TONONKALO TENY AM-PANDEHANANA TENY (12/01/07)
Nampidirin'i dadarabe | 19 Jan, 2008Ny avy any Madagasikara mankaty St Pierre (et Miquelon) dia lavi-dalana. Niala tany Dago Alakamisy maraina aho dia voatery nijanona zoma tao Paris. Dia nandalo Montréal, dia niandry avion ora vitsivitsy tao (Montréal-Trudeau). Ny sabotsy alina vao tonga taty (hatsiaka mamirifiry). Dia lasa ny tononkalo....
IANAO EFA NIAMPITAIanao efa niampita…
Izaho mbola variana sy revo mitanisa
‘Reo androm-boninkazo,
Namelana omaly, nataoko tsy halazo !
Ianao misidina any,
Milanto nofinofy, mamorona vinany,
Maraina vaovao
Sy taratra mitsilo ilay tontolonao.
Ny rahona manjombona,
Ny saiko mihorohoro sy efa tsy mahatombona,
Matahotra ny ampitso,
Manahy fa ndrao ho difotry ny ali-maizim-pito.
Mitodika aho mijery,
Tsy tazako ny lalana fa lasa mistery,
Manjavona tsy hita…
Eto aho mingonongonona ireny omalintsika…
…Ianao efa niampita.
DadaRabe
Paris -Roissy CDG
12/01/08 8:43
MIHAZAKAZAKA
Mihazakazaka eny ny andro sy ny volana,
Mifandimbindimby koa ny mety sy ny olana,
Dia lasa lasa foana…
Roso ny fotoana…
Ny tena anie variana
Miantsampy faniriana.
Tsy hitahita akory miova ny tontolo,
Dify ireny omaly, ny andro koa misolo,
Mazàna tsy maharaka
Sy tsy afa-miala sasatra,
Mivenjivenjy hatrany !
Mitetitety tany !
Dia misy ireny vokatra mitosaka jinjaina,
Misy ireo nafoy na dia nandrerak’aina.
Ny namana nandao
Sy namana vaovao
Indreny mifanjohy…
Ny fiainana mitohy !
Izany no ety, fa zanak’olombelona !
Tsy haharitra doria fa hira indray mihelina !
Mifaly ny androany…
Tsy arahina tomany,
Manangana izay vita !
Maniry tsy mba ritra !
DadaRabe
Montréal-Trudeau
12/01/08 15:15
Lavitra tokoa ny mankaty Gasikara,
Kanefa kosa izao, efa misy vaovao tsara...
Ny Fac de Médecine, mitsinjaka daholo,
Fa hahazo Prof. vaovao ny anjerimanontolo !
:-)
Nampidirin'i lehilahytsyresy 20 Jan 2008, 07:28LhTsRs
Lavitra kanefa
ny fo anilany ihany
ka maika hiantefa
hamonjy ny ankany
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 20 Jan 2008, 16:15Misaotra e !
Samy tsara. Ilay faharoa tena tiako be.
Nampidirin'i pissoa 20 Jan 2008, 16:35nilaozanao ny akany
namonjy tendrontany
...fitadiavana izany
dia hilaozanao izany
hamonjy indray ny tany
sy ny hamamin'ny akany...
mahavita be foana, sady manantena fa rehefa lasa eny amin'ny Anjerimanontolo any andrefana ianao dia mbola hanana hirika kely hiseraserana fa tsy hanaovan'ny connexion ankasomparana :-P
(nataoko dia tononkalo efa nialina andro ilay izy fa 12-01-07 hoy ise !)
Nampidirin'i ikalamako 20 Jan 2008, 18:20Misaotra Pissoa ô. Rotsaka ny la neige eto. Fotsy daholo ny tontolo.
Misaotra amin'ny tononkalo r'Ikalamako.
Enga anie ka tsy ho sarotra ny connexion any andrefana any.
Tamin'ny diako vao tamin'ny herinandro izy ireo kah !
Tsarà daholo
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 20 Jan 2008, 19:19dadarabe: toy ny mahazatra dia tsara ny tononkalo
alavitra ny any aminareo kah.
Rehefa hiasa any mahajanga izany dia eo ambondromamy no mety hanoratra tononkalo e? lol
Nampidirin'i maintikely 20 Jan 2008, 23:47Misaotra maintikely à
Ie, mandalo an'i Mahatsinjo, Manerinerina, Maevatanàna, Ambondromamy, Ambalanjanakomby, Beravina Ambodimanga, lemak'i Marovoay, Ankarafantsika, sns.
