Adala hoy aho (Tononkalon'i Pissoa)

Nampidirin'i dadarabe | 29 Jan, 2008


Adala hoy aho ny manina,
Adala ... matihanina !
Fa na ny alina mikitroka
Na ny andro mibalika
Na ny hariva misariaka
Dia taratra, mandifotra
Ny masony jambena
Ny maitso - fotsy - mena.

Adala tsy ho sitrana,
... Sa adala manam-bintana ?
Fa ny rano mikoriana
Eny andohasaha eny,
Heveriny ho miteny !
Fa ny tena mahasondriana
Dia mpitondra hafany hono
Iry volana eny ambony.

Adala mora jemby,
... Sa adala very remby ?
F'iry tendrombohitra aza
Tiany atao ampihimamba !
Raha azony natao angamba
Efa novidiany, ho azy ;
Fa eny hono mety ho tazany
I Gasikara tanindrazany.

Adala hoy aho ny manina.

Pissoa (27 Janoary 2008)


24 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Adala hoy aho (Tononkalon'i Pissoa)"

  1. Sady ianao any an-tanin'olona any dia vao maika miavaka ilay - The malagasy - é! :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 05 Feb 2008, 22:32
  2. no she is tehe African Queen fa nareo kou de mamorona b eo lol

    Nampidirin'i sazykely 07 Feb 2008, 12:14
  3. Tena manaiky aho fa tena mitombona tsara ireo voalaza ireo ry dadaRabe a , Ny Eja ihany ity manoratra ho anao ity, aiza ho aiza ny tononkalo izao mino aho fa tsy adinonao an . mahereza e Ny Eja Nampidirin'i Ny Eja 12 Feb 2008, 16:32
  4. Manao ahoana i Ny Eja,
    MIala tsiny fa izao vao hitako fa tafiditra spam.
    Tsy adinoko ilay tononkalo fa mbola tratrana'ny asa goavana koa aho io.

    Nampidirin'i DadaRabe 13 Feb 2008, 19:40
«Mialoha   1 2