MIDIKA FA HOE TIAKO IANAO! (Tononkalon'i Ryana)

Nampidirin'i dadarabe | 6 Nov, 2007

Ny tahotra manenika ahy fa hoe izaho ilaozanao,
Tsy mandry saina, miahiahy fa hoe tsy hahita anao,
Ireny alina mangina manadala ny fisainako,
Tebiteby, fanahiana, mandrakotra ireo marainako,
...Midika fa hoe tiako ianao!

Ny fahazarako mazàna mieritreritra anao,
Nofinofy tsy hay raràna fa miara-miaina izaho sy ianao,
Ny faniriako sesilany, mananten'hofihininao,
Ny fanahiako mavàny fa ny antsika kilalao,
...Midika fa hoe tiako ianao!

Foko midoboka amin-tahotra rehefa injay mahita anao,
Ity famindrako miahotra, tsy sahy manantona anao,
Ny alaheloko anaty, rehefa diso fanantenàna,
'Reo ratra mila tsy ho tanty ataonao ahy tsy nahy mazàna,
...Midika fa hoe tiako ianao!

Ny fahatsapàko fa toa very ny androko talohanao,
Ny finiavako hampiery ny tantarako tsy misy anao,
Fijery lasana vinany, mazàna tsinjoko aminao,
Toa mitory f'any ho any, mbola misy maraina vao,
...Midika fa hoe tiako ianao!

Inoako fa ny fahataperana, indraindray dia fiandohàna,
Ka na ho eo aza fahanterana, ny fitia tsy hay raràna,
Ireo teny mamiko rehetra izay tsy azoko tononina,
Satria ny antsika toa voafetra… fitia mangina sy kobonina,
...Midika fa hoe tiako ianao!

Ryana
(30/09/03)

(Nadika avy tamin'ny "J'en déduis que je t'aime" - Charles AZNAVOUR)

27 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "MIDIKA FA HOE TIAKO IANAO! (Tononkalon'i Ryana)"

  1. Misaotra an'i Ryana nanome tononkalo kanto.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Nov 2007, 01:39
  2. manja e !

    Nampidirin'i ikalamako 06 Nov 2007, 10:17
  3. MIsaotra DadaRabe nanaiky nametraka io tononkalo io ato amin'ity blaogy nasionaly (na moa izany iraisam-pirenena?) ity.
    Mankasitraka ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 06 Nov 2007, 10:40
  4. Za koa efa mpankafy tononkalon'i Ryana :-)

    Nampidirin'i lap 06 Nov 2007, 11:19
  5. Tsy misy hisaorana fa kanto é!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Nov 2007, 12:55
  6. I La ve = Lapino ihany sa anarana mitovy?
    RAha izy iray ihany mantsy dia efa ela ela tokoa no nifaneraserana teto amin'ny teny.
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 06 Nov 2007, 13:00
  7. Ryana,

    Misaotra fa tena tsara be!

    Misaotra ny mpampiantrano koa.

    Bon après midi daholo.

    Nampidirin'i Tsiky 06 Nov 2007, 15:31
  8. Mahafinaritra foana !
    Hay moa efa après midi izao ry Tsiky !
    NY eto mbola maraina :-)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Nov 2007, 15:48
  9. DadaRabe,
    Toa lasa "efamira" kely ny "teboka telo" rehetra ao anatin'ilay tononkalo? Avy amin'ny copier coller angamba ô? Mila fitsaboana ny blaogintsika fa marary.
    :-)
    Mankasitraka ny mankasitraka.
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 06 Nov 2007, 15:50
  10. Andraso ho jereko ary é!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Nov 2007, 15:55
  11. Vita tompoko !

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Nov 2007, 15:57
  12. Ryana, ie olona iray ihany ka
    mankasitraka e

    Nampidirin'i lap 06 Nov 2007, 17:34
  13. DadaRabe,
    MIsaotra fa tafaverina amin'ny laoniny ny "teboka telo". Atokisako ny mpitsabo ê! Mankalaza!

    Lap,
    Miarahaba izany ê! Faly indray tafahaona aminao eto. tany amin'ny forum anadoo.mg moa isika no nihaona farany iny?

    Tsarà daholo!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 06 Nov 2007, 22:46
  14. :-) misy fangatahana ve tompoko dia tsy hihazakazaka ny mpiasa madinika.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 07 Nov 2007, 00:31
  15. Mankasitraka ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 07 Nov 2007, 15:26
  16. Hay Lapino najary Lap !

    Dia i Ryana etsy ambony manoratra hoe "La" = Lapino

    Atsy ho atsy izany "L" fotsiny dia efa fantatra hoe "Lapino" an !:

    Eny é ! manara-baovao ihany izahay :-)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 07 Nov 2007, 20:43
  17. Azafady re ry Lap ê!
    "Lap" no saiko hosoratako fa tsy hita moa, tsy maharaka ny tànana fa votsa be manoloana ity solosaina ity koa dia zary diso ny voasoratra. Soa fa ao Ramose DadaRabe manara-maso ny diso tsipelina rehetra! Ifonana ê!
    :-))
    Fa raha io anie lojikan'i DdRb io anie no heverina fa izy, D fotsiny dia ampy hahafantarana anao ry DdRb rehefa afaka 2 na 3 herinandro??? Fa ilay D kosa aloha mety hoe DadaRabe, mety ihany koa hoe Dokotera!

    Mankalaza ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 08 Nov 2007, 14:23
  18. Ka ilay lojikan'ilay hoe Lapino= Lap = La =.....L
    Anie no nasehonao teto é! dia mba nanaraka matematika vinaninany teto.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Nov 2007, 15:24
  19. Eny ho'aho fa tohizako ny lojikanao ry "DdR" â (vakio tsara fa efa manombona miala ny litera amin'ny faran'ny anaranao...)
    hahaha
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 08 Nov 2007, 15:43
  20. :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Nov 2007, 19:33