AVELAO AHO HO ZAZA FOTOANA VITSY MONJA …(Tononkalon'i Ramanatantara)
Nampidirin'i dadarabe | 13 Nov, 2007Hitomany hanala ny foko
Fa sara-dreny.
Mba hisara-nono tanteraka.
Avelao aho ho zaza !
Mba hidradradradra !
Avelao aho hikiaka
Ilay teny mamy
"Mama, mamako !".
Avelao aho ho zaza !
Mba hanimpy hiala
Ny ratra sy sento,
Ny ranomaso maina.
Avelao aho ho zaza !
Zaza vao nilaozan’i Neny aho !
RAMANATANTARA, Mantes-La-Joie, 15/09/07
Tononkalo mahaontsa tokoa nosoratan'i Ramanantantara (Olga HELISOA.
MIsaotra betsaka fa kanto.
I OPlga angamba hanampy fanazavana momba ny tononkalo.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 13 Nov 2007, 15:07hay ve i olga ihany no ramanantantara e ! Faly mahafatantatra dia misaotra nizara.
Nampidirin'i ikalamako 13 Nov 2007, 15:16ie, izy ihany no Ramanantantara.
Manantantaraina anie izy é! :-)
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 13 Nov 2007, 15:22AVELAO AHO HO ZAZA
Eo anatrehan’ny fahafatesana ny olombelona dia torotoro, samy mila midradradradra manala ny fo, mamoaka ny ratra. Ny fahafatesana tsy maha-lehilahy fa mitomany lasa zaza avokoa ny olombelona. -RAMANATANTARA, sept. 2007
Nampidirin'i Olga HELISOA 13 Nov 2007, 15:44Jereo ireto pejy 2
EKEKO SATRIA...
TSY LAVITRA AHO...
ao amin'ny tranonkala http://www.freewebs.com/ramanatantara
Teritery kely foana ny foko rehefa mamaky tononkalo tahaka izao.
Nampidirin'i tsiky 13 Nov 2007, 16:06Olga, mahereza fa any @ izay misy azy any izy dia mivavaka ho anao.
Izaho aloha tena ontsa namaky é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 13 Nov 2007, 16:11Aleo aho hangina, tsy hitomany intsony
Fa efa lasana izy - hafa indray no akaniny !
Fa kosa ho fiononako dia ho tanisaiko irony
Anatra nomeny, bedibedy, tenimaminy.
Aleo aho hangina, aleo aho "holehibe"
F'iza no hianteheran'ity zandriko kamboty ?
Raha izaho "zoky" no himaloka tarehy
Aiza izy no hiantefa, aiza no hiangoty ?
Aleo aho hangina, aleo mba ho toheriko
Izay mety ho ranomaso ! Aleo aho tsy ho rembiny.
Aleo aho mba hijoro, hangoniko ny heriko ;
Hanahaka an'i Neny fony nilaozan-dreniny.
Pissoa (23 Nov 2007)
Tsy valin'ilay tononkalo akory fa mba eritreritra sy soratsoratra tsy tana rehefa avy namaky ilay tononkalo.
Hay ve i Olga Helisoa no Ramanantantara. Faly mahafantatra o.
Nampidirin'i pissoa 13 Nov 2007, 22:00Oops, 13 fa tsy 23 Nov 2007 - hi hi hi.
Nampidirin'i pissoa 13 Nov 2007, 22:06Tena kanto sy mahaontsa daholo izy izany.
Tsara ry Pissoa sy Olga à!
Olga à ! mamela ahy hampiditra eto ambany ilay tononkalo miaraka amin'io.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 13 Nov 2007, 22:10RAHA AZOKO NATAO...
Raha azoko natao tsy niaina
Iny andro nalasanao iny
Andro hosoko natao tsy nisy
Ora nihato ka nihemotra
Dia ho nataoko kanefa, indrisy !
***
Satria mandroso ny fiainana :
Misy andro natao hiainana,
Misy andro natao halasanana,
Misy ora tsy maintsy hizorana.
Misy fotoana tsy azo difina.
***
Satria ny hary rehetra misy fetra,
"Tsy maintsy mandeha, hoy ianao,
Aza malahelo fa izaho anilanao"
- Dia tahotra ve no handresy ?
- Tsia, matory ianao fa tsy resy.
Mama, ato am-poko ianao,
Miaina ao aminay zanakao !
Koa matoria am-piadanana !
RAMANATANTARA, Massy, 07/11/07
Nampidirin'i DadaRabe 13 Nov 2007, 22:11Mankasitraka e !
Tsy adino
- I Pissoa, jereo fa misy tononkalo vitsivitsy toa io nomenao io ao amin'ny pejy 2 nomeko etsy ambony
- I DadaRabe
MISAOTRA INDRINDRA
RAMANATANTARA
Nampidirin'i Olga HELISOA 14 Nov 2007, 13:36http://www.freewebs.com/ramanatantara
Ity ny fanintelony amin'ilay "trilogie" an'i Ramanantantara
MAMELA AHY VETIVETY,
Avelao aho ho zaza…
"Lasana tsy hiverina intsony."
Mbola tsy eken’ny eritreritro
Ny tsy hahita anao intsony !
Jereko, hifoha ve ianao ?
-Tsia, efa lasa toeran-kafa !
***
Banjiniko ny tavanao :
Tsiky mbola imolotrao,
Hodi-tavanao malama,
Ianao niova lasa anjely
Hitsena ny mpahariny...
***
Nisy niova tato anatiko,
Tsy aiko ambara inona.
Tsapako toy nihofaka
Lasana ny hantahanta,
Lehibe tampoka aho !
***
Ry foko o, mba avelao
Aoka ny fitiavan-tena,
Misy bitika noho ianao
Nilaozan'ny malalany !
***
Mamelà ahy vetivety,
Avelao aho ho zaza
Hidradradradra hoe:
"Mama, Mamako !
Tsy ho hitako intsony !"
Izany kiako mangina
Asandratro am-bavaka
Arahin-tsento tomany !
***
Hoy ny zafikelinao iray :
"Soava dia ry nenibe,
Arabao ho ahy Andriamanitra any !"
Mamelà ahy vetivety,
Avelao aho mbola ho zaza
Mba hiombon-kafatra aminy !
RAMANATANTARA, Antananarivo, 20/09/07
Nampidirin'i DadaRabe 14 Nov 2007, 14:24MIDIKA TENY VAHINY ireo TONONKALON-dRAMANATANTARA
Jereo
Nampidirin'i Olga HELISOA 14 Nov 2007, 14:40http://www.freewebs.com/ramanatantara
RAMANA+TANTARA Io no fanoratana ilay anarana e !
Satria anaran'olona NO NAKAMBANA fa TSY MANANA TANTARA an ...!
Misaotra
http://www.freewebs.com/ramanatantara
Nampidirin'i Olga HELISOA 14 Nov 2007, 14:46Izaho izao nihevitra hoe "manan-kotantaraina" no heviny.
MIasoatra 'ni Olga nanome fanazavana.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 14 Nov 2007, 15:04