VAZAHA BOBO
Nampidirin'i dadarabe | 22 Nov, 2007
Tao Betongolo
Indray hariva izay,
Nisy vazaha bobo…
Nampivanaka ahy.
Tsy izy bobo akory,
No tena hafakely,
Fa ny olona nivory,
Nazoto be nijery.
Fa inona ary izao ?
No dia manaitr’ery !
F’angaha io kilalao ?
No hitangoronan-dry ?
Dia nanontany aho
Fa ts’hitako ny marina,
Mba inon’izy izao ?
Moa azo mba fantarina ?
Dray ! dray ! haf’ity !
Tena zendan’aho !
Hatram’izaho tety…
Vaovao ‘ty ka vaovao !
Tsy izy bobo kay !
No nahalasa saina…
Fa loz’ity ry lahy !
…Tsy sahiko lazaina !!!
DadaRabe
Marseille
19/07/02 23 :32
Ny marina rehetra ve ?
Tsy voatery ho fantarina daholo !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 22 Nov 2007, 01:09Mba hafakely indray ilay votoaton'ny tonon-kalonao tamin'ity indray mitoraka ity.
Nampidirin'i Su 22 Nov 2007, 08:53votoatiny no tiako lazaina fa tsy votoatony.
Nampidirin'i Su 22 Nov 2007, 08:54Marina izany ! Saika hanontany aho.. f'aleo hajaina fotsiny ny hoé ... ny marina rehetra tsy fitantanra avokoa... satria afaka mandinika izay voalaza ianao dia mety hahavaly ny fanontanianao ihany.
Nampidirin'i Pone 22 Nov 2007, 12:34Mazàna anefa raha zavatra eritreretinao ho tsotra indrindra toa sarotra ho an'ny hafa. Ny fahaizana maminavinana an'izay no sarotra eo amin'ny fifanakalozana, miampy ny fahafantaranao tsara izay miresaka aminao, avy eo fantatrao eny ihany ny azo ambara sy ny tsy azo.
Avadikaim-pito ny lela hoy isika gasy.
Eny main'ny fiainana eny dia maro tokoa ny tsy fambara, ny tsy fihaino, ny tsy fahita....
Asa anefa !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 22 Nov 2007, 13:18Aoka re ry Ikalamako !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 22 Nov 2007, 16:48faly miarahaba ny rehetra indray ny tenako, eto ihany fa tsy mandeha lavitra akory, eo amin'ilay fanontaniana napetrakao anie ry DdRb no mety tsy nety ny nametrahanao azy zay tsy nazahoanao ny valiny, zahay anefa mba liana te hafantatra, mahafinaritra e
Nampidirin'i Malala 22 Nov 2007, 16:58Hi hi hi, inona ary izy izany ry DadaRabe ! Efa lava sahady ny lisitry ny mety ho valiny ao an-tsaina amin'ny fandrindranao azy marina !
Mazotoa hatrany !!!
Nampidirin'i pissoa 22 Nov 2007, 17:33Pissoa !
Misy miteny aminao hoe:
- Ilay mahia miankin-drindrina.
- Sahafa
- Inona ary izany ?
Inona ary ny valiny ?
"ankamantatra" ;-p
Nampidirin'i DadaRabe 22 Nov 2007, 17:40Hay ve tao i Malala é! elaela izany !
Ilay izy anie "manontany tena" ry malala é ! (fa inona ary izao.... ?)
Nampidirin'i DadaRabe 22 Nov 2007, 17:43afa-po hoy aho malain-kikaroka fa aza miteniteny indray sao tsy filaza imasom-bahoaka
Nampidirin'i Tsikisariaka 22 Nov 2007, 21:19Ahoana izany ry Tsikisariaka ?
:-)
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 22 Nov 2007, 21:40valin'ny ankamatatra napetrakao raha tsy diso aho dia toa kofafa izy io
Nampidirin'i Malala 23 Nov 2007, 09:20inona ary zany ô tohiny
miaramila zato anaty vata-paty?
handao tokoa isika hilalao e
mazoto daholo e
Afokasoka angamba izany ry Malala ô ! :-)
andraso aloha aho hitady hafa
Nampidirin'i DadaRabe 23 Nov 2007, 13:07dia ny tohin'io ry malala hoe : "izay iray mivoaka maty" (ilay miaramla anaty vata an)
Nampidirin'i ikalamako 23 Nov 2007, 13:16manoa ahoana daholo ê! elaela tsy teto fa entin'ny fitadiavana dia tsy maintsy nandeha tany ho any.
Nampidirin'i Ryana 23 Nov 2007, 15:56Hafa kely tokoa aloha ity tononkalonao ity ry DrRb, marina moa. Ny raharaha dia toa tsy hita be ny ihany ny haminavinàna ny farany... sa misy tohiny izy io?
Ryana
Miarahaba an'i Ryana !
Io ilay tononkalo fa tsy misy "bis" kah ! :-)
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 23 Nov 2007, 15:59Tsy mifankahazo izany resak'izany : Avadio ho "toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety arenina ary e !" Misy mahatadidy an'izany ve ????!!!! Misy inspiraka io DdRb a !
Nampidirin'i Pone 23 Nov 2007, 20:12Ento ary Pone à !
Nampidirin'i DadaRabe 23 Nov 2007, 22:20