MANINA ANAO !
Nampidirin'i dadarabe | 30 Jan, 2008
Manina anao…
Dia eto manonofy ireny andro lasa…
Niarahana nidola,
Nitosy, nikotaba, nihira sy nikasa,
Niventy angolangola.
Ny lanitra fahiny toa manga aok’izany !
Dia rivotra madio…
Niritsoka, nitondra angano sy vinany,
…Nidify toa tadio !
Ianao ilay fitiavana, ianao ilay mazava,
Nitsilo ny haizim-pitoko,
Oh ! Volana baliaka, masoandro nampisava
Ny alina mikitroko.
Injao miraondraona ao anatiko ao
Ilay ako fahatsiarovana !
Kanefa tsy eo anilako fa lavitr’any ianao,
Ny foko anie torovana !
Dia nofinofy sisa ireny andro lasa,
Mangina ny ety !
Ianao tsy eo akory, ny foko toa maratra,
Tomany irery akia !
…Fa manina anao !
DadaRabe
Saint Pierre et Miquelon
30/01/08 10 :18
aie aie aie, aza mitomany irery moa e ! Tsiky dia ampy hoy i sefo an !
Nampidirin'i ikalamako 30 Jan 2008, 20:38tsy hoe aza mitomany ... fa aza mampitomany moa ry DadaRabe a ! hi hi hi.
Tsara be, tena tsara fa mankasitraka hatrany mizara e.
Nampidirin'i pissoa 30 Jan 2008, 20:43Ikalamako> Tsyiky dia ampya an ! :-)
Pissoa>
Nampidirin'i DadaRabe 30 Jan 2008, 21:28Aza tomany raha raha nindaosin'ny onja
Ilay fanantenana ka nidify dia tsy hita
Bodo
.
Nampidirin'i Tokinao 30 Jan 2008, 21:55Mankasitraka tokoa dadarabe a! mahafinaritra ilay izy.
( nosoratako tao anatin'ilay hoe "votoatiny" ny hafatro tetsy ambony dia lasa tsy hita kay )
Nampidirin'i Tokinao 30 Jan 2008, 21:57Tokinao> Nisy soratra ihany io fa "teboka" :-)
Indraindray anie "teboka" iray fotsiny dia mahalasa zavatra maro é!
Misaotra é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 31 Jan 2008, 00:28Azo atao hoe tohiny sa mialoha angamba ity soratsooatro ity...
------------
IANAO FOANA
Efa nofehezina ny eritreritra tsy ho any,
Niezaka ny hanadino;
Ary dia namehy tena tsy hisaina na hanontany
Hoe nahoana ny foko no mbola mino;
Saingy ny anaranao
Sendra henoko niserana
Dia ampy nampisavoara tsotra izao
Ny atifoko, tsy hay noferana…
Efa mba nisikina hery ka namadika ny pejy,
Ny amintsika? Efa vita;
Niezaka nanary dia; nivenjy teny, nikarenjy
Niova làlana, niampita…
Saingy kalo iray izay,
Hira sendra tao am-bavako,
No nampahatsiahy ahy indray
F’ianao no hany tiako ho havako!
Dia nanandrana nitia, nofolahina ny fo
Hahay hiresaka, hitafa;
Satry hiloka ny ho doria, te hanaiky an-tsitrapo
Fa misy anie fitiavana hafa;
Kanefa toa mbola ianao
No notadiaviko tao aminy,
Ny endrika sy toetranao
No nomeko azy mba hindraminy…
Nataoko avokoa izay rehetra azoko natao,
Mba ho foana ny tsiaro;
Na ny mamy na mangidy, notohofako hatrizao
Ny tsara sy ratsy koa naharo;
Saingy tsapako etoana
Fa hery very maina ny ahy,
Ianao tsy haiko hohadinoina,
Am-po, an-tsaina, am-panahy…
Ryana
Nampidirin'i Ryana 31 Jan 2008, 10:22(29/01/08)
clap clap clap Ryana !
