VAZAHA BOBO
Nampidirin'i dadarabe | 22 Nov, 2007
Tao Betongolo
Indray hariva izay,
Nisy vazaha bobo…
Nampivanaka ahy.
Tsy izy bobo akory,
No tena hafakely,
Fa ny olona nivory,
Nazoto be nijery.
Fa inona ary izao ?
No dia manaitr’ery !
F’angaha io kilalao ?
No hitangoronan-dry ?
Dia nanontany aho
Fa ts’hitako ny marina,
Mba inon’izy izao ?
Moa azo mba fantarina ?
Dray ! dray ! haf’ity !
Tena zendan’aho !
Hatram’izaho tety…
Vaovao ‘ty ka vaovao !
Tsy izy bobo kay !
No nahalasa saina…
Fa loz’ity ry lahy !
…Tsy sahiko lazaina !!!
DadaRabe
Marseille
19/07/02 23 :32
tapitra indray ity ny herinandro iray fa dia antenaiko fa samy nandeha nizotra miadana daholo ny tsirairay fa dia mirary faran'ny herinandro ho antsika tsirairay avy ny tenako e,
Nampidirin'i Malala 24 Nov 2007, 08:10mihomehy irery ny tenako eto fa marina mihitsy ny lazain'i Pone fa tena tsy mifankahazo ilay resaka, ary zaho no namaky vilana fa dia nandeha ho azy ilay tanana e:-)
autant pour moi!
Izaho indray izany no tsy nahazo satria izaho nahita hoe misy "liens" tsara ireo resaka.
:-(
Bon WE é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 24 Nov 2007, 13:50Ndao ary e !
Aoka aloha hivavaka !..........Amen! Mba mikipy kosa e !!!!!
Inty ary ilay fanomezana DdRb a! (Vinany be na ny fonony aza fa raiso @ fo e !)
Dadarabe tena maminay
aza hilaozanao re
fa very eto izahay
ka ho fay....
Dadarabe, hainao ve
fa olon'ny fo
sady misaina be
fantaro izy re...
Ny fifanakalozana ela
narahin-tsikera,
tsy nampihamotra azy
tena tsy vazivazy
Ny firariantsoa ekeny
izay averina ombieny
dia ny mba ho tafita soa
izay haviny ao an-doha.
Tonony : Bija
Nampidirin'i Pone 24 Nov 2007, 17:38Feony : :) Kalamako :)
Mpanolotra : Pone
Tena misaotra betsaka re ry Pone fa dia mahafinaritra tokoa à!
aza manahy fa voatahiry eto amin'ny blaogy sy any anaty fo é!
Dia nikimpy tokoa anie aho é! Amen !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 24 Nov 2007, 17:58izaho aza efa niteny hoe afa-po ka mbola tsy hitako ihany... Misy miala ao e !
Nampidirin'i Tsikisariaka 24 Nov 2007, 19:03Miarahaba ry Tsikisariaka à!
Elaela tsy hita.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 24 Nov 2007, 23:29Manaona ô,
Nisy mpamaky nampiditra an'ny DadaRabe (http://dadarabe.blaogy.com) tao amin'ny BOMBS. http://www.bestofmalagasyblogs.com
Azo vakina eto ny momba momba an'io fifaninanana io.
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m474478d413f52
Ary manasa anareo rehetra hanome zay blaogy hitanareo fa tsara indrindra . Io BOMBS io moa dia atao hampahafantarana ny Blaogy Malagasy efa maro be ary mifarana amin'ny 31 desambra 2007.
Aza adino ary mametraka BOMBA B!
Bizzzzz
Nampidirin'i Joan 25 Nov 2007, 10:34Misaotra amin'ny filazana.
Andraso fa ho jereko io rohy io !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 25 Nov 2007, 16:31Manahoana daholo. Tena ela tsy hita tokoa fa mba nikaro-java-tsoa teny ho eny e !
Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Nov 2007, 17:08Nalahelo fa izao efa tafaverina dia ndao indray àry ... !
Ka inona ary no vaovao any Tsikisariaka ô ?
NY eto tonga ny ririnina. Rotsaka ny ranomandry
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 25 Nov 2007, 17:48Kay ? andraso fa andefasako sombin-kafanan'ny tanindrazana ianao DdRb ! izay izao no malaza eto Dago e ! dia raha sitrakao atakalozy ranomandry fa ireny koa tsy fahita aty "aminay" ! Inty sy nday an !
Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Nov 2007, 07:45Miandry ary aho !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 26 Nov 2007, 13:07Efa nalefako aninkeo tamin'ny tsy very mandeha sy iandrasam-panamarinam-pandraisana an ! miandry aho.
Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Nov 2007, 16:11Dia aza variana fa mba zarao amin'ny rehetra dia kely mafonja ihany tazonina ho anao.
Ok ! izaho angaha mba mitazona izany. Mizara no tena manavanana ahy.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 26 Nov 2007, 16:44hita ho'aho,
efa haiko tsara !
fa raha ianao
dia mahay mizara.
fa mihodina ny resaka an ! aiza ve "vazaha bobo" tetsy Betontongolo" no niandohàny ka tonga aty amin'ny elanelan-tany sy ny toetrandro samihafa. blaogy sa glaoby ilay izy moa ?
Nampidirin'i Tsikisariaka 27 Nov 2007, 07:50ha ! ha ! ha !
Nampidirin'i DadaRabe 27 Nov 2007, 12:53Glaobin'i DadaRabe
hita hoy aho ! tena mihodina ilay koah ! ha ha ha
Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Nov 2007, 12:59Kodiaran-tsarety é! mihodinkodina eo.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Nov 2007, 14:15hoy ny leson'ilay zanako : "la terre est ronde comme une boule, elle tourne sur elle-même"
Nampidirin'i Tsikisariaka 30 Nov 2007, 13:36Marina ny azy !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 01 Des 2007, 00:05