ALOKA (Tononkalon'i Pissoa)
Nampidirin'i dadarabe | 8 Nov, 2007Hatraiza ny lapan'ny fahatsiarovana
Ary aiza ny akanin'ny fanadinoana
No tonga manenika, mahatorovana
Ny akon'ny lasa niravoravoana ?
Moa tsy ampy ny vaikan'ny rivotra anio
Handrava ny embona mbola miritsoka ?
Sa nahery loatra ka zary tadio,
Nampisafoto ny hanina, nanditsoka.
Ny saina va re no minia mitanisa
Ny rima sy gadon'ireo fidolana,
Sa ny fo tsy nandrairan'ny "fampandry adrisa"
No injao fa mitroatra, mandika lalana ?
...
Ny embona nefa : tandindona izany,
"Aloka" ihany raha hita ho namana.
Ny fiainana kosa mihodina hatrany
Ka "aloka" ve no 'ndeha hiantsapazana ?
(Mars 1999)
Misaotra an'i Pissoa nitondra embona sy fahatsiarovana.
Tsara be Pissoa à!
DdRb
Nankaiza ianao ry lasa
no antsoina tsy manoina ?
............................
Aza anontaniana izay anton'izao
fahanginana lalina feno tomany
Aza hanontaniana satria fantatrao
Fa fahatsiarovana no anton'izany
JJ Rabearivelo
Nampidirin'i DadaRabe 08 Nov 2007, 21:13ah zalahy, zay mivoaka nareo ato, babany avokoa!!!
Nampidirin'i ikalamako 08 Nov 2007, 21:21Ikalamako anie no andrasanay hitondra ny lamako é!
Miandry an'Ikalamako zany an !
Reniny avokoa !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 08 Nov 2007, 21:27Nandramako navoaka fanindroany ilay izy ry Pissoa fa tsy nety
Mikatso foana ny milina
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 08 Nov 2007, 22:35Mahery!
Nampidirin'i Ryana 08 Nov 2007, 23:49Ryana
ity ny blaogin'i Pissoa ry Ryana
pissoa.blaogy.com
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 09 Nov 2007, 00:07DadaRabe : tsy maninona ka !
Ryana : mankasitraka !
Nampidirin'i pissoa 09 Nov 2007, 00:24Oh ! inona indrindra no karazan-tany
Nitsangananao re ry androko lasa
Ry androko lasa niampita any ho any
Nitondra any ho any ny zava-boakasa
JJ Rabearivelo
Nampidirin'i DadaRabe 09 Nov 2007, 00:57Mbola zaza i pissoa tamin'izany 1999 izany e ? ;-)
Nampidirin'i lap 09 Nov 2007, 09:52lap : nope, lol. Mba efa 15 taona kosa aho tamin'izany 1999 e, hi hi.
Nampidirin'i pissoa 09 Nov 2007, 10:39Tsara dia tsara, kanto Pissoa a!
Za zany ny mba zavatra tiako dia mampifandray tononkalo @ hira, na mitady valin'ilay tononkalo ankira.
Ka hoy ry Johary momba ny aloka:
Efa fantatrao, Efa vitanao
Nanalavitra ahy
Nefa ny alokao
Eo anilako eo
Mbola eo....
Tsara e
Nampidirin'i tsiky 09 Nov 2007, 14:37Tsara ilay hevitrao sy ilay fahazanao Tsiky à
I Tsiky koa anie mahay manoratra ry zareo é !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 09 Nov 2007, 15:13Pissoa,
Namangy ny bilaogin'ise aho dia latsaka kely ny foko namaky sanganasanao.
Tsara, kanto!
Ryana,
Enao nga manana blo ho tsidihina koa raha azo atao?
Drbe,
Nampidirin'i tsiky 09 Nov 2007, 15:28Ny hira no zavatra tena tiako, saingy tsy mahay mihira aho.
MIsaotra amil'ilay adiresy blaigy.
LAsana ny saiko, tsy mety ve raha atambatreo ho iray ny blaoginareo, na asiana "liens" ? Toa mifameno mantsy ê! amin'izay izahay mpanjifa ny tononkalonareo, tsy sahirana...
Hay ve moa i Pissoa vao zaza bodo mihitsy ê! tena mahatsiaro ho efa tena tranainy ny tenanay eto am-pamakiana ny resakareo:-))
"Zaza bodo" fa mahay manoratra tsy "hita velively"...
Mankasitraka hatrany ê!
Nampidirin'i Ryana 09 Nov 2007, 15:30Ryana
lasa hoe blaigy ny blaogy
toran'ny hehy irery eto aho mamaky ny hadisoana nataoko...
Tsiky
Tsy manana blaogy aho ka.
Tsarà.
Nampidirin'i Ryana 09 Nov 2007, 15:31Izaho efa saika hiteny an'i Ryana hoe "blaigy" an !
Tsiky>> ie, itako mihitsy ianao io mihirahira io :-)
Nampidirin'i DadaRabe 09 Nov 2007, 15:46Ny an'i Tsiky aza dia hoe "blo"
Nampidirin'i Ryana 09 Nov 2007, 15:49:-)
hihihi asa ry Ryana inn ny dikan'ny blo!
Za koa retsy tsy manana blaogy, asa rehefa mba misy fotoana mba hanokatra "angambany".
Ozy zokibe Ricky zay anie ry dadaRabe hoe: hirahira ny tsara e, hirahira ny tsara e mdr
Nampidirin'i tsiky 09 Nov 2007, 15:54