IRERY FOANA IANAO...

Nampidirin'i dadarabe | 31 Okt, 2007

Irery foana ianao…miatrika ny fiainana,
Na misy aza ny namana azo hitarainana,
Na eo ireo rehareha angoninao am-bata,
Sy sarim-pandresena mavesatra tsy zaka.

Irery foana ianao… miatrika ny ho avy,
Fa tsy afaka hihiaka, hiantso sy hiangavy
Mandritra ny fotoana fa misy mantsy fetra,
Handraisanao faneva na eo ireo rehetra.

Irery foana ianao… mamaky ireny lalana,
Manivatsiva havoana, mitady fahafahana,
Miharitra ny hatsiaka sy ny orana mifafy,
Mibaby izay midona, misedra ny ady mafy.
 
Irery foana ianao… anivon’ny tontolo,
Ny namana mandalo, ny andro koa misolo,
Rehefa ela ny ela dia io fa tsapanao
Fa ts’isy azo hifikirana izao tontolo izao.

Irery foana ianao…kanefa fantatrao
Fa eny an-tananao manomboka hatrizao,
Ny antoky ny ampitso sy taratra vaovao,
Ka aza kivy akory…. na dia irery ianao.

DadaRabe
Marseille
02/01/02  13:53


36 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "IRERY FOANA IANAO..."

  1. :-) dimy taona taty aoriana i DadaRabe dia nahatsapa fa "tsy irery ianao"... :-P

    Nampidirin'i ikalamako 31 Okt 2007, 11:09
  2. hi hi hi, torana aho nijery le shaoling ry Ikalamako Raha fakafakaina ny tian'ny mpanoratra ho lazaina zany dia hoe: tsy irery physiquement fa isika ihany no miady irery ho an'ny fiainantsika sa isika "irery" no tompon'ny ho avintsika? Nampidirin'i tsiky 31 Okt 2007, 11:47
  3. Ikalamako ! jereo anie ny daty nanoratana azy roa ireo é! :-)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 31 Okt 2007, 12:06
  4. Fankaherezana tsisy ohatr'izany ka dia mandray izay tandrify e !
    Izy roa no vakiako rahariva ry DdRb a ! ity tsy tratrako intsony nefa tsara be koa... TSARA BE DAHOLO E E E

    Nampidirin'i Tsikisariaka 31 Okt 2007, 13:19
  5. Miadia ny ady tsaran'ny finoana.

    I Timoty 6 : 12

    Nampidirin'i mpitory 31 Okt 2007, 13:58
  6. Tsiky >> Ie indraindray ao anivon'ny maro nefa "irery" satria ny adin'ny fiainana dia an'ny tsirairay. ie ohatran'io shaoling io :-)

    Tsikisariaka>> Misaotra é! dia hitondray vaovao any !

    Tsara foana ny tenin'Andriamanitra. miady ny ady tsaran'ny finoana.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 31 Okt 2007, 14:33
  7. saika hidongy aho hoe tsy mety lasa ny zavatra valiako hi hi hi

    Nampidirin'i tsiky 31 Okt 2007, 15:27
  8. Tsy izany ry Tsiky fa tafiditra any amin'ny spam ilay izy dia tsy maintsy avoakako avy any.

    Efa voavaly afa aza be dongy (tiens lohateny tsara koa izany an!)

    midongy foana ianao !
    midongy tsotra izao
    kanefa izaho mba miezaka
    sy efa mitofezaka

    ....................mbola tsy misy tohiny

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 31 Okt 2007, 15:42
  9. oops !
    ary nanao tsianjery maimbo aho ry DadaRabe, hay ve ianao tsy irery aloha vao nanjary irery e ! lalina indray iny k'ity!
    Ary nisy blèm izany tao anelanelan'ny volana septambra ka hatramin'ny volana febroary...
    :-P

    Nampidirin'i ikalamako 31 Okt 2007, 16:18
  10. Ikalamako ! tratra indray izany ianao.

    Non tsy nisy Pb tao anelanelany fa talohany. Isan'ny tononkalo vitsy tena fiainako ilay tononkalo "Tsy irery ianao". Teo am-pamakiana ny lohasaha aloky ny fahafatesana aho tamin'io. :-(

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 31 Okt 2007, 17:06
  11. ka inona izany no marina ê? Irery ianao sa tsy irery?
    MAhay manadala saim-bahoaka ianao Dokotera.
    Mankasitraka ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 31 Okt 2007, 17:50
  12. Izahoa anie ilay izy Ryana é!

    Raha jerenao ilay voalohany :
    - Tsy irery ianao fa misy namanao
    Izany hoe misy foana namana amin'ny fiainana.

    Raha jerenao ilay faharoa : Irery foana ianao
    - Amin'ny adin'ny fiainana dia ilaina ny namana. Ilaina ny zava-maro, nefa.....na izany aza dia tsy mila miandry foana ianao fa "irery ianao" miatrika ny ady.

    :-) manjary mihomehy irery eto aho ry madama Ryana.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 31 Okt 2007, 18:13
  13. Ao fa tsy hidongy intsony aho
    Raha manaiky hanao kivarivary ianao
    Sy hitondra ho ahy bômbô sakamalao
    Ao @ ilay paosimpalitao
    hihihi
    kamboko zany e, sôtsa zoky bizzz

    Nampidirin'i tsiky 31 Okt 2007, 18:19
  14. hi hi hi, voan'ny ankety ny mpanoratra...Irery enao sa tsy irery, valio aho woah hi hi hi hi hi

    Nampidirin'i tsiky 31 Okt 2007, 18:23
  15. Hahaha

    aza mba be dongy
    sy milongilongy
    sao tsisy bombô
    ny paosim-palitô
    Tsongon-jokibe
    no sendra anao anie

    Vazivazy zany Tsiky ô

    ie, angaha moa tsy lalina é! misaotra an'i Ryana manao ankety fa mampifoha ny saina matory é! sa tsy izany ry Ryana ?

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 31 Okt 2007, 18:27
  16. Adray izato ianao
    Manongo tsotra izao
    Lehibe tsy mahalala kely
    Fa avy dia mamely

    Andraso moa fa ho tratrako
    Marina tsy haratrako

    hahahahaha

    Aoka zay fa bon iky endy daholo ianareo

    big kiss

    Nampidirin'i tsiky 31 Okt 2007