
McDonald Institute for Archaeological Research - University of Cambridge, Cambridge, UK
Weatherall Institute for Molecular Medicine - University of Oxford, Oxford, UK
Department of Genetics - University of Leicester, Leicester, UK
Fa ny tena mampanotany tena dia hoe manin ny ol tany Borneo no tonga taty Madagasikara fa tsy mba tonga tany Amerika???
sa hoe izay no sitrapon'A/tra :)
Nampidirin'i simp 28 Feb 2008, 14:21Tany amerika atsimo aho (Suriname na Guyane Hollandaise) dia feno Javanais any kah misy eo amin'ny 60.000 eo ho eo ry zareo. Ny azy indray migration karazany hafa.
Nahoana no nankaty ny olona avy any Bornéo ? Be dia be ny hypothèse.
NItady tany vaovao ve ?
Resy an'ady ve ? (izay resy dia miala amin'ny taniny. Izay no zava-pisy tany 2000 taona lasa).
Foko mpifindra monina an-dranomasina ve ? Satria olona avy ao no nanomboka nameno an'i Polinezie, makronezia, hatrany amin'ny faran'ny ranomasim-be pasifika (île de Paques)
Mino aho aloha fa tsy kisendransendra.
Nampidirin'i DadaRabe 28 Feb 2008, 16:15Fikaroana misy ambadika fanamarinana ny fanjanahatany dia anisan'ny FACTEUR iray tsy azo ialahana satra ny fikaroana rehetra misy "ambadika avokoa = mivantana na miafina" anjanan'ny mpikaroka no mandanjalanja sy mijery ny zavatra tena mety NATRANGA "plausible" ka azo HAMARININA AMIN'NY FOMBA TECHNIQUES RECHERCHES AVANCEES (Carbone14, ADN, Relations différents facteurs ...)
Aza matahotra na manao ankilabao ny zava-nisy efa vita fa MANJARY
SILAKA=TRONQUE ireo fikaroana atao e !
Koa lasa tsy manome ny endriky ny zava-misy !
Tsara koa ny fisehon-javatra toy ireo "AMBADIKA MISEHO na ANKOLAKA"
mba hanamafisana ny THESE TIANA HIJORO !
Tandremo koa fa LASA MISY FEFY BE eo amin'ny "ECOLES ANGLO-SAXONNES/ ECOLES FRANCOPHONES" ka RATSY AMIN'NY FIKAROANA ho antsika io fa miatomboka amin'izany foana ny FISARAHAM-BAZANA sns...aRY RAHA VAO NY MPIKAROKA NO VOA IO DIA very isika SATRIA NY omaly no miverina !
Koa fadio izay HAMPISARA-BAZANA ANTSIKA MALAGASY
Mirary soa e !
O.H.
Nampidirin'i Helisoa 01 Mar 2008, 10:26Lava lava ity étude ity ka vakio raha mazoto : (ity ambany ny rohy)
www.pubmedcentral.nih.gov/articlerender.fcgi?artid=1199379
Abstract
Linguistic and archaeological evidence about the origins of the Malagasy, the indigenous peoples of Madagascar, points to mixed African and Indonesian ancestry. By contrast, genetic evidence about the origins of the Malagasy has hitherto remained partial and imprecise. We defined 26 Y-chromosomal lineages by typing 44 Y-chromosomal polymorphisms in 362 males from four different ethnic groups from Madagascar and 10 potential ancestral populations in Island Southeast Asia and the Pacific. We also compared mitochondrial sequence diversity in the Malagasy with a manually curated database of 19,371 hypervariable segment I sequences, incorporating both published and unpublished data. We could attribute every maternal and paternal lineage found in the Malagasy to a likely geographic origin. Here, we demonstrate approximately equal African and Indonesian contributions to both paternal and maternal Malagasy lineages. The most likely origin of the Asia-derived paternal lineages found in the Malagasy is Borneo. This agrees strikingly with the linguistic evidence that the languages spoken around the Barito River in southern Borneo are the closest extant relatives of Malagasy languages. As a result of their equally balanced admixed ancestry, the Malagasy may represent an ideal population in which to identify loci underlying complex traits of both anthropological and medical interest.
Nampidirin'i DadaRabe 09 Mar 2008, 04:17