SATRIA... (Valin-tononkalon'i Tsiky @ NAHOANA ANEFA IANAO)
Nampidirin'i dadarabe | 12 Nov, 2007
VALINY: Satria....
Satria navelanao ho irery
Ny foko ka dia very
..............
Ny foko nanantena,havana eo anilany
Ilay hanohana azy, ilay tokana sy silany
Kanefa ianao tsy hita fa tany koa dia lasana
Raha nanohy nitia anao aho, namohifo namonjy fasana
........................................
Niandry enao kanefa...
Moa va nisy teny iray niantefa
Mba tonga ampototsofiko
Nanamaivana ny rofiko?
..........................................
Fa fahanginana hatrany
No nasetrinao ny antsoko
Dia ny hirifirin’ny tomany
No mba navelanao ho afoko
............................................
Nilaza taminao.....
Fa eny hatramizao...
Mbola ao anatiko ao..
Ny fitiavako anao
Tsiky s'est inspirée de DadaRabe (NAHOANA ANEFA IANAO ? )
sur Wanadoo.mg
05/07/07 17:23
NAHOANA ANEFA IANAO ?
Nahoana anefa ianao raha nitsotra tamiko
Fa efa lasany any ilay fitiavanao ?
Dia ilay niriako, nandraiko ary mamiko…
Nataoko ho fifaliana, masoandro vaovao.
Niandry foana an’aho, dia nanantena teny,
Dia nanonofy foana fa ho avy anie ianao !
Ianao tsy mba nilaza, ary tsy niteny…
Ny amiko rehetra dia nanantena anao.
Dia teny…teny aho sy ilay hany fitiavako,
Niandry valin-teny…ianao nanao “Andraso !”
Mino aho hoy ianao “f’ianao no ilay firavako”,
Ny foko nanantena anie tsy nino izay ankaso.
Kinanjo ! tampoka eo dia aoka hoy ianao,
Fa hafa hoy ianao no tompon’ny akaniko,
Raha fantatro izany…mba efa nionona aho.
Nahoana anefa ianao raha nitsotra tamiko ?
DadaRabe
St Pierre et Miquelon
03/07/07 15:48
Tononkalo napetrako tao amin'i wanadoo (moov) izy io.
Misaotra an'i Tsiky amin'ny valiny kanto.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 12 Nov 2007, 01:25:-)
Nampidirin'i ikalamako 12 Nov 2007, 01:26NIfanena isika sy Ikalamako
Efa alina be anngamba any Italie é ?
Tsarà é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 12 Nov 2007, 01:28hihihi,
Nampidirin'i ikalamako 12 Nov 2007, 02:02izaho koa mba nahita an'io ry DadaRabe dia niomehy irery teo.
Efa misasaka ny alina fa izao ikalamako vao miditra ny trano, (aie aie aie, mbola hifoha maraina hanatitra mpianatra rahampitso, fa dia efa fomba ratsy moa ity fodiana alina manala azy any ivelany ity...).
Dia mbola manao adidy aloha mampiditra vaovao anaty site, sy mamangy blaogy fa io indray tsy azo avela toy ny afindrafindrao :-P
Ciao e, hi-dodo amin'izay!
Dia tafandria mandry ary é!
Nampidirin'i DadaRabe 12 Nov 2007, 03:06Manofisa mamy !
DdRb
manao ahoana doly indray ô,mahafinaritra ilay tononkalo e.
Nampidirin'i Malala 12 Nov 2007, 11:27nareo ity zany mbola lasa dodo daholo koa, manofisa tsara daholo ary ako fa aleo zà hitabataba irery eto hamoha anareo zay mbola mandry, :-)
efa mafana ny kafé sy dité ry zareo fa mifohaza amin'izay
Malala
Manaôna daholo,
Malala, za efa ela ny nifoha ka.
Nampidirin'i tsiky 12 Nov 2007, 11:32Misoatra @ dité mafana. Reto misy ramanonaka.
ie, efa miomana hifoha tamin'io ora io kah
Saingy efa tafafoha tanteraka izao.
Aiza ary ilay ramanonaka é ! sy dité mafana
I Tsiky anie ka mpiangaly tononkalo é
DdRb
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 12 Nov 2007, 12:38izaho izao efa manomana ny pasta antoandro indray fa dia miarahaba anareo indray, sady izao vao tena maka fy ilay tononkalo fa alina mbola tsiky fotsiny aloha dia ampy ; mbola badenin'ny fiarahana niala voly ka mbola voly be, hihihi
Nampidirin'i ikalamako 12 Nov 2007, 12:52Ikalamako, hum pasta, fetuccini aux 3 fromages retsy mba tena ankafiziko....mba anasisao aho ratoandro.
DadaRabe, mba mandoka zoky fa haiko fa tononkalo-na zaza T3 re io a!
Nampidirin'i tsiky 12 Nov 2007, 13:00hum tsara daholo anie izany atolotrareo zany e, sady vao mafana doly
Nampidirin'i Malala 12 Nov 2007, 13:44Ikalamako>dia ataovy miaraka @ creme fraiche kao fa tena vao maika tsara e
bonne journée doly e
Ikalamako ! niala voly ve dia vao mainka voly ? :-)
Ilay paste = pâte ? Mazotoa homana é!
O ry Tsiky tononkalo matotra ve dia ho zaza T3 ? Sa taona fahatelo eny amin'ny anjerimanontolo ?
Mazotoa homana arydaholo ary é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 12 Nov 2007, 14:20Valiny ankira
TAIZA IANAO T@ ORA NIDONA
taiza ianao tamin'ny ora nidona
no izao vao mba tonga hifona
izaho aty efa biby
ity foko efa mihidy
taiza ianao fony aho reraka
no izao vao hibebaka
ziaho tsy Tompo hivavahana
k'hizara famelana
ny akanjoko, jereo mazàna,
misy fofon'olon-kafa
fandrianako, tsapa mafana
fa vao teo izy no lasa
ny masoko, jereo mazàna
Nampidirin'i tsiky 13 Nov 2007, 13:25misy sarin'olon-kafa
tarehiko tsy mety kivy
fa vao maika miran-dava
fa vao maika miran-dava
MIsaotra amin'ny tononkiran'i Lolo snt Tsiky à !
Tiako koa io hira io.
Mifandraindray amin'ny tononkalo ?
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 13 Nov 2007, 14:39ie, mbola misy azo récuper-na foana anie ry Pissoa é!
Saingy rehefa rotidrotika sy potipotika ilay fihavanana dia mila finiavana, fitiavana ++++, fanetre-tena, fandeferana, famelana. Sa ahoana ?
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 13 Nov 2007, 14:41