VAZAHA BOBO

Nampidirin'i dadarabe | 22 Nov, 2007


Tao Betongolo
Indray hariva izay,
Nisy vazaha bobo…
Nampivanaka ahy.

Tsy izy bobo akory,
No tena hafakely,
Fa ny olona nivory,
Nazoto be nijery.

Fa inona ary izao ?
No dia manaitr’ery !
F’angaha io kilalao ?
No hitangoronan-dry ?

Dia nanontany aho
Fa ts’hitako ny marina,
Mba inon’izy izao ?
Moa azo mba fantarina ?

Dray ! dray ! haf’ity !
Tena zendan’aho !
Hatram’izaho tety…
Vaovao ‘ty ka vaovao !

Tsy izy bobo kay !
No nahalasa saina…
Fa loz’ity ry lahy !
…Tsy sahiko lazaina !!!

DadaRabe
Marseille
19/07/02 23 :32


42 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "VAZAHA BOBO"

  1. Dia mihodina manaraka an'iny koa ny zava-drehetra... hatramin'ny resaka ato amin'ny vazaha bobo.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Des 2007, 16:35
  2. niandry ihany aho hoe inona ry izy zany
    impatiente be kay enao ts niteny hihihi

    Nampidirin'i zandrikely 13 Des 2007, 11:26
«Mialoha   1 2 3