MANJA BE NY MASONAO (Valin-tononkalon'i Tiana Valisoa @ tononkalon'i DadaRabe NY MASONAO)
Nampidirin'i dadarabe | 13 Nov, 2007
Manja be ny "masonao", maha-te hihirahira
Tononkalo feno hery
Manja be ny "masonao", sady mamy no masira
Manamaivana ny fery.
Rakotr'ando izao ny masoko, vontovonton'ny tomany
Nofefena tsy hijery
Ankehitrio anefa liana, te-hahafantatra izany
Olon-tiana, tsy irery.
Tiana Valisoa
Jolay 2007
NY MASONAO...
Ny masonao no hitarafako
Ny ampitsoko tsy fantatro,
Ary ireo no hibanjinako ny lalana hombako,
Sy ny savorovorom-piainana tsy afaka raràko,
Izy no aiko,
Ka lazaiko.
Ny masonao no masoandro,
Manazava ny atoandro,
Sy ny alina mangina izay mibaby nofy mamy,
Sy ny fiainako sondriana ary manantena hatrany,
Satry foana!
Ho eo an-taona !
Ny masonao no hitsiloako
Ny haizim-pito tato am-poko,
Ka nanjary fifaliana no nameno ny tontolo,
Safononoka sy mihira antsa mirana daholo,
Voninkazo,
Tsy halazo.
Ny masonao no hany mamy,
Ka na ho maizina ny androany,
Dia hinoako sy antenaiko fa ho rahona mandalo,
Toy ny sery izay manembana ny vazo sy ny kalo,
Manavao...
Ny masonao !
DadaRabe
Aix-en-Provence
12/12/02 20 :23
Misaotra an'i Tiana Valisoa amin'ny tononkalo mahafinaritra.
Miandry teny avy any aminao.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 13 Nov 2007, 22:43ary ahoana izahay kati-maso :-P
Nampidirin'i ikalamako 13 Nov 2007, 22:59tsy mba hisy hanao tononkalo izany fa efa maso tavoahangy k'ity!
clap clap clap ho an'ny poety rehetra!!!
Ikalamako : raha mety mi-consoler an'i Ikalamako dia hatraty io kati-maso e, hi hi hi.
Manja be ilay tononkalo !!!
Nampidirin'i pissoa 13 Nov 2007, 23:04Mahery ianareo ê! Mahavalalanina ny mamaky ny sasiny sy ny setriny... tsara ny teny malagasy.
DdRb, ary ahoana ihany no nihafaran'ny resaka hoe asiana lohahevitra momba ny "sakafo ara-pahasalamana"? sa moa efa misy fa izaho no tsy mahita?
Tsarà !
Nampidirin'i Ryana 13 Nov 2007, 23:56Ryana
O ry Ikalamako ô ! Ny hakanton'ny maso anie ka fijery tena subjectif é! Rehefa hitanao hoe tsara iny na iza na iza, na mifoha aza i papa joany paolyII, ka hilaza mianao hoe ratsy...Manga ny lanitra, mena valala, izay tiana malala. Sa ahoana ?
Oadray ry Pissoa ! sahala amin'ny hoe tsy hitako ny masonao. Tsara é!
Ryana ! Tonga dia alefaso aty amiko ilay recette-nao dia ampidiriko amin'ny Rubrique vaovao.
Recette n'i Ryana :-)
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 14 Nov 2007, 13:07Ny masoanao mijery ahy
No hahalako ialy fitia
Ankoatra ny nofinofy...
Ankoatra ny eritreritreritra
Mazotoa daholo
Nampidirin'i tsiky 14 Nov 2007, 17:14Tsiky >> Ntsôôooo !
VERY TANY ANKOATRA TANY !
Ny masonao nijery ahy
No nandrehitra ny foko ho afobe mijoalajoala,
Nientanentana fanahy
Toy ny vanton-jaza iny aho, angamba tena lasa adala !
Ny feonao mandangolango,
Nampangotraka ny rako, hihazakazaka aok’izany,
Zary toy ny rapa-dango
Ny fiteliko ireo teny atosakao...mihamamy hatrany !
Ny endrikao misaridriaka
No masoandro manazava ny ao anatiko tontolo,
Toy ny vola-manjopiaka,
Ka ny fiainako rehetra toa voataratrao daholo.
“Tiako ianao�, hoy ianao,
Teo no naharendrika ahy...very tany ankoatra tany,
Asidim-pifaliana aho...
K’angamba hijanon’eny ambony, tsy hiverina eto an-tany !
DadaRabe
Nampidirin'i DadaRabe 14 Nov 2007, 18:02La Charité sur Loire
06/05/06 12:37
Tsara ê!
Indraindray koa, andrandraina sy maharendrika na dia topimaso tsy nahy aza...
