FO DITSOKA (Tononkalon'i Tsikisariaka)
Nampidirin'i dadarabe | 8 Nov, 2007Ilay topimasonao novaliako harikarika
Ny tànanao nisafo nailikiliko iny
Endrika misento sy toa mivaloharika
No indro hahatsiarovako ny lasana fahiny
Ny tsikinao rehetra, ny teny maminao
Irony tsongotsongo sy bedibedinao
Injao fa mitambolona, manaitra ny tsiahiko
Maniry hahita anao aho nefa koa... tsy sahiko
Ireo olona mpandalo, miserana eo alohako
Ny loko maromaro izay nankafizinao
Im-piry akory moa ireny no hososohako
Sy hila ho tànako aza, heveriko ho ianao
Ny làlana faleha, ny toera-nandalovana
Izay rehetra nisy : ny momba antsika roa
Tantara sisa anio, tavela ho fahatsiarovana
Ny masoko tomany fa ditsoka ny fo
Tsikisariaka
06.03.87 21 h 15
Tsikisariaka
06.03.87 21 h 15
Tononkalo mahafinaritra atolotr'i Tsikisariaka ho antsika.
Misaotra azy !
DdRb
Nampidirin'i dadarabe 08 Nov 2007, 00:43Misaotra DdRb a ! Fa mbola nitsiky ihany aho na dia ditsoka aza ny fo. Fa izaho misariaka foana amin'ny fahatsiarovako azy...
Nampidirin'i Tsikisariaka 08 Nov 2007, 09:04clap clap clap
Nampidirin'i ikalamako 08 Nov 2007, 12:36Ny maso noditsoko leoko ihany
fa ny fo re no ditsoka ka tomany !
(Tsy tadidiko ho iza moa no nilaza an'io)
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 08 Nov 2007, 13:18TSara ê! na dia efa roapolo taona lasa aza no nosoratana, tsy tontan'ny ela.
Nampidirin'i Ryana 08 Nov 2007, 14:20Ryana
misaotra an'i Tsikisariaka sy DdRb, marina mihitsy hoe tsy misy tsara ohatra ny misariaka e,tena fanafody misy lanjany io, ao fa tsofiko dia mihomehy kely amin'izay
Nampidirin'i Malala 08 Nov 2007, 14:38fffffff zayyyyyy
Tsarabe dia tsarabe tokoa ilay izy Tsikisariaka a!
Ditsoka....Misy hirana group rock gasy zay manao hoe:*
Ditsoka aho tsy mahita intsony izay ho aleha
Tsy afaka ny hanantena anao intsony....
Asa raha misy mahay an'io ianareo.
Samy tsara
Nampidirin'i tsiky 08 Nov 2007, 14:50Tsara tokoa ilay misariaka sa misaridriaka :-)
Nahazo tsioka ianao ry Tsikisariaka ;-p
Tena tsy haiko ilay vazo ry Tsiky !
Nampidirin'i DadaRabe 08 Nov 2007, 15:14Ka ilay :
Hiaka sy lamako
n'ikalamako
manakoako
tato ho ato
tsy milako
toy ny vato
fa toa safo
tena lafo
aleo ajanona eo angamba é!
Nampidirin'i DadaRabe 08 Nov 2007, 15:28Hay ve moa ny hiaka mety ho lasa toy ny safo ê??? Mba tena tsy takatro indray izay!
TSy azoko loatra ny tian'i Tsikisarika lazaina, sa manana blaogy koa i Tsikisarika?? Ka hoe hitako raha tany?
Ryana
Nampidirin'i Ryana 08 Nov 2007, 15:41Adinoko:
Nampidirin'i Ryana 08 Nov 2007, 15:42Mba hahafahanay mampitaha ry Tsikisarika dia omeo sombiny amin'ny tononkalona amin'izao fotoana izao hoe izahay hampitahanay azy??
Mankasitraka ê!
tsikisariaka.blaogy.com
Ao jerena ry Ryana
Nampidirin'i DadaRabe 08 Nov 2007, 15:58Ampidiriko fa tsy fantatro hoe maninon ry Pissoa à
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 08 Nov 2007, 22:39MIsaotra amin'ilay adiresina blaogy, Tompoko. NOvangiako.
Nampidirin'i Ryana 09 Nov 2007, 00:00Angamba mpihavana akaiky ny blaoginareo fa mitovy fihodirana, mitovy bika aman'endrika ô!
Tsara mandry aby ê!
Ryana
Ie, mpihavana avy ao amin'ny blaogin'i Hery tsiky dia ampy (serasera)
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 09 Nov 2007, 00:03Merci Malala amin'ilay tsofina kely an !
Tsiky > merci. tsy tadidiko ilay mpihira an'iny.
Ryana > Efa hitako nandalo tary amin'ny blaogiko indry. misaotra. Misaotra fa io nadikan'i DdRb io, izy rahateo no tompon'ity hiseraserantsika ity ka ! any no misy tononkalo hafa sy vao. Miandry ilay fampitahana moa aho izany ?
Efa novaliako tany ilay blaogy mitovy.
Pissoa > tiako be ilay voaainga avy lavitra an !
DdRb > msôtra bobaka be mintsiny amin'ny retraretra.
Nampidirin'i Tsikisariaka 10 Nov 2007, 09:26Ianao no isaorana mitondra tononkalo ho anay eto
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 10 Nov 2007, 12:04hahaha... misaotra amin'ilay "indry" ry Tsikisarika. Ataoko "Ialahy" izany ianao sa "ise" :-)
Nampidirin'i Ryana 10 Nov 2007, 22:30hahahaha
Aleo fa jereko ny tohin'ny resaka any amin'ny blaogy rahavavy ary ê!
Tsarà
Ryana