NOELY MAHANTRA
Nampidirin'i dadarabe | 27 Nov, 2007
Efa akaikikaiky ny volana desambra ary efa manangasanga any ho any ny fetin'ny noely.
Mahatsiaro ireo ankizy. Misy ny manana ary mahazo kilalao. Misy kosa ireo tsy mahazo noho ny tsy fananana. Mahatsiaro azy ireo.
DdRb
NOELY MAHANTRAAiza ianao ry neny tiako!
Maro be ireo faniriako
Amin’izao noely izao,
Manantena kilalao.
He! ny ankizy marobe,
Falifaly mihomehy,
Miramirana avokoa,
Fa nahazo zava-tsoa.
Nef’izaho ho’aho ry neny!
Tsy nomena toy ireny,
Ary rehefa manontany
Dia hihodinanao hatrany.
Fa ilay dadabenoely
Tsy mba hitako ry neny,
Fa ireo zaza hafa foana
No hizarany, fa nahoana ?
Nefa anie krismasy
Hono… tsy mba mialonjafy,
Nefa ‘izaho hadino hatrany,
Izaho ry neny hitomany!
DadaRabe
Baille
21/12/00 23 :11

...vola fitopolo sisa teny an-tànany
Nampidirin'i ikalamako 28 Nov 2007, 10:38ambin'ny davansy tamin'ny karamany...
(Rado)
indrisy ry Ikalamako !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 28 Nov 2007, 12:45Mahaontsa izato izy !
Fantatro izy io ry DdRbnoely, omeko anao ny adiresiny dia aza hadinoina ny mandalo any aminy, ankoatra ilay kilalao ho entinao dia ity ny mosoara faohy ny ranomasony. Azonao izany ?
Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Des 2007, 16:33Dia misaotra indrindra e !
oatran tiko be io tonokalo io
Nampidirin'i zandrikely 13 Des 2007, 10:57ts aiko ngamba n noeliko kou zao oatran io