DOBODOBO-TAKARIVA !

Nampidirin'i dadarabe | 8 Feb, 2008


Dobodobo-takariva izany foko mihaotrahotra,
Eto an-tampon’ito havoana, lemilemy, vahobahotra !
Mibanjina eny lavitra… efa hila tsy ho hita,
Fa manjavonjavona eny ka tsy tazana avy am-pita.

Rivodrivotra masiaka no mitsoka am-poto-tsofiko,
O ! ririnina maditra mampangovitra ity hoditro...
Efa vakivaky, silatsilaky ny alina mangitsy,
Ranomandry rotsadrotsaka tampify, tsy an-kitsitsy !

Valabalaka ny saiko, horongorona ao an-doha,
Harivariva manaintaina, mampivadibadi-po !
Tapatapaka tsy antenany ilay hira tena tiako,
Dia nandosindositra any…vazo tola niangaliako !

Hetraketraky ny ankaso, misomonga zava-tsy hay,
Ketraketraka izany aiko, verivery dia…, manahy !
Mba nankaiza ho’aho reroy ilay tantely mamy teo ?
Dobodobo-takariva izany ny foko…Tena leo !

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
08/02/08   22 :19

 


28 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "DOBODOBO-TAKARIVA !"

  1. gasy ka kanto [ fa tsy manja fotsiny :-) ]

    Nampidirin'i Tokinao 09 Feb 2008, 19:02
  2. Misaotra Pissoa à!

    Ramanatantara> hijery an'io dia mirary faran'ny herinandro é!

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Feb 2008, 19:26
  3. Arahaba

    kely sisa dia ho any jangil dadarabe an! ankafizo tsara aloha fa rehefa any indray mety hanoratra hoe mamay mandoro ilay masoandro :)

    Nampidirin'i maintikely 10 Feb 2008, 09:53
  4. Misaotra an'i Tokinao. Kanto daholo isika rehetra. SA ahoana ?

    Maintikely> ie, efa fotoana aho io hoe rahoviana no handeha.
    LAinga tokoa aloha lainga fa mandoro ilay masoandro any é! tany aho tamin'ny desambra teo fa tena henjana. Soa fa nisy izany hoe ventilateur izany ! :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 10 Feb 2008, 15:30
  5. Takariva, tsiaro, ankaso... tena leo...

    JJR, fiainana, tononkalo,

    Mahajanga, hafanana, ventilateur !

    Eto amin'ny Glaoby marina... Mihodina soa aman-tsara !!!!

    Mankalaza e

    Nampidirin'i Tsikisariaka 11 Feb 2008, 10:40
  6. Tsikisariaka>
    Mihodina hatrany ny tany, na misy na ts'isy an'izany (Rossy)
    Fa ny tany kosa mihodinkodina any, tsy miraharaha izany (mahaleo)

    ie, eto aminm'ny glaoby, blaogy

    Nampidirin'i DadaRabe 11 Feb 2008, 13:29
  7. Salama daholo e,

    Mandalo fotsiny fa ela tsy nitsidika ny akama ,bee atao ka tsy afaka mikarajia e !
    Samy tsara daholo!

    Drbe, tena tsy mety mandeha ilay Lolo ao @ site ry nao a! Anefa ao mba misy an’I Benoro sniff sniffff

    Nampidirin'i Tsiky 12 Feb 2008, 15:39
  8. Misaotra an'i Tsiky mamangivangy.

    Tsy haiko hoe inona no ho lazaina anao. aty amiko ilay izy mandeha tsara sady mazava be ilay enregistrement.

    Any amin'ny La Cigale manararaotra é! izaho moa tsy afaka fa misy ranomasim-be manelanelana.

    Nampidirin'i DadaRabe 12 Feb 2008, 16:27
«Mialoha   1 2