DOBODOBO-TAKARIVA !

Nampidirin'i dadarabe | 8 Feb, 2008


Dobodobo-takariva izany foko mihaotrahotra,
Eto an-tampon’ito havoana, lemilemy, vahobahotra !
Mibanjina eny lavitra… efa hila tsy ho hita,
Fa manjavonjavona eny ka tsy tazana avy am-pita.

Rivodrivotra masiaka no mitsoka am-poto-tsofiko,
O ! ririnina maditra mampangovitra ity hoditro...
Efa vakivaky, silatsilaky ny alina mangitsy,
Ranomandry rotsadrotsaka tampify, tsy an-kitsitsy !

Valabalaka ny saiko, horongorona ao an-doha,
Harivariva manaintaina, mampivadibadi-po !
Tapatapaka tsy antenany ilay hira tena tiako,
Dia nandosindositra any…vazo tola niangaliako !

Hetraketraky ny ankaso, misomonga zava-tsy hay,
Ketraketraka izany aiko, verivery dia…, manahy !
Mba nankaiza ho’aho reroy ilay tantely mamy teo ?
Dobodobo-takariva izany ny foko…Tena leo !

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
08/02/08   22 :19

 


28 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "DOBODOBO-TAKARIVA !"

  1. mamirifiry mihitsy anga izy ao ry dadarabe a?
    ny fianantsika olombelona mihitsy no mandalo fisedrana
    koa mahereza dhl fa mbl ho avy ilay maraina vaovao e!

    Nampidirin'i news2dago 08 Feb 2008, 10:32
  2. tsy mety izany leo izany DadaRabe ô! "mbola ho avy ny maraina"
    Mankasitraka hatrany.
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 08 Feb 2008, 10:39
  3. fa "raha mbola misy ihany taratra mamiratra, azona banjinina,
    nahoana no tomany no handanianao ny alin'ny ririnina?"
    dia tonga amin'ilay lohapejiko ao amin'ny blaogyorg ry DdRb hoe "raha mbola misy blaogy azonao atoraka hamoahana feeling, nahoana no tsy izany no handanianao ny alin'ny ririnina".
    Eo moa fa "aiza no hisy rahona tsy hisava, aiza no hisy aizina tsy hazava" hoy Rossy. :-D

    Nampidirin'i ikalamako 08 Feb 2008, 11:22
  4. Valabalaka ny saiko, horongorona ao an-doha,
    Harivariva manaintaina, mampivadibadi-po !

    Fa maninona ry DdRb ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 08 Feb 2008, 13:26
  5. Manao ahoana daholo,

    Tononkalo ihany rey olona fa tsy hoe inona akory à ! Avy namaky JJRabearivelo maromaro aho dia nentiny tany koa ! Angaha tsy loza !

    news2dago>ie, maro ny fisedrana fa misy ny maraina é! mamirifiry aloha eto é! MIvezivezzy eo amin'ny 0°C suy -10°C eo ny maripana izao.

    Ryana>Marina ny anao, tsy mety izany leo izany. Kanefa olombelona kosa ve dia tsy mba mety ho leo ? diso ve ? ha ! ha ! ha !

    Ikalamako> ie, tsara ny blaogy atao solona nivakinina

    Tsikisariaka> Efa nazavaiko etsy ambony ry Tsikisariaka.

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Feb 2008, 15:47
  6. Miangavy anao tsy harakaraka an'i JJ Rabe intsony sao lasany any. Malahelo eto daholo ny vahoakanao. Marina e !

    Nampidirin'i Pone 08 Feb 2008, 16:25
  7. dia marary koa ny saina
    any an-tany lavitra any
    marary mafy tsy hay tohaina
    te hamonjy ny ankany

    Nampidirin'i sazykely 08 Feb 2008, 16:26
  8. Pone> Ha ! ha ! ha! inona no avaliko anao ? eny tompoko !

    sazykely> Ntsôouu! misaotra anao é!

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Feb 2008, 17:02
  9. Inakio, DadaRabe fa tsapanaoeny an-tsefatsefan'ny resaka ifanaovana eto, fa mijanona tsy mihodina ny tany rehefa malahelo ianao.
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 08 Feb 2008, 17:33
  10. "Inoako ", azafady fa tsy "Inakio"

    Nampidirin'i Ryana 08 Feb 2008, 17:34
  11. ha ! ha ! ha ! "Inakio" somary taitra aho hoe misy teny tsy haiko indray izany !

