FO DITSOKA (Tononkalon'i Tsikisariaka)

Nampidirin'i dadarabe | 8 Nov, 2007

Ilay topimasonao novaliako harikarika
Ny tànanao nisafo nailikiliko iny
Endrika misento sy toa mivaloharika
No indro hahatsiarovako ny lasana fahiny

Ny tsikinao rehetra,  ny teny maminao
Irony tsongotsongo sy bedibedinao
Injao fa mitambolona, manaitra ny tsiahiko
Maniry hahita anao aho nefa koa... tsy sahiko

Ireo olona mpandalo, miserana eo alohako
Ny loko maromaro izay nankafizinao
Im-piry akory moa ireny no hososohako
Sy hila ho tànako aza, heveriko ho ianao

Ny làlana faleha, ny toera-nandalovana
Izay rehetra nisy : ny momba antsika roa
Tantara sisa anio, tavela ho fahatsiarovana
Ny masoko tomany fa ditsoka ny fo

Tsikisariaka
06.03.87 – 21 h 15

33 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "FO DITSOKA (Tononkalon'i Tsikisariaka)"

  1. Manatitra ny fisaorana DdRb a !

    Mety daholo Ryana a ! azo atao daholo izany aty sa ahoana fa rehefa tsy tiana dia ajanona, ok ?

    Mirary soa ho an'ny rehetra e !

    Nampidirin'i Tsiks 12 Nov 2007, 16:01
  2. ok !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 12 Nov 2007, 16:02
  3. Misaotra daholo ny rehetra naneho hevitra dia misaotra indrindra an'i DdRb nivoy ny tononkaloko teto.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Nov 2007, 07:57
  4. Tsy misy fisaorana tompoko fa ny kanto kanto foana é!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 26 Nov 2007, 13:03
  5. Mankasitraka e ! amin'ny manaraka indray ny ao ambadika no alefa ? hi hi hi ohatry ny amin'ny disque e !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Nov 2007, 16:14
  6. Alefaso ary ny ao ambadika é!

    Angamba ny any tsy ditsoka.

    Nampidirin'i DadaRabe 26 Nov 2007, 16:43
  7. ho avy e ! misaotra mialoha.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 27 Nov 2007, 10:16
  8. Miandry ary.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 27 Nov 2007, 12:45
  9. Efa lasa tany niaraha-nahita e ! misaotra foana DdRb a !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Nov 2007, 12:53
  10. Ianao no isaorana !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 29 Nov 2007, 14:19
  11. :-)

    Nampidirin'i Tsiks 29 Nov 2007, 15:58
  12. Ny làlana faleha, ny toera-nandalovana
    Izay rehetra nisy : ny momba antsika roa
    Tantara sisa anio, tavela ho fahatsiarovana
    Ny masoko tomany fa ditsoka ny fo

    Izany foana ny fiainam-pitiavana e ?

    Nampidirin'i Rhya 30 Nov 2007, 13:23
  13. Fiainana daholo !

    Nampidirin'i DadaRabe 01 Des 2007, 00:06
«Mialoha   1 2