Nampidirin'i ikalamako 31 Jan 2008, 10:29ndryyyyyy fa dia manina an'iza loatra re izy zany e
Nampidirin'i sazykely 31 Jan 2008, 13:18Ryana>Tsara ny vetsovetsonao.
Mahafinaritra. Tohizo hatrany !
sazykely> Tononkalo é!
Nampidirin'i DadaRabe 31 Jan 2008, 13:31"Ny lanitra fahiny toa manga aok’izany !
Dia rivotra madio…
Niritsoka, nitondra angano sy vinany,
…Nidify toa tadio !"
Ilay Fitiavana manainga antsika hijery ny manodidina koa an !
Dia ny tontolo iainana koa lasa niova ! Sa isika no miova ?
Tena na tsy "manina" aza dia mety mba ho tsapatsika ihany fa TENA MIOVA ny tontolo iainana e !
Indrindra moa fa ny "rivotra" lasa maloto, tsy mitondra vetso kanto intsony fa ngenongenona toa (aie ! aie ! aie! mba maimbo koa izy izany an !)
Ny mpanoratra tena mahita zava-maro mihintsy rahefa lasa izay ny "feeling" an ! Tena tsy voatery hifokafoka irony zavatra hafahafa irony foana akory an !
MAHEREZA e ! Fa Haingana ny fandehan'ny andro sy ny alina koa ianao indray no ho gaga fa "Ary toa efa handeha hanamboatra entana indray kanefa toy vao omaly no tonga !..."
Grave koa anie ny hatsiaka any aminareo ka tsy mahagaga raha lasa vinany ny sasany e !
Mankasitraka DdRb o !
O.H.
Nampidirin'i RAMANATANTARA 31 Jan 2008, 15:18Ramanatantara> Ie, mihazakazaka tokoa ny fotoana ry tsy hitahita akory....
Ny tontolo iainanatsika dia mampisy akony amin'ny fiainantsika ihany koa !
Mankasitraka é
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 31 Jan 2008, 15:36Tehaka be Ryana !!!
Nampidirin'i pissoa 31 Jan 2008, 15:52MIsaotra an'i Pissoa, henoko manako hatraty ny tehaka!
Nampidirin'i Ryana 31 Jan 2008, 15:57Ryana
HAy koa moa Ikalamako mitehaka ho ahy, azafady fa adinoko. HAy izay no mampanako azy koa!
Nampidirin'i Ryana 31 Jan 2008, 15:58Mankasitraka ê!
Manako manako
Ry Ikalamako !
Tehaka redona tsy mihato !
Doboka amponga any dilam-bato
Manako manako
Ry Ikalamako
Manao dihy soraka soa milanto
Izy ka gasy ary mpanakanto !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 31 Jan 2008, 16:33hi hi hi sa ndryiii ry tony ?
Nampidirin'i Tsikisariaka 01 Feb 2008, 09:39Mampisento ilay "manina" fa iretsy hevitra mampihomehy kely.
Fa mahafinaritra daholo raha aravona.
tsara ny zavakanto e
Nampidirin'i news2dago 01 Feb 2008, 10:41Tsikisariaka> Mandravona an ! mety kah ! misaotra anao foana.
news2dago> tsara ny zava-kanto dia tsara koa ireo ...news é!
Nampidirin'i DadaRabe 01 Feb 2008, 14:29Aza kivy na mivaona
Nampidirin'i Soanja 03 Feb 2008, 00:35Fa ianareo mbola hihaona.
Ireo hazakazaka sy tsiky fahiny
dia zary tadidy ankehitriny
Mifono hery tsy hay tohaina
Mampitoatra tsy hay zakaina
Raiso antsary ilay fifankahitana
Hitombo hatrany anie ny fiarahana
Ireo Vavaka mangina tsy re feo
Tohizo hatrany tsy ho toreo!