    Angaha tsy mbola henononao ilay hiran'i Mahaleo hoe :
    ..Fa ny tany kosa, kosa, kosa mihodinkodina any à ! tsy miraharaha izany à!

    Aleo indray ary tsy halaheloizany sao sanatria ka mijanona eo ny tany ka ho aizan no alehantsika ?

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Feb 2008, 19:04
  12. izay anie hoy aho ê! RY Mahaleo manao fampisehoana ao amin'ny Palais des Sports- MAhamasina 6 Iarivo amin'izao fotoana izao. Angamba teo am-pihiràna an'io hira io ry zareo nandritra ianao nanoratra.
    Asio tononkalo miventy hafaliana am'izay ary ê!
    :-)
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 08 Feb 2008, 19:59
  13. Andraso ary hitadiavako tononkalo miventy hafaliana é! Ho tanterahina ny sitraponao tompoko !
    Saingy alohan'izay, handefa vaovao avy aty ami'nny hopitalin'i St Pierre kely aho.

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Feb 2008, 20:03
  14. ie, manao ao amin'ny palais des sports ry zareo. Tsy misy vidim-pidirana fa tonga dia teeshirt THB.

    Ry Johary koa manao fa any amin'ny toeran-kafa.

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Feb 2008, 20:05
  15. Mamangy,

    e ! Miresaka JJ Rabe ianareo fa tena tsapako fa hay mafy ny nahazo azy !
    Mandevina zanaka !
    Nofon'ny nofo ! Mba azonareo an-tsaina moa izany (tsy azo satria zavatra IAINANA)!

    Grave an !

    Tena rahefa voadona dia tena mirediredy - Tsy mila mifoka zavatra hafahafa re olona o !

    Aza mba tratran'ny mafy e !
    Fa hay lasa misaina FASANA matetika satria ao no misy ny mofon'ny nofonao !
    Koa ny mpandinika manao "Essai littéraire" sns... Dia mora aminy ny miteny fa "POETAN'NY ALAHELO,NY FAHAFATESANA i JJ Rabe" ! ie ! Fa grave hoy aho e !
    Tena mampivaha mihintsy e ! Tsy milaza aho hoe manaova toa azy fa "SENDRA NY MANGIDY TSY TELINA IZY no sady mbola TANORA FANAHY koa e"

    Aza mba maha-voa e !

    MAMPAHERY AN-DdRb ao fa tsy ho ela dia hitselika any an-tanàna e !

    Veloma finaritra daholo,

    O.H.

    Nampidirin'i Helisoa 08 Feb 2008, 21:53
  16. Manao ahoana Olga,
    ie, misy tokoa mampalahelo amin'ny tantaran'i JJR. Teraka tsy nanan-dray izy. Tsy fantatro aoha raha hitany ihany ny tena rainy taty aoriana é
    MAnitikitika ny mpandinika maro tokoa ny asa-sorany. Inona no resahin''JJR rehefa miresaka "lasa" izy. Maro tokoa ny tononkalony miresaka an'io.

    Isan'ny mpanoratra mahafinaritra ahy indrindra i JJR.

    izay é!

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Feb 2008, 01:27
  17. azfd iza kay le JJR resahanareo? JEAN JACQUES ROUSSEAU sa RABEARIVELO hihihi
    ra mijery tsara kou mantsy ianareo de oatran misy itovizany bdb n fiainana zareo

    Nampidirin'i sazykely 09 Feb 2008, 09:44
  18. sazykely,
    JJRabearivelo kah !
    Marina ny anao fa tsy mazava ilay JJR fotsiny. I JJRanbearivelo koa naka io hampitovizana amin'ny JJRousseau.
    Misy itovizany hoy ianao ny fiainany !

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Feb 2008, 15:27
  19. Aoka marina e !
    Tiako be ny mamaky ilay andininy voalohany ...

    Nampidirin'i pissoa 09 Feb 2008, 18:48
  20. Mamangy,

    nitoraka bilaogy kely aho re koa mampilaza amintsika namana rehetra etona mba hitsidika ary misaotra amin'ny dinika momba ny zavatra atolotra ao(COMMENTAIRES) sy ny hafatra ao amin'ny Boky rakibolana.

    Lavitra ezaka be ilay izy e !

    Indro ny rohy makao:
    http://chants-musiques-madagascar.oldiblog.com/

    Mirary faran'ny herinandro feno fiadanana e !

    O.H.

    Nampidirin'i Helisoa RAMANATANATARA 09 Feb 2008, 19:01