Adala hoy aho (Tononkalon'i Pissoa)
Nampidirin'i dadarabe | 29 Jan, 2008
Adala hoy aho ny manina,
Adala ... matihanina !
Fa na ny alina mikitroka
Na ny andro mibalika
Na ny hariva misariaka
Dia taratra, mandifotra
Ny masony jambena
Ny maitso - fotsy - mena.
Adala tsy ho sitrana,
... Sa adala manam-bintana ?
Fa ny rano mikoriana
Eny andohasaha eny,
Heveriny ho miteny !
Fa ny tena mahasondriana
Dia mpitondra hafany hono
Iry volana eny ambony.
Adala mora jemby,
... Sa adala very remby ?
F'iry tendrombohitra aza
Tiany atao ampihimamba !
Raha azony natao angamba
Efa novidiany, ho azy ;
Fa eny hono mety ho tazany
I Gasikara tanindrazany.
Adala hoy aho ny manina.
Pissoa (27 Janoary 2008)
milay ry pissoa a !
Nampidirin'i ikalamako 29 Jan 2008, 17:33gravy indray ilay adala matihanina fa tsy mba amateur ohatra anay, lol.
misaotra an'i pissoa!
Nampidirin'i news2dago 29 Jan 2008, 18:20adaladala manam-bitana e
Misaotra n'i Pissoa nitondra tononkalo mahafinaritra ho antsika.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Jan 2008, 20:46Misaotra ny Mpamaky e !
PS : Adala, faran'izay adala no tiana nambara tamin'ilay hoe adala matihanina.
Dia misaotra an'i DadaRabe amin'ny fifampizarana e.
Nampidirin'i pissoa 29 Jan 2008, 21:49izay indrindra manko, efa pro fa ny toa ahy ilay misary foana - hihihi - dia mbola amateur izany !!!
Nampidirin'i ikalamako 29 Jan 2008, 23:00misaotra dadarabe nizara
pissoa: ary ndry tena misy aingam-panahy an :).
Tsara fa tohizo.
Mieritreritra aho hoe ao @ilay adala matihanina ary ve za sa ao @ ilay manam-bintana? Tena ahiko ho adala nototom-bintana :(
Nampidirin'i maintikely 29 Jan 2008, 23:24HOy ilay hira iray :
Ampindramo hadalana -
Nampidirin'i DadaRabe 29 Jan 2008, 23:48Iarovako ity taniko
izay tena tiako sady mamiko
- raha toa izany ka ilaina
Io ilay tia mitafotafo ka feno manosika manome hainga hanaovana zava-dehibe (iarovany ny taniny sns...) koa hoy ny tsy azon'izany hoe "hadalana be ny an'ileroa ! ..." Sa ahoana !
Io ilay hoe "samy manana ny hitondrany ny fihetse-pony, ny hitondrany ny fiainany, ny hitondrany ny fisainany momba ny manodidina azy" e !
Dia lasa vinany aho mamaky ity tononkalo kanto dia kanto !
Misaotra ny mpanoratra (Pissoa) !
O.H.
Nampidirin'i RAMANATANTARA 30 Jan 2008, 00:11dadarabe:
Nampidirin'i sazykely 30 Jan 2008, 08:08Ampindramo fa averiko
hajaiko tsra sy hateriko
rehefa olon'afaka aho
rehefa mba tafita aho
pissoa:
iza ary no tantaraina amin'io ô
Mankasitraka ny mpamaky !
Ikalamako : tsy dia azoko ilay tenin'i Ikalamako tamin'ny voalohany dia naleoko notenenina kely aloha ilay matihanina. Izao vao azoko, hi hi.
Maintikely : ahoana izany nototoim-bitana izany ? tsisy lohasaha sy tendrombohitra angaha any ?!
Helisoa : marina dia marina ! Mankasitraka hatrany.
Sazykely : hi hi - ny adala no tantaraina retsy a !
Nampidirin'i pissoa 30 Jan 2008, 11:15Sazykely sy dadaRabe, mifampitohy angaha ireo ?! hi hi
Hadinoko : news2dago - tena manam-bintana tokoa. Fa izahay koa manam-bintana ihany mamaky ny vaovao @ alalan'ny blaoginao ka. Mankasitraka.
Nampidirin'i pissoa 30 Jan 2008, 11:17pissoa:
Nampidirin'i sazykely 30 Jan 2008, 12:35sé kou tsssss
hiran Mahaleo io ra ts ain sé fa st ain dadarabe le izy ngamba de nizesta be za nanohy azy
pissoa sy sazykely> ;-p
Ampindramo herin-tsaina
Nampidirin'i DadaRabe 30 Jan 2008, 13:17Hiaretako ity ngidy
fa mafy ady mafy adidy
manahy sy mitaintaina
Ampindramo herintsaina
Hiarovako 'ty taniko
Izay tena tiako sady mamiko
Raha toa izany ka ilaina
Fa mihabe ireo sorisory
Mampanahy mampahory
Tsy hahitana andro mirana
Na mba tanjona hifikirana
Ampindramo haditrana
Hiaretako 'ty ngidy
Fa mafy ady mafy adidy
Manahy sy mintaintaina
Fa mihamaro ireo ankaso
Manditsoka ny fo sy maso
Aoka izay ny andraso andraso
Izay tena resaka alefaso
Ampindramo fa averiko
Hajaiko tsara sady ateriko
Rehefa olona afaka aho
Rehefa mba tafita aho
Aza be ankasoparana
Na dia nahavita fianarana
Ambinina tafita ambony
Ambony rahona irony
Ampindramo hadalana
Hiarovako 'ty taniko
Izay tena tiako sady mamiko
Raha toa izany ka ilaina ...
io ilay hira iray manontolo e ho an'i pissoa sy dadarabe
Nampidirin'i sazykely 30 Jan 2008, 13:54misaotra an'i sazykely
Nampidirin'i DadaRabe 30 Jan 2008, 14:05F'iry tendrombohitra aza
Tiany atao ampihimamba !
Raha azony natao angamba
Efa novidiany, ho azy ;
Fa eny hono mety ho tazany
I Gasikara tanindrazany.
Adala hoy aho ny manina.
Notsongaiko io ry Pissoa fa mavesa-danja. Izao anefa, herin'ny hanina izany fa tsy adalana akory ! Satria... "ambanin'io rahona io mandainga izay tsy ho manina" hoy izay mpanakanto malagasy izay.
Nampidirin'i Tsikisariaka 30 Jan 2008, 14:32Mankasitraka Tsikisariaka ! Eny e, tsy tena hoe adala mendrika ny 18 akory no tiana ambara ...
Izay tsy ho manina hoy aho mandainga
Nampidirin'i pissoa 30 Jan 2008, 18:48Fa olon-tehody ka te hanainga !
sazykely : haiko io kay fa hadinoko fotsiny lol
Nampidirin'i pissoa 30 Jan 2008, 18:50Miarahaba an'i Tsikisariaka fa elaela izay.
Tsara ilay fitiavana an'i Madagasikara Pissoa à izay ilay hoe : Pissoa - The Malagasy ! ;-)
Nampidirin'i DadaRabe 30 Jan 2008, 20:17Hi hi - miezaka ny ho "The Malagasy" e ! Na amin'ny soratra na amin'ny "hetsi-po". Mankasitraka
Nampidirin'i pissoa 05 Feb 2008, 22:07