FONY IANAO...
Nampidirin'i dadarabe | 16 Nov, 2007Fony ianao nisambatra tam’ tsikitsikiko...
Sy ireny teny mora, s’ireny bitsibitsiko,
Dia nahafaly anao ny kely mba fisainako...
S’ireny angano tsotra namefy ny fiainako.
Fony ianao finaritra tamin’ny fisiako,
Satria hoy ianao : “izay no faniriako !”
Dia nankafizinao ny ora izay nandalo,
Nandrotsirotsy anao ireny tononkalo.
Fony ianao nahaonona tamin’ny fitiavako...
Sy ny fanantenana niritsoka tam-bavako,
Izay nomeko anao nitombo ts’hita isa,
Fa tranobongo kely nanjary paradisa.
Fony ianao nifaly nilaza fa hoe tia,
Nikalo sy niloka ny ampitso sy doria...
Dia sambatra ny fiainako, finaritra ombieny,
Kanefa indrisy indrisy....Omaly akia ireny !
DadaRabe
La Charité sur Loire
17/04/06 01:10
izany hoe has been izany ilay tantara sa?
Nampidirin'i tsiky 16 Nov 2007, 17:37Ary mba lasa aiza Ryana sy Ikalamako zay e?
Tantara re zany ! Tsotsotra aminao mihitsy ity manoratra. Talenta iray ihany io fa tsapako fa manana talenta hafa koa ianao !
Nampidirin'i Pone 16 Nov 2007, 18:08Ie, tantaran'ny "omaly"
Dia tsy hitako ry zareo tao ho ao !
Misaotra Pone ô ! fa inona aloha ilay talenta hafa tsapanao ? MIandry valiny aho ! :-)
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 16 Nov 2007, 18:20Kay ao ambadika ao Ikalamako fa ho an'ny andriambavilanitra ihany hono nyresany é!
blaogy.com jerena
Nampidirin'i DadaRabe 16 Nov 2007, 18:22DadaRabe : indrisy indrisy indrisy !
hafa ny omaly sy ny androany !
tsiky : i DadaRabe amin'izany efa ni-trisy, tsss. Eto ihany r'ise fa mbola nitady ny hatokona a ; sady omaly aza nindrana "efitranon'olona" ka nisangojy tao aby, hihihi. Ny efitranon'i DadaRabe hono matahotra (s)pams dia tsy nahazo niditra izahay :-P
Tsaratsarà daholo indray ny faran'ny herinandro e.
Nampidirin'i ikalamako 16 Nov 2007, 19:41ie, izahay tsy navelan'ikalamako niditra tany an-tranony dia nangalatra niditra ihany. Soa fa tsy hitany ! ;-p
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 16 Nov 2007, 19:43Ikalamako, kay tao ihany isekely, za ozy za hoe ndry hangina rery eto zany....lol
Bon week end koa retsy e! Dia mba ampazahoy tiramisu any za e..miam
Pone, manan-talenta hafa mintsy io e?
Drbe, hummm avadika zany ny pejy sa ahoana ozy toi?
Nampidirin'i tsiky 16 Nov 2007, 19:59Avadika ahoana ny pejy ry Tsiky ?
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 16 Nov 2007, 20:01Bon week end daholo ry reto a!
bizz daholo
Nampidirin'i tsiky 16 Nov 2007, 20:09Ah tsy hitako ny hafatr'ise farany...Ka efa hoe "Fony taloha " le izy, dia mba tokony manoratra tononkalo vaovao ise hoe, tsy "fony" tsony fa efa navadiko ny pejy!
hihihi, ary aleo aho rehefa manoratra eto mba tena haka fotoana tsara fa tsy miresaka en mono-syllabes lol
Zay fa mandra-pitafa e!
Nampidirin'i tsiky 16 Nov 2007, 20:14Ok dia bon WE ary é!
Misaotra fa izaho koa no tsy nahazo resaka !
Tsarà é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 16 Nov 2007, 20:40oups, nandany andro teto toa an'i mampi2003 aho dia nahita fa hay ve nisy fanontaniana napetrakao tatsy an'efitrano tatsy hoe inona no nahatonga ny anarako ikalamako e ? hihihi
Nampidirin'i ikalamako 19 Nov 2007, 02:09Tsy ianao irery no manontany tena sy manontany ahy. Mieritreritra aho hoe andraso hanaovako èdition manokana ny fanazavana izany fa vitsy dia vitsy no mahay azy, nefa dia nahabotrabotra anie izy io e.
Coming soon zany e !
Dia miandry ny valiny ary an !
MIandry ilay "édition spéciale" :-)
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 19 Nov 2007, 12:30:-) Mba lazao anay amin' ny édition spéciale tokoa ny dikan' io anaranao io ry ikalamako an ! ...hi hi hi...
Nampidirin'i lehilahytsyresy 20 Nov 2007, 18:20Ny eto aminay aloha izany hoe "Mako" (Mako Akishinomiya-Sama) dia anaran'ny Princesse anakiray ao amin' ny famille impériale.
Volana maromaro lasa moa izay izy io no nitsidika an' i Madagasikara niaraka tamin' ny Prince Akishinomiya rainy.
[ Miala tsiny amin' i DadaRabe marina fa lasa resaka momba an' i kalamako indray ny resako :-)
Ka ahoana Lehilahytsyresy à
Elaela izay. Izaho nanontany tena hoe nankaiza i lehilahytsiresy no tsy hitahita.
Hay va re ka princesse ilay "Mako" any Japana.
Miandry an'Ikalamako !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 20 Nov 2007, 18:33dia efa antony iray azo apetraka io izany : princesse des mako hahahahahaha.
Nampidirin'i ikalamako 20 Nov 2007, 18:43Ho avy tsy ela ry lehilahytsyresy o !
Eisy é ry Ikalamako ! ha ! ha ! ha ! toran'ny hehy foana aho aminao !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 20 Nov 2007, 19:23moramora ange ry DadaRabe fa izaho ange tsy nianatra chirurgie ka raha tapaka ao ny tsinainao, hatao akory ?
Nampidirin'i ikalamako 20 Nov 2007, 22:51Tsy hiteny intsony aho fa toa hihomehezanao foana koh !
Sady na mahay chirurgie aza ianao anie lavitra ihany vao tonga aty raha tapaka eo tokoa é! ;-p
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 21 Nov 2007, 01:18Dia tinapaka ny (...tsinay...) amin' ny andro ririnina an !
Any amintsika any Dago anie ka zavatra hafa no tapahina @ ririnina e
[...Vazivazy ihany io an...]
Nampidirin'i lehilahytsyresy 21 Nov 2007, 08:16