ATOLOTRO HO ANAO
Nampidirin'i dadarabe | 14 Feb, 2008Raha toa aza tsy nisy
Ny teny hoe “fitia”
Dia noforoniko,
Izany ho anao.
Raha sendra ka indrisy !
Mangidy akia ny etỳ !
Dia mamy no angoniko,
Atolotro ho anao.
Raha onja be masiaka
Sy alon-drano mafy,
Dia lakana hitàna
No asosako ho anao.
Raha sendra ka hatsiaka
Sy oram-be mifafy,
Ny foko izay mafana
No hampiantrano anao.
Izany no mba haiko,
Izany anie no aiko,
Ka dia lazaiko anao,
Satria...tiako ianao !
DadaRabe
Aix-en-Provence
18/09/03 18:55

"mahery ny fitia" hoy ny hira,
Nampidirin'i ikalamako 14 Feb 2008, 10:43"mahery ny mpiventso" hoy aho.
Mahery koa Ikalamako
Nampidirin'i DadaRabe 14 Feb 2008, 13:36tiko ilay tonokalo!!! tsara misaotra e!
Nampidirin'i sazykely 14 Feb 2008, 13:39raha izaho no mamaly dia indramiko ilay hiran'i Henri Ratsimbazafy iny hoe FONY AHO
Misaotra an'i Harilova. Tafiditra spam izy io dia izao vao hitako.
Adikako eto ambany fa mitakosona. Manja be ilay vetsonao :
Raha toa ka hafanàna,
tsy misy fitsaharana
fa andro be migaina
no sendra tojo anao!
Dia vohaiko hidanadana
tsy hisy varavarana
hidiranao ry sombin'aina
ity fo 'zay babonao!
Harilova
Nampidirin'i DadaRabe 14 Feb 2008, 14:50Misaotra Sazykely.
Ity ilay tononkiran'i Ratsimbazafy
FONY AHO
FONY AHO tsy nitafy
afa tsy akanjo rovitra
tamin'ny orana nifafy
sy hatsiaka mampangovitra
dia nalanao tsotra izao
noho izato fahoriako
lamba teny an-koditrao
ka nomenao ho tafiako
Eny lamba soga ihany,
kararavina sy tsotra
nefa kosa ny hafanany
nahatoraka lopoitra
FONY AHO mosarena
trotraka sy fanimpanina
rera-tsaina, rera-tena
fa tsy nanana hohanina
tsapako nitafotafo
tao am-ponao ny fitiavana,
nasainao aho hisakafo
ka noraisinao ho havana
Eny vary maina ihany
no niarahana nizara,
nefa dia natsiro izany
niova ho sakafo tsara.
FONY AHO kivy ratsy,
tsy mba nanana hitarainana,
tsisy tia, lany vatsy,
zary leo ny fiainana,
Ianao tamin'izay
no hany mba niteny tamiko
ka namerina indray
ny fiainana ho mamiko
Eny teny kely monja
feno hatsaram-panahy,
nisy hevitra mafonja
ka nitondra hery ho ahy.
Henri RATSIMBAZAFY
Nampidirin'i DadaRabe 14 Feb 2008, 14:531969
tena efa miha-mahay lesona i harilova k'ity !
Nampidirin'i ikalamako 14 Feb 2008, 15:08I DdRb dia sambatra satria TIA ! Meteza ho tia foana. Matetika dia hoe mampijaly hono ny mitia saingy izao, mahatsiarova fahasambarana ao anatiny... Aleo mantsy tia toy izay TIANA mety tsy ho TIANA, tsy hay intsony.... Fa toy ilay hoe "sambatra ny manome noho ny mandray e !" ny idealy mantsy dia ny SAMY TIA e ! SAMY SAMBATRA no vokany.
Nampidirin'i Tsikisariaka 14 Feb 2008, 15:54Ho ela velona ny aina mba hisy foana ny FITIAVANA
i Harilova ve ry Ikalamako ? sao ianao tsy mahalala fa mpiangaly koa izy an !
Tsikisariaka> misaotra betsaka amin'ny lesona amin'izao andro izao. Soa fianatra é!
Nampidirin'i DadaRabe 14 Feb 2008, 17:07Mpankafia aho hoa fa tsy mpiangaly! I DadaRabe ihany no mampietsika aingam-panahy eo io.
Nampidirin'i Harilova 14 Feb 2008, 20:20Ny soa anie fianatra ry Ikalamako e!
Harilova> Mpankafy miangaly ary é!
Sa ahoana ry Ikalamako ?
Nampidirin'i DadaRabe 14 Feb 2008, 20:25eka ouz ry DdRb. Ankafiziko aby anareo amin'ny fiangaliana...
Nampidirin'i ikalamako 14 Feb 2008, 23:33Ikalamako koa anie no andrasana é!
Nampidirin'i DadaRabe 14 Feb 2008, 23:37Hoy i Joe Dassin hoe
Et si tu n'existais pas,
Je crois que je l'aurais trouvé,
Le secret de la vie, le pourquoi,
Simplement pour te créer
Et pour te regarder
Vive l'amoro ... sy ny poeta DadaRabe !!!
Nampidirin'i pissoa 15 Feb 2008, 00:01Pissoa> Ie, tsara io hira io.
Nampidirin'i DadaRabe 15 Feb 2008, 00:42Vive l'amoro...sy ny poeta Pissoa !!!
DdRb > tsisy fisaorana e
Nampidirin'i Tsikisariaka 15 Feb 2008, 15:35Tsikisariaka> Ampio lesona ihany raha toa ka mbola misy an ! Mino aho fa tsy hatreo ihany ny lesona :-)
Nampidirin'i DadaRabe 15 Feb 2008, 16:07Feno zavatra tsara ato fa ny tena koa tsy mahefehy loatra ny fotoana angamba dia tsy afaka migoka. hihi
Nampidirin'i karako 15 Feb 2008, 19:39Hay tia Joe Dassin koa pissoa dy ddrb ? Mba betsaka koa ny hiran'izy io tiako.
Finaritra e
Ie, angaha tsy eto foana ry Karako à! Manao ahoana ny ao Montréal ao ?
Nampidirin'i DadaRabe 15 Feb 2008, 21:30Québec ville capitale no misy anay fa tsy Montréal ka. Fa androany izao ho avy aty ry zalahy gasy avy any Montréal hanao basket aminay aty.
Nampidirin'i karako 16 Feb 2008, 20:52Mazotoa indray e