MIDIKA FA HOE TIAKO IANAO! (Tononkalon'i Ryana)
Nampidirin'i dadarabe | 6 Nov, 2007Ny tahotra manenika ahy fa hoe izaho ilaozanao,
Tsy mandry saina, miahiahy fa hoe tsy hahita anao,
Ireny alina mangina manadala ny fisainako,
Tebiteby, fanahiana, mandrakotra ireo marainako,
...Midika fa hoe tiako ianao!
Ny fahazarako mazàna mieritreritra anao,
Nofinofy tsy hay raràna fa miara-miaina izaho sy ianao,
Ny faniriako sesilany, mananten'hofihininao,
Ny fanahiako mavàny fa ny antsika kilalao,
...Midika fa hoe tiako ianao!
Foko midoboka amin-tahotra rehefa injay mahita anao,
Ity famindrako miahotra, tsy sahy manantona anao,
Ny alaheloko anaty, rehefa diso fanantenàna,
'Reo ratra mila tsy ho tanty ataonao ahy tsy nahy mazàna,
...Midika fa hoe tiako ianao!
Ny fahatsapàko fa toa very ny androko talohanao,
Ny finiavako hampiery ny tantarako tsy misy anao,
Fijery lasana vinany, mazàna tsinjoko aminao,
Toa mitory f'any ho any, mbola misy maraina vao,
...Midika fa hoe tiako ianao!
Inoako fa ny fahataperana, indraindray dia fiandohàna,
Ka na ho eo aza fahanterana, ny fitia tsy hay raràna,
Ireo teny mamiko rehetra izay tsy azoko tononina,
Satria ny antsika toa voafetra fitia mangina sy kobonina,
...Midika fa hoe tiako ianao!
Ryana
(30/09/03)
(Nadika avy tamin'ny "J'en déduis que je t'aime" - Charles AZNAVOUR)
hay mitohy be ny resaka ato :-)
Fa pratika kokoa nge le litera 3 fotsiny e.
DdR, tsy olana fa azo ilay tiana hambara. Tsy izano moa no antony anafohezan-teny ? :-)
Ryana, toa teto amin'ity blaogy ity ihany aza raha tsy diso aho
Nampidirin'i lap 09 Nov 2007, 09:50Eny ary re ry Lap fa dia asiantsika fanafohizan-teny é!
Nampidirin'i DadaRabe 09 Nov 2007, 13:03Ryana > io tononkalo io ve izao mihitsy no andalana sa mbola tokony nizara kokoa ? (raha ny paika hamakiako azy an !) izany hoe andalana valo (8) vao midika fa hoe tiako ianao.
Fa tsara ilay izy ka ! Mankalaza e
Nampidirin'i Tsikisariaka 13 Nov 2007, 13:33Mahatorana ery ilay andininy alohan'ny farany... kay tsy izaho irery no... (manana fijery lasana vinany) an ?
Dia izao koa (lasa spam ilay resaka fa miasa kely aloha ny tompon-trano an ???) ny tohiny dia hoe : kay ve Ryana dikan'ny tononkalon'i Aznavour io e ? Lafatra an ! izaho tsy mahay an'ilay hira na dia tia ny hiran'ingahy io aza fa "pao-tsatroka" e !
Nampidirin'i Tsikisariaka 13 Nov 2007, 13:40Izay fa niverina ho azy amin'izao ilay izy ka ! misaotra DdRb ô.
Nampidirin'i Tsikisariaka 13 Nov 2007, 13:43Niverina ho azy fa aoka ihany sady misaotra ry DdRb ô
Nampidirin'i Tsikisariaka 13 Nov 2007, 13:51Azfd fa tsy hoe miverimberina fahatany fa jerevako fanintelony ilay izy vao mipoitra, izaho eo efa nanoratra faharoa dia izay. Aza tsiny re e !
Nampidirin'i Tsikisariaka 13 Nov 2007, 13:55