VELOMA VETIVETY (28/11/07)
Nampidirin'i dadarabe | 28 Nov, 2007Miarahaba,
Efa hadivadiva hifarana ity ny taona 2007. Ho avy ny krismasy, ny taom-baovao.
Mametraka veloma vetivety amintsika namana mpisera tsy an-kanavaka eto amin'ny blaogy.com.
Tsy afaka misera aho ato ho ato fa hivadika kely any Madagasikara.
Tsy hanao lavaresaka aho fa dia mirary krismasy sy taom-baovao sambatra ho antsika rehetra. Amin'ny volana janoary indray mifankahita é!
Samia ho tahian'Andriamanitra !
DadaRabe
Mirary fety mahafinaritra ary ooo !
Dia hitondrao tononkalo bonane zahay refa miverina :-P
Nampidirin'i pissoa 28 Nov 2007, 21:34ouin ouin ouin
Nampidirin'i ikalamako 28 Nov 2007, 22:34dia manaova fety sambatra "bien au chaud" re ry DadaRabe. Mampamangy ny fianakaviana dia mandra-pihaona amin'ny herintaona indray izany.
Ity moa izany no tonga amin'ny hoe "ilaozako ny aty"...
Tsy hadino ilay akanjo menamena hanaovanao DadaRabenoely an !
Bonnes fetes e !
Misaotra é!
Rahampitso mbola eto ihany.
Tsy adino ko Pissoa à
Voatery hividy akanjo menamena aho izany ry Ikalamako dia hikarama haka sary amin'ny ankizy etsy Antaninarenina.
Tsarà é!
Nampidirin'i DadaRabe 29 Nov 2007, 00:46DadaRabe o,
Mampamangy amin'i dada sy neny any an! Mahatsiaro ihany hoe na dia lavitra aza. Tahak'izay any amin'ny maman'ilay namantsika lasa any ankoatra. Mivavaka lalandava ho azy ireo.
Nampidirin'i soanja 29 Nov 2007, 03:48Soanja tsy manadino.
Soava dia DdRb a ! dia aza hadinoina ilay akanjo menamena fa efa nilazako ny ankizy fa ho avy Dadarabenoely "importé".
Dia nilaozanao ny any
Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Nov 2007, 09:44Dia tongava soa aty !
MIrary fety sambatra ho an'ny Tompon'ny Blaogy sy ho an'ny mpiserasear rehetra eto. Ho tahian'Andriamanitra!
Nampidirin'i Ryana 29 Nov 2007, 11:43Ryana
Ie, ampitaiko ny hafatrao ry Soanja. Fa hono ho'aho namantsika iza izany maty mama izany fa tsy fantatro ?
ho lasa dadarabenoely izany koh !
MIrary fety sambatra Ryana ô ! Ho antsika rehetra koa.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Nov 2007, 12:22Misaotra Ryana a ! ho an'ny rehetra ny firarian-tsoa hanao fety sambatra izay anteriko ihany koe e !
Ehhhh, ho banga anao ny serasera DdRb, soa ihany fa miroso mankaty ny zotran'ilay Dadarabenoely dia mba afaka mampifaly ny ankizinay aty an ! tongava soa hoy aho foana e !
Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Nov 2007, 12:51Dadarabenoely ha ! ha ! ha!
Tsy haiko fa nisy mpiara miasa raiko izay hoe "Benoely" no anarany. Toa izy no hitako maso amin'ilay hoe "dadarabenoely".
Tantara fahiny izany rey olona.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Nov 2007, 12:55ka nahazo mpandova izy zany ko ! dia ho tantaranao ankehitrio sy ho tantara fahiny rahatrizay.
Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Nov 2007, 13:14Tonga lavitra be ilay tantara raha izany. Izahonihevitra ahoe "tantara indray krismasy".
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Nov 2007, 14:14maninona moa izany ? ka izay mandalo eto amin'ity tany ity anie dia manana tantara avokoa e ! inoako fa izay anao hahaliana sy hahafinaritra izay taranaka any aoriana be any... indray andro hono, nisy DdRb......
Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Nov 2007, 15:52:-)
Nampidirin'i DadaRabe 29 Nov 2007, 17:25Azafady DadaRabe fa i Fils le namana resahiko ary mampamangy any amin'i Francoise sy ny rehetra any an. Diso ny famoahako le hevitra. Misaotra indrindra.
Nampidirin'i soanja 29 Nov 2007, 19:04Soanja ! Noheveriko hoe ny maman'i namantsika no any ankoatra. Tena efa lasa saina be mihitsy aho.
ie, ampitaiko tsara ny hafatra.
Izay Soanja à!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Nov 2007, 19:11saika tara aho izany, asa raha mbola ho tratra ianao ry dadarabe fa dia mirary krisimasy sambatra, dia manaova fety sambatra , aza hadino ny voan-dalana e
Nampidirin'i Malala 29 Nov 2007, 20:52tsara mandroso tsara miverina
Soava dia Zokilahy dia mirary fety sambatra ihany koa ny aty e!
Nampidirin'i tsiky 29 Nov 2007, 21:34Tsara mandroso tsara miverina dia mampamangy any Madagasikara any e!!
Misaotra betsaka malala sy Tsiky à!
Dia mirary fety sambatra ho anareo ihany koa.
Tsy ho ela é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Nov 2007, 21:51ary dadarabe izany anie lavatongotra matetika mihitsy e, tsy vao haingana ilay nandeha Dago teo ? za mba ataovy any anaty valizy fa efa ela tsy nahita ny mamanay
Nampidirin'i lalaina 30 Nov 2007, 00:24Tsy lavangotra aho ry Lalaina fa tsy maintsy mamita adidy !
Ndao ary é! :-)
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 30 Nov 2007, 02:12