MANINA ANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 30 Jan, 2008


Manina anao…

Dia eto manonofy ireny andro lasa…
Niarahana nidola,
Nitosy, nikotaba, nihira sy nikasa,
Niventy angolangola.

Ny lanitra fahiny toa manga aok’izany !
Dia rivotra madio…
Niritsoka, nitondra angano sy vinany,
…Nidify toa tadio !

Ianao ilay fitiavana, ianao ilay mazava,
Nitsilo ny haizim-pitoko,
Oh ! Volana baliaka, masoandro nampisava
Ny alina mikitroko.

Injao miraondraona ao anatiko ao
Ilay ako fahatsiarovana !
Kanefa tsy eo anilako fa lavitr’any ianao,
Ny foko anie torovana !

Dia nofinofy sisa ireny andro lasa,
Mangina ny ety !
Ianao tsy eo akory, ny foko toa maratra,
Tomany irery akia !

…Fa manina anao !

DadaRabe
Saint Pierre et Miquelon
30/01/08  10 :18


25 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "MANINA ANAO !"

  1. Misaotra an'i Soanja
    Nandefa teny manja
    mampihetsika fanahy
    ho any tsirairay

    Ny vavaka mangina
    tokoa tsy azo ariana
    fa manome hery
    rehefa mba irery

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 03 Feb 2008, 00:42
  2. Dia nofinofy sisa ireny andro lasa,
    Mangina ny ety !

    Raha tena aravona dia.. Izay dia ampy!toy ny tsikin'i Hery.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 04 Feb 2008, 13:54
  3. Izay dia ampy ahoana ary Tsikisariaka ?

    Nampidirin'i DadaRabe 04 Feb 2008, 15:46
  4. Mankasitraka anareo fa manan-talenta tokoa ianareo ry dadarabe sy ryana.

    Nampidirin'i vahiny 09 Feb 2008, 02:34
  5. MIsaotra an'i vahiny

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Feb 2008, 15:30
«Mialoha   1 2