Lalana daholo izany !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 21 Jan 2008, 00:33Ianao avy any Atsimo
Handeha hianavatra
Ny fonao tsy manadino
Hamangy ireo havana
eto amin'ny serasera e!!!
ts aiko koury any nefa anastimo na avaratra an
Nampidirin'i sazykely 21 Jan 2008, 08:48Eny, HIRA INDRAY MIHELINA tokoa anie !
Mankasitraka e !
Indro atolotro jereo
http://www.lacartoonerie.com/cartoon/id_1629798641
Tokana sy Sarobidy tokoa ny aina!
Mirary soa lalandava antsika namana rehetra,
Olga HELISOA
Nampidirin'i RAMANATANTARA 21 Jan 2008, 12:07sazykely>
soa fa nisy blaogy
mitety an'izao tontolo izao
Mitondra olona tsy mialonjafy
Olga> mirary soa foana é !
Andraso ho jerena indray io lien io.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 21 Jan 2008, 13:33nandeha nitsidika io lien io za ry dadarabe de ny sarinao no itako be indrindra tany fa tsisy sariko mitsy
Nampidirin'i sazykely 22 Jan 2008, 14:50sa anao ve io site io lol
Lien inona izany ry sazykely ? ilay lien n'i Ramanatantara ve ?
Nandramako noojerena fa tsy afaka mijery an'io aho raha ato am-piasana fa mila mi-telecharger flashplayer
Site inona aloha é ?
Nampidirin'i DadaRabe 22 Jan 2008, 14:57http://www.lacartoonerie.com/cartoon/id_1629798641
Nampidirin'i sazykely 23 Jan 2008, 08:58io lien io fa aza mody fanina e
en fait c pas la peine nge oe enao mbola hijery an io fa sarinao daolo ange oa ny ao e
sad mitelmechaeger flashpaper zany kou ve de olana e
Slt,
Ilay tononkalonao farany toa hatsiarovako ilay namako vao lasana..."tsy haharitra doria, fa hira indray mihelina"...Toy ny voninkazo kely vao nitsiry dia nilofika nalazo...Ephémère
Nampidirin'i Tisky 23 Jan 2008, 12:46sazykely> Tsy afaka mi-telecharger rehefa amin'ny ordinateur ao am-piasana fa bloquer n'ny administrateur.
Ato an-trano aho dia mahita kah (-tsy misy administrateur)
Tsiky>
Toy ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona.
Tahaka ny vonin-javatra eny an-tsaha ny famoniny.
Tsofin'ny rivotra izy ka lasa....
Hoy ny soratra masina.
Courage Tsiky à
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 23 Jan 2008, 13:29kiiiiiiiii
Nampidirin'i sazykely 23 Jan 2008, 15:50njaso njay zany fa blokeko avya ty e
I PARASY VILAM-BAVA, itako tany o any io de itako tao anatin'io ny anarako le ery am farany ndrindra ery e kay za talou de ef nalaza lol
Nampidirin'i sazykely 23 Jan 2008, 15:54avereno jerena ra ts kopy ndray enao
Ka ianao anie nalaza foana ry sazykely é!
Andraso ary jereko io parasy io !
:-)
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 23 Jan 2008, 17:10Mamangy e,
resaka fahasalamana indray no nataoko KAm (Kanto,Arirarira an-tsary Mihetsika) = Cartoon ao @ LaK - koa rahefa mahavita téléchargement ianao dia mba jereo azafady ity rohy ity
http://bd-helysoa.oldiblog.com/
- momba ny RANO "Attention, LA MORT RODE !"
- momba ny ankizy ampijalian'ny sasany:
"L'ENFANT QUI NE VEUT PAS SE LAVER"
Manasa antsika namana rehetra koa hitsidika io blog io e !
Mirary soa lalandava,
Olga HELISOA
Nampidirin'i RAMANATANTARA 23 Jan 2008, 18:34Tonga soa eto amin'ny blaoginao indray ianao DadaRabe.
Tratry ny taona daholo ny mpiserasera rehetra.
Lalina dia lalina ny tononkalonao ê! Zava-niainana sa eritreritra mba niserana?
Mankasitraka hatrany!
Ryana
P.S. averina atao fahazarana indray ny manokatra ity blaoginao ity, DadaRabe. Efa saika hadino teo satria tsy hita ianao. Mankalaza ê!
Nampidirin'i Ryana 23 Jan 2008, 19:20Ryana