SOA FA MINO IANAO !
Nampidirin'i dadarabe | 5 Feb, 2008Soa fa mino ianao…
…Fa misy ny fitiavana tsy lefin’ireo taona,
Tsy tototry ny atsanga ;
Tsy ravan’ireo mafy sy ny alina misaona
Na ny olana mitranga.
…Fa misy ny maraina ravaham-boninkazo,
Mitsiry, maro loko,
Ka na ririnina aza, tsy maina, tsy malazo,
Tsy miova, tsy miofo.
…Fa misy lohataona mamerovero fatratra
Sy rivotra madio,
Miangaly tsikitsiky sy lanitra tomaratra,
Tsy semban’ny tadio.
…Fa misy loharano miboika tsy ho ritra,
Manjary lasa ony ;
…Fa misy ny fitia tsy mety mangatsiaka,
Lelafo tsy mitony !
…Soa fa mino ianao !
DadaRabe
St Pierre et Miquelon
30/01/08
misaotra dadarabe nampahery a!
Nampidirin'i news2dago 05 Feb 2008, 09:41:-)
Nampidirin'i ikalamako 05 Feb 2008, 10:24Mamangy,
lalina tokoa ity tononkalo mampahery ity !
Soa ihany tokoa fa eo ny Finoana = Fitiavana = Fanantenana ary ny Fitiavana izay manarona, manamora ny tsy mety rehetra no tsara indrindra !
Amin'izao ankatonky ny fetin'ny mpifankatia izao dia ilaina vakiana izy ity mba hahamafy toky !
Ao koa ireo setran'ny fiainana maro (fahafatesana, haretina, tsy fisiana, tsy an'asa, traha-boina amin'ny rivo-doza sns...) dia MANKASITRAKA DdRb o !
Manasa antsika namana rehetra hitsidika io Blog eo ambany io fa misy KAm miresaka SIRA, sns... ao e !
O.H.
Nampidirin'i HELISOA 05 Feb 2008, 14:03http://bd-helysoa.oldiblog.com/
Miarahaba ny rehetra> news2dago, Ikalamako, Helisoa
Nampidirin'i DadaRabe 05 Feb 2008, 14:29Misaotra ary mirary andro sambatra ho antsika
DdRb
soa fa mino ianao
Nampidirin'i sazykely 05 Feb 2008, 15:13mino ny fisiako
fa raha tsy izay ianao
tsy nanoratra ho vakiako
clap ! clap ! clap ! sazykely
Mino fa ianao
sy ny momba anao
dia tena misy any
am-pita lavitra any
Saingy tsy hita maso
tsy hita atao andraso
ka dia tononkalo
no alefa maromaro
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 05 Feb 2008, 15:53Mankasitraka e !
Kanto dia kanto !!!
Nampidirin'i pissoa 05 Feb 2008, 18:09Misaotra pissoa à
Nampidirin'i DadaRabe 05 Feb 2008, 18:45dia miandry ilay kanto avy any aminao.
tena DadaRabe marina ianao ka! mahery ê! Ary ianao ve izany moa mino ihany koa?
Nampidirin'i Ryana 05 Feb 2008, 22:36:-)
Ryana
Ahoana izany hoe : tena "DadaRabe" marina izany ry Ryana ? Fa angaha misy "critères" ahafantarana azy ? ;-) Aza manapa-tsinay moa é!
Moa ve ilay olona ao anatin'ny soratra mino ihany koa ?
Nampidirin'i DadaRabe 05 Feb 2008, 22:43Ny fieritreretako ny firesany dia angamba mino izy ! Asa anefa !
tsara e! tohizo hatrany fa zay matsiaro foana!
Nampidirin'i news2dago 06 Feb 2008, 09:38Amintsika Malagasy anie mety hoe anarana ihany ny DadaRabe, fa mety ho "adjectif" koa ("manantona DadaRAbe, mijery DadaRabe, ..."). Sa diso aho? Ka ianao sady anarana no adjectif no fahitàko azy.
Nampidirin'i Ryana 06 Feb 2008, 10:48Amintsika Malagasy anie mety hoe anarana ihany ny DadaRabe, fa mety ho "adjectif" koa ("manantona DadaRAbe, mijery DadaRabe, ..."). Sa diso aho? Ka ianao sady anarana no adjectif no fahitàko azy.
Nampidirin'i Ryana 06 Feb 2008, 10:48Nipoaka be mihitsy !!!!!! ekena DdRb a !
Nampidirin'i Tsikisariaka 06 Feb 2008, 13:10Ahavitana zavatra maro rahateo ny finoana. Izaho nino fa misy tononkalo milay be ao dia niditra indray androany dia ... ao tsara ! Misaotra e
news2dago> HO natsika rehetra é!
Ryana> Ny anarana anie tanim-boanjo Ryana ô ! RAha tantely ve ny anaran'ilay olona dia mety hanaikitra ? sa diso aho ?
Tsikisariaka> ie, ahavitana zavatra maro ny finoana
Nampidirin'i DadaRabe 06 Feb 2008, 13:22ary tsy mampirona
aza mampitovy lakana aman-jahatra re DadaRabe ô!
Nampidirin'i Ryana 06 Feb 2008, 14:28hainao fa tsy izay no tiako nolazaina .
Tsarà ê!
Ryana
Ryana> Eny ary é! ataoko toy ny hoe haiko ny tianao lazaina. Ha ! ha ! ha !
Fa ilay lakana izany tsy mitovy amin'ny zahatra ? nefa samy mitety rano ? sa diso aho ? ;-p
Nampidirin'i DadaRabe 06 Feb 2008, 15:52Misaotra an'i sazy kely koa. Azafady fa tsy hitako io valin-teninao io fa niditra spam.
Tsarà hariva é! (ny aty mbola mitataovovonana)
Nampidirin'i DadaRabe 06 Feb 2008, 15:54