HAHITA ANAO
Misy trangam-piainana
Tiana horaiketina, havadika ho teny;
Nefa tsy hay lazaina,
Vahotra ny tà nana, sarotra izy ireny!
Tsy hisy teny akory
Hilaoka, hanambara ny ao anaty fo;
Ny maso no hitory,
Hamboraka, hizara fa ... satry raha ho to!
Fotoana fohy ihany
Nefa hanamarika ny fiainako tontolo;
Handrotsy ireo vinany,
Hanadala ny saiko... ny nofiko hiova volo!
Na dia tsy fantatro aza
Ny mety hoe tianao sy ny zavatra iriana;
Ataoko ho sahaza
ny topimasonao... Na dia hoe tsy niniana.
Ryana
Nampidirin'i Ryana 14 Nov 2007, 18:30(08/09/05)
Mahafatifaty 'zato izy Ryana ô !
Ity misy hafa !
IANAO ANGAMBA…
Ny masonao angamba…
alaiko an'eritreritra,
dia habakaba-manga,
mazava, ts'isy herika.
Ny tsikinao... inoako
fa toy ny volan-tsinana,
marevaka tsy miofo,
sariaka sady mirana.
Ny endrikao...mino aho
fa tara-pahazavana,
k'izao tontolo izao
tolorany hafanana.
Ireny molotrao,
Tantely... tena mamy,
toa voninkazo vao
ka manitr'aok'izany.
Fa ny ao am-ponao ao,
tsy haiko mba fantarina,
'reo nofinofinao....
Mba satriko takarina.
DadaRabe
Nampidirin'i DadaRabe 14 Nov 2007, 19:00Marseille
12/06/01 18:58
za miala tsiny aminareo namako fa na manoratra tsindraindray aza tena tsy maty hanona @ io resaka iray io...
Tohizako ny hira miresaka maso mahalasa vetsovetso..
Maso sendra nifanopy
Nampidirin'i tsiky 14 Nov 2007, 20:07Tsiky nitsilopilopy
Taratra manify
Miteraka hazavana
Hameno hafanana
Ireo dia mpy andraisako anao..
isekely ihany no fitaratra
itarafana ny fiainana
na ny masonao
na ny tsikinao
manome fanantenana
Mahaleo
Nampidirin'i DadaRabe 14 Nov 2007, 20:58Maso miherika foana
Tsiky miantefa tsy fidy
Eritreritra sendra tsaroana
Toa votsy mampangidihidy
Erick Manana
Nampidirin'i Ryana 14 Nov 2007, 22:35DadaRabe===> "very tany ankoatra tany" : soa fa nanao mason'akoho ilay maso, nibareraka ilay feo dia nimototra ilay endrika dia mba tafaverina soa tety an-tany ianao, fa raha tsy izany angamba dia asa ! Iza angaha no saika hampihaingo ny blaogy.com-nay raha tavela nasidim-pahafaliana teny ambony teny ianao ?
Nampidirin'i ikalamako 14 Nov 2007, 23:13Ry zavavy izay o, aza dia charmer-na loatra i DadaRabe fa manjary mangina ny blaogy :-P
hahahaah
Nampidirin'i Ryana 14 Nov 2007, 23:25marina ny an'Ikalamako.
ha ha ha ! mihomehy takariva an-tanin'olona aho ity rankizy !
ie, niverina aho fa nahita anareo niresaka teto dia tsy naharitra (tadidinareo ve ny tantaran'Ikotofetsy sy Imahaka ? ilay nahandro sakafo dia ny iray lasa tany an-danitra tany ?)
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 14 Nov 2007, 23:59O ry izy miravavy a,ao ho tanana tsara @ io volombavany io aza io zoky lahy io tsy haniditsidina any alavitra any e!
Nampidirin'i tsiky 15 Nov 2007, 09:59telo tsika no maso efatra eto zany kanoa
Ahoana indray izany volom-bava izany ry Tsiky ô !
Marivo faka anie ilay volom-bava é! ndrao dia maratra ilay tompony ! Tandremo rey olona
DdRb
Nampidirin'i Dadarabe 15 Nov 2007, 13:00tsiky a, sady ilaozany mihomehy irery takariva an-tanin'olona ka sao lasa indray. Ny masontsika "efatra averina intelo" manko tsy asiany sira intsony fa tsisy raha taratra intsony ao, fa dia tady mahazaka no ilaina angamba...:-P
Nampidirin'i ikalamako 15 Nov 2007, 15:45Vitsika momba kitay hono ka harivariva an-tanin'olona ry Ikalamako.
Izay izany ilay :
Nampidirin'i DadaRabe 15 Nov 2007, 16:10Tady vita fatomaty
no mamehy antsika roa
izaho te handeha
ianao mivadika atsy
tsy mety izy fa miha-henjan-droa
(Lolo snt)
Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny
sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga
HOy Dox
Nampidirin'i DadaRabe 15 Nov 2007, 16:22