TRATRY NY TAONA DAHOLO (15/01/08)
Nampidirin'i dadarabe | 15 Jan, 2008Miarahaba,
Dia miarahaba antsika mianakavy tratry izao taona vaovao izao na dia tara kely aza. Ho taona ampoky ny soa ho antsika anie ity taona ity !
Izao moa vao afaka manoratra indray fa nivadibadika tany Madagasikara iray volana sy tapany izay. Nahafinaritra ny fandalovana tany ary nahafaha-nahita zava-maro. Indrindra ny fianakaviana izay tsy hita matetika.
Andro fety moa iny volana desambra iny ka dia somebiseby daholo izao tontolo izao. Teo koa ny fifidianana ben'ny tanàna (efa be no niresaka). Be ihany koa ny azo lazaina fa aleo ho zokin'ny atsy aoriana.
Ny tena nisongadina tamin'ny fiainako manokana dia ny nahavoaray ahy hampianatra ao amin'ny faculté de médecine n'i Mahajanga. Voaray "Enseignant chercheur, maître de conférences des universités" ny tenako. (Isaorako ny Avo indrindra). Ny taranja "psychiatrie d'enfants et d'adolescents" (pédopsychiatrie) no ampianariko ao.
Izay no vaovao fa dia manoratra eto ihany fa mivangongo eto ny asa.
Samia ho tahian'Andriamanitra daholo.
DadaRabe
15/01/08
Miarahaba anao nahatratra ity taona 2008 ity !
Mirary anao sy ny ankohonanao taona feno ny FIADANAN'NY MPAHARY e !
MIARAHABA amin'ny nahavoaray anao ho mpampianatra ao oniversite Mahajanga !
Ny vaovao aty dia ny bilaogy misy ireo BD nataoko rano ray - Mbola vao manomboka koa dia mandroso miadana e !
Indro ny anarany sy ny rohy makao
BD HelySoa
http://bd-helysoa.oldiblog.com/
Veloma finaritra,
Nampidirin'i RAMANATANTARA 15 Jan 2008, 22:13Olga HELISOA
tratry ny taona DadaRabenoely e!!
Nampidirin'i ikalamako 15 Jan 2008, 22:16Tonga soa o.
Avy manoratra aho vao hamaky ny etsy ambony fa faly mahita anao tonga soa.
ka tsy any Saint Pierre intsony ianao izany fa efa any Mahajanga no miblaogy ? Arahabaina !!! Mirary soa hatrany.
Nampidirin'i ikalamako 15 Jan 2008, 22:17Miarahaba Ramanatantara à
Misaotra amin'ny firarian- soa ho anao sy ny fianakavianao koa. Andraso ho jereko izany blaoginao izany ary é!
Misaotra amin'ny fiarahabana.
Ikalamako ! Miarahaba tratry nytaona é! Vao tonga eto St Pierre aho tamin'ny sabotsy fa contrat dia hitodi-doha ho any é!
Salama daholo é
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 15 Jan 2008, 23:06Miarahaba DadaRabe a ! Dia mirary soa ho anao sy ny fianankaviana ! ... dia mirary soa manokana koa hahavita araka izay tiana amin'ilay asa vaovao e.
Pissoa
Nampidirin'i pissoa 15 Jan 2008, 23:15Bônané dadarabe a!! dia mirary soa amin'izay atao e!!
Ramanantantara : tsy ratsy kosa le blaogy dessins animés an :-)
Nampidirin'i Tokinao 15 Jan 2008, 23:39Tratry ny taona dahol é
Misaotra Pissoa amin'ny fankaherezana !
Misaotra an'i Tokinao koa ! Toky tokoa moa izany !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 16 Jan 2008, 00:38tratry ny taona dadarabe.
Dia mirary soa ho anao sy ny ankohonanao @ ity taona vaovao ity :)
dia arahabaina izany fa dia nahazo asa any antanindrazana :)
Nampidirin'i Oceane 16 Jan 2008, 00:44bjr DADARABE arabaina fa tafaverina soa amantsara e! de iverina aty aminay ndray zany eano fa ts maintsy hampianatra a? za zao mantsy oatran tsapako mila an ty ndray tena resaka serieux fa amin'ny asako za tena mila an zany pedopsychiatre zany nefa aty oatran mbola ts naita za fa asa ra mba afaka maalala koukou n momba izany avy aminao de ok
Nampidirin'i sazykely 16 Jan 2008, 08:22Miarahaba sy mirary soa e !
Nampidirin'i lap 16 Jan 2008, 10:21Tratry ny taona daholo ny namana ato @ blaogy.
Nampidirin'i Tsiky 16 Jan 2008, 12:39Mirary taona feno fahasambarana ho an'ny rehetra e!
Manao ahoana indray Oceane à ! elaela izay. Mirary taona vaovao sambatra ho anao sy ny fianakavianao ihany koa. Misaotra betsaka amin'ny fiarahabana é!
Sazykely ! miarahaba anao. Mino aho fa mahafinaritra tokoa izany asanao izany. Raha ny momba ny pedopsychiatrie indray dia marina fa tsy tena mbola fantatra ao Madagasikara. Na izany na tsy izany anefa dia be ni filàna satria na iray volana sy tapany fotsiny aza no nanalovako dia be dia be mihitsy ny consultations. Indrindra moa nandray anjara tamin'ny infos-santé tao amin'ny MBS aho dia nisy antso maro. Bref....
Ho valiako ny resakao Sazykely à !
Izay aloha fa ndeha hiasa aho io !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 16 Jan 2008, 12:42Miarah ba anao ary mirary soa koa Lap à
Toy izany koa Tsiky à ! ho taona feno fahasambarana ho antsika rehetra anie ity taona ity !
DdRb
Nampidirin'i dadarabe 16 Jan 2008, 12:54de arahabaina double izany dadarabe e,
mahafinaritra izany vaovao izany, dia tena ilaina tokoa izao asanao izao any M/kara any ka dia eo ianareo sy ry sazikely izany e!
Nampidirin'i ikalakely 16 Jan 2008, 13:06Misaotra Ikalakely à
Isika rehetra no ilaina ry Ikalakely sa ahoana ?
Fa inona aloha izany nataon'ny dentiste-nao anao izany é! :-p
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 16 Jan 2008, 13:12Tonga soa d tratry ny taona eee :)
Nampidirin'i simp 16 Jan 2008, 18:15Tratry ny taona Simp ô !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 16 Jan 2008, 19:07Arahabaina ianao DadaRabe fa tafaverina soa aman-tsara eto indray.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 16 Jan 2008, 21:29Sady toa be vaovao tsara mihitsy hono tany Dago raha ny fahitako an'ireny nomination (agregation) de nouveaux Professeurs ireny. Sa ahoana ?
Miarahaba Lehilahytsyresy à
ie, bebe vaovao tao amin'ny fac de médecine kah!
Misy namana iray promotion tamintsika tao.
Aty amiko daholo ny liste n'ny nahazo agrégation sy ny liste n'ireo maîtres de conférences.
Ny vaovao hafa dia maro koa fa efa henontsika daholo ihany angamba.
Tsarà é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 16 Jan 2008, 22:10Dia tsy hijanona any st pierre intsony izany sa..?? dia rahoviana no hanomboka ny hampianatra? ary mba asio sary indray ary ao ho jerena e.
Nampidirin'i Lalaina 17 Jan 2008, 02:33