RY NDREMATOA !
Nampidirin'i dadarabe | 5 Nov, 2007
Mitsingerina androany ny nahaterahanao,
Taona maro izany !
Miverina ao an-tsaiko daholo ireny izao,
Toy ny vao omaly !
Ianao ry lahimatoa !
Ianao ry ndrematoa !
Izahay sy neny dia niandry, nitaintaina,
Dia iny tonga ianao…finaritra ny saina !
Dia nihalehibe ianao, nitety tany isika,
Natopan’ireo onja,
Nivezivezy teny, niharitra ny hatsiaka
Sy entana mafonja,
Ianao nijoro foana !
Ianao nitombo taona !
Dia niezaka ianao, nianatra ‘ty fiainana !
Tsy hitahita teny, nampihitatra fisainana !
Andro fifaliana izao andro anio izao,
Androm-boninkazo !
Sikino ny finoana na lavitra aza aho…
Rakofy vazovazo !
Fa tsy ho ela akory,
Fa tsy ho ela intsony,
Hifankahita isika hiatrika ny ampitso,
Hizara mofomamy, manento hanim-pito.
Andriamanitro ô! Ry Raiko avo indrindra !
Iny zanako iny !
Arovinao hatrany, ny fiainany hirindra,
Tsy holalovan-tsiny,
Fa hino foana Anao,
Fa hino, tsy handao…
Ary Ianao hatrany no hanolotra ny anjarany…
…Tsingerina androany ny andro nahaterahany !
DadaRabe
Mahafinaritra e. Na dia mbola tsy misy ankizy aza ny tena dia mahatsiaro ho anatiny tanteraka raha namaky ilay tononkalo
Nampidirin'i Kwasi 05 Nov 2007, 19:37Namaky tary aloha tary aho no nahita hoe hay ve vaninandron'i DDRb androany e. Dia arahabaina zany aloha.
Nampidirin'i Kwasi 05 Nov 2007, 19:43fa bonnanif-n'i DdRb sa an'ny zàzà e ? Sady tsisy daty hoe oviana no nosoratana ilay tononkalo. Sao efa dimy taona lasa.
Nampidirin'i ikalamako 05 Nov 2007, 21:30Bonnanif foana na ho an'iza na ho an'iza e.
Asiana "Bizz" kosa amin'ity indray mitoraka ity e...
hahaha r'Ikalamako !
Misaotra amin'ny fiarahabana é!
Dia misaotra amin'ny bizz é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 05 Nov 2007, 21:56faly miarahaba ny rehetra ny tenako, indrindra DdRb @ zao vaninandro izao, tsy mba nolazainay akory anie zahay e mba hihinana na hizara gatô e
Nampidirin'i Malala 06 Nov 2007, 11:01hihihi
Misaotra MAlala à!
Ny gateau mbola misy kah !
Saingy ilay ranomasina mangeniheny (hoy i Anyah izay).
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 06 Nov 2007, 12:56Ary toa tsy hitako ito omaly ... taraiky indray raPissoa marina !
Arahabaina Ndrematoa ooo !
Nampidirin'i pissoa 06 Nov 2007, 22:48Nandalo vetivety fotsiny ilay izy Pissoa à
Misaotra é! arahabaina i Ndrematoa.
DdRb
Nampidirin'i DadaRa 07 Nov 2007, 00:30