MANJA BE NY MASONAO (Valin-tononkalon'i Tiana Valisoa @ tononkalon'i DadaRabe NY MASONAO)

Nampidirin'i dadarabe | 13 Nov, 2007


Manja be ny "masonao", maha-te hihirahira
Tononkalo feno hery
Manja be ny "masonao", sady mamy no masira
Manamaivana ny fery.

Rakotr'ando izao ny masoko, vontovonton'ny tomany
Nofefena tsy hijery
Ankehitrio anefa liana, te-hahafantatra izany
Olon-tiana, tsy irery.

Tiana Valisoa
Jolay 2007



NY MASONAO...

Ny masonao no hitarafako
Ny ampitsoko tsy fantatro,
Ary ireo no hibanjinako ny lalana hombako,
Sy ny savorovorom-piainana tsy afaka raràko,
Izy no aiko,
Ka lazaiko.

Ny masonao no masoandro,
Manazava ny atoandro,
Sy ny alina mangina izay mibaby nofy mamy,
Sy ny fiainako sondriana ary manantena hatrany,
Satry foana!
Ho eo an-taona !

Ny masonao no hitsiloako
Ny haizim-pito tato am-poko,
Ka nanjary fifaliana no nameno ny tontolo,
Safononoka sy mihira antsa mirana daholo,
Voninkazo,
Tsy halazo.

Ny masonao no hany mamy,
Ka na ho maizina ny androany,
Dia hinoako sy antenaiko fa ho rahona mandalo,
Toy ny sery izay manembana ny vazo sy ny kalo,
Manavao...
Ny masonao !

DadaRabe
Aix-en-Provence
12/12/02  20 :23


23 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "MANJA BE NY MASONAO (Valin-tononkalon'i Tiana Valisoa @ tononkalon'i DadaRabe NY MASONAO)"

  1. Mahafinaritra be daholo Izaho indray no velom-bolo Afa-po sy afa-diana Tototry hafaliana Fa kanto loatra ireto izy Tohizo hatrany re rankizy Nampidirin'i Tsikisariaka 27 Nov 2007, 14:46
  2. Mahafinaritra be daholo
    Izaho indray no velom-bolo
    Afa-po sy afa-diana
    Tototry hafaliana
    Fa kanto loatra ireto izy
    Tohizo hatrany re rankizy

    Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Nov 2007, 12:57
  3. Tafiditra ihany !

    Kanto !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 29 Nov 2007, 14:16
«Mialoha   1 2