Jereo kely : Site MOSIKAGASY (Malala 13)

Nampidirin'i dadarabe | 7 Nov, 2007


http://harisoar.free.fr

http://mosikagasy.free.fr

Miarahaba,

Ho resahiko vetivety eto ity site iray “Mosikagasy” ity. Nahoana ?

Namana iray tany Marseille no manao azy ary mahafinaritra tokoa ilay site. Misy Hira, clip, tononkalo. Efa ela tokoa izy io ary tsy asiako resaka be fa dia isika no hijery azy.

Ny Mpitantana azy indray dia I Malala. Namana mazoto ary feno herim-po tokoa. Ankehitriny moa izy nianatsimo any La Réunion, izaho nianavaratra andrefana aty St Pierre et Miquelon. Ny fitiavana hira sy mozika mitohy foana é !

Ankoatr’izay isan’ny site nanomboka namoaka ny tononkalon’i DadaRabe io site io efa tany amin’ny taona 2002 (???) tany ho any.

Izay fa dia manasa anao hijery ilay site.

DadaRabe

20 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Jereo kely : Site MOSIKAGASY (Malala 13)"

  1. Manantena an'i Malala hanome fanazavana fanampiny.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 07 Nov 2007, 02:00
  2. miarahaba antsika rehetra, dia hisaorako manokana aloha ny akama DdRb e, ary hisaorako ihany koa ianareo zay mijery sy manohana ny tranonkala, izy io moa dia nataoko mba hampafantarana antsika aty ivelan'i Madagasikara ny hira vaovao ao amintsika, tsy atao fakam-bola akory fa mba fialam-boly satria hitako sy tsapako fa very tokoa isika aty an-tany lavitra aty tsy mba mahalala zay miseho any antanindrazantsika .
    koa dia mirary anareo hahita sy hahazo fahafinaretana ianareo mijery azy

    Nampidirin'i Malala 07 Nov 2007, 09:18
  3. Hay ve mbola nandeha foana io site io e ! Andray re ry Malala13. Tsara dia tsara.
    Mbola tsaroako foana ny firesahana fialam-boly taloha tao amin' ny caramail.

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 07 Nov 2007, 10:21
  4. Misaotra DdRb a ! tsara ilay izy. Ny fotoana no tsy ampy fa tena "voyage" sy fialam-boly vita ho azy.

    Nampidirin'i tsikisariaka 07 Nov 2007, 10:28
  5. mankasitraka e !

    Nampidirin'i ikalamako 07 Nov 2007, 10:37
  6. Ie, hay tokoa moa mpikorana tany amin'ny caramail i Malala13 fahiny. Efa ela izany an !
    Mahafinaritra ny site ry Malala à !

    Dia rahoviana indray no ho any Marseille ?

    Tohizo foana é!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 07 Nov 2007, 13:06
  7. Malala, ho jerena rehefa any antrano rahariva fa misaotra mizara ny kanto aminay.

    Drbe, ô razoky radoko a, mila fitsaboana ny mailaka fa tsisy lasa zay alefa any marina mafy!

    Nampidirin'i tsiky 07 Nov 2007, 17:23
  8. Misaotra nizara ooo !

    Dia tohizo kely foana DadaRabe a, hi hi.

    Nampidirin'i pissoa 07 Nov 2007, 18:01
  9. Andraso hoe jereko ry Tsiky raha lasa any amin'ny Spam indray izany ?

    Pissoa. Mitohy foana an!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 07 Nov 2007, 19:32
  10. fanamarihana kely fotsiny mikasika ireo site
    http://harisoar.free.fr izany dia natokana hoan'ny hirahira mp3 , video, karaoké gasy
    http://mosikagasy.free.fr indray izany dia hoan'ny akama DdRb e.
    ary ohatra ny akama rehetra tao @ caramail ihany anie ny ato izany sa izaho no diso? :-) hay tsy very aho izany

    Nampidirin'i Malala 07 Nov 2007, 20:18
  11. Ny tany anie ry Malala boribory
    Ny olona mandehandeha (Any ambony tany sy ety amin'ny internety).

    Misaotra amin'ny fanampim-panazavana.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 07 Nov 2007, 20:40
  12. Malala a, nentin'i DadaRabe aty daholo ny kil :-P

    Nampidirin'i ikalamako 07 Nov 2007, 20:50
  13. Ikalamako an !
    Ianao koa angaha tany amin'ny caramail ry Ikalamako ?
    (Ikalamail sy Caramako) :-)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 07 Nov 2007, 21:25
  14. HOno ho'aho ? Fa aiza aloha i Lehilahytsiresy no tsy hitanay mamoaka lahatsoratra intsony é !

    Miandry izahay an !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 07 Nov 2007, 21:28
  15. angaha hita r'Ikalamako fa misy andria-mby anie hono any @ DdRb zay no mahatonga antsika eto doly indray, tena mahery ilay namana iray io ka, miaiky aho e,
    Ary dia samy aterineto eto daholo indray zany raha izany koa
    Aiza ry DdRb no misy olona mandehandeha any ambany ny tany?
    :-)

    Nampidirin'i Malala 08 Nov 2007, 14:31
  16. Inona indray ary izany ry Malala.
    Ka eto anie ry Malala tsy eny ambony tany é! Hafa ny any, hafa ny eto :-)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Nov 2007, 15:23
  17. ka ianao ihany anie ry zoky no miteny hoe ety amin'ny internety dia zay no mahatonga ilay hoe aterineto e :-)

    Nampidirin'i Malala 08 Nov 2007, 16:40
  18. ha ha ha
    Izao angamba ary no tokony ho nolazaiko é!

    Ny olona mandehandeha (Na any ambony tany, na ety amin'ny internety)

    MIno aho fa tsara ny andro any La Réunion. Ny ety aminay mangatsiaka.

    Tsarà é!

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Nov 2007, 17:02
  19. mazava tsara amin'izay,
    ny andro eto La reunion hoy ianao? tena mafana tokoa fa tongava aty aminay daholo raha mangatsiaka any aminareo any e, sady efa ho vokatra zao ny laodisia sy ny manga.

    Nampidirin'i Malala 08 Nov 2007, 19:52
  20. hay ! mampanofy koa itony Malala itony klé !

    Andraso fa misy tononkaloizay alefako "tsarotsaroako tanaty ala-manga".

    Ho avy izahay é! miaraka amin'ny angady sy ny harona (indrindra ny harona)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Nov 2007, 20:21