ALOKA (Tononkalon'i Pissoa)

Nampidirin'i dadarabe | 8 Nov, 2007

Hatraiza ny lapan'ny fahatsiarovana
Ary aiza ny akanin'ny fanadinoana
No tonga manenika, mahatorovana
Ny akon'ny lasa niravoravoana ?

Moa tsy ampy ny vaikan'ny rivotra anio
Handrava ny embona mbola miritsoka ?
Sa nahery loatra ka zary tadio,
Nampisafoto ny hanina, nanditsoka.

Ny saina va re no minia mitanisa
Ny rima sy gadon'ireo fidolana,
Sa ny fo tsy nandrairan'ny "fampandry adrisa"
No injao fa mitroatra, mandika lalana ?

...

Ny embona nefa : tandindona izany,
"Aloka" ihany raha hita ho namana.
Ny fiainana kosa mihodina hatrany
Ka "aloka" ve no 'ndeha hiantsapazana ?

(Mars 1999)

32 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "ALOKA (Tononkalon'i Pissoa)"

  1. Dia inona indray ary no hira atao é!

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Nov 2007, 16:01
  2. Tsiky : mankasitraka nitsidika.
    Eo akaiky mihitsy angamba ilay "Aloka". Tiako io hira io (ilay tarika Johary mihitsy koa angamba no tiako e )
    Saika hanontany aho hoe Ianao ihany ve i tsikisariaka sa olona samihafa ?! Hay hitako tery ambany ny valiny fa tsy manana "Blo" hono i Tsiky ... moa i tsikisariaka manana, hi hi.

    Ryana : Aiza indray ity zaza bodo ? Efa valo taona lasa anie izany 1999 e.
    Miandry ny "blo"-nao, hi hi - na dia efa mpamaky ny asasoratrao ao amin'ny tononkalo koa aza.

    DadaRabe : mankasitraka e ! Mitsiky irery aho mahita ilay hoe "Ntsooooo", hi hi.

    Nampidirin'i pissoa 09 Nov 2007, 16:17
  3. Pissoa,
    eny ho'aho ê. Fa izao: aza milaza ho antitra na lehibe ianao, satria izahay na dia efa zokinao be aza, tsy mbola te ho lazaina fa Razokiny be... Mbola mamikitra amin'ny fahatanoràna izay efa dila anefa
    hahahahaahha
    Mankasitraka ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 09 Nov 2007, 17:34
  4. Pissoa,

    Nahazo zandry kely vaovao zany za!

    Ryana,

    Zany mintsy aza manaiky ho antitra izany mintsy kanjo.

    DadaRabe,

    Mandrampiresaka indray fa hody aho sao lanin'ny extra terrestre eny andalana eny.

    Isika rehetra mpanjifa blaogy tononkalo,

    Manaova week end sambatra daholo.

    Nampidirin'i Tsiky 09 Nov 2007, 18:48
  5. TSaràà daholo ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 09 Nov 2007, 19:18
  6. Pissoa à, samihafa ilay Tsiky sy Tsikisariaka.
    Ka he izany izy hoe soratra nataonao tamin'ny 15 ans ilay izy. Mahafatifaty !

    MIsy an'izany extra terrestre izany indray angaha ry Tsiky ? hein !

    Tsara hariva ry Ryana à !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Nov 2007, 19:35
  7. Ryana : hi hi ! Afaka samy tsy antitra isika ka ;)

    DadaRabe : hi hi hi ! isan'ny voalohany mba "vanona" mihitsy aza izy io. Ndryyyy ! tadidiko ery ny fanafenana azy ireny fahiny, lol.

    Tsiky : mankasitraka hatrany. Miandriandry tononkalon'i Tsiky eto za io.

    Mankasitraka ny rehetra, dia mriary soa ooo !

    Nampidirin'i pissoa 09 Nov 2007, 22:02
  8. Ha ha ha ! Hay nafenina izy ireny fahiny.
    Izaho ry Pissoa nanana kahie koa taloha fa ny tena marina dia ny kahie-ko rehetra feno sarisary sy tononkalo.
    Dia nanao tononkalo, dia namoron-kira. Dia nihirahira sahala amin'ny filazan'i Tsiky

    Fiainana daholo izany

    Dia izao eto izao...

    Nampidirin'i DadaRabe 10 Nov 2007, 00:22
  9. Hi hi hi - nafenina tokoa moa izany ry DadaRabe. Koa natahotra mafy ery fa sao bedy fa tsy mahay Malagasy koa. Amin'izao mbola bedy ihany mandiso, saingy tsy matahotra intsony fotsiny lol.

    Izaho aloha mba notebook iray no fasiako azy tamin'izany ... fa nentina nanaraka foana e, lol.

    Fiainana daholo izany.

    Nampidirin'i pissoa 13 Nov 2007, 22:13
  10. Fiainana marina !
    Dia inona no tononkalo nosoratan'i Pissoa voalohany ?
    hitako atsy ambadika ny farany ;-p

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 13 Nov 2007, 22:30
  11. Hi hi - ary izay indray vao hitako hoe nisy fanontaniana tato.

    Fete de Meres, Fete des Peres foana taloha ... fa tsy naseho an'i Dada sy Neny akory, hi hi. Ny tononkalo tsy maintsy naseho voalohany angamba dia tamin'ilay may ny Rova (4eme tamin'izany) dia enti-mody Malagasy hoe manoratra tononkalo mikasika ny rova. Hi hi, tsy tadidiko tsony ilay izy ary koa.

    Inona ny tononkalo nataon'i DadaRabe voalohany ?

    Nampidirin'i pissoa 15 Nov 2007, 20:18
  12. Hay 4ème i Pissoa tamin'ny may ny Rova !
    Tsaroako tsara iny andro iny. Avy nianatra avy eny Faravohitra (faculté de médecine) aho tamin'izay.
    Ny alin'iny dia nanofy aho. Nony hitako iny afobe iny dia gaga aho. Dia niakatra teny an-dRova é!

    Ny tononkalo nataoko voalohany ? Tsotra kely. Classe de 6ème aho angamba tamin'izay. Mandrevy ao am-pianarana.mpamaky tonokalo. Dia mba nanandrana nanoratra koa

    Lasa iny rahona iny...
    Lasa niserana ihany...
    Lasa toy ny fahafatesana...

    Andraso fa hametraka tononkalo vitsivitsy nataoko taloha be aho.
    Tsy miady rima akory an!

    izay aloha sao be resaka loatra ilay rangahy !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 15 Nov 2007, 21:10
«Mialoha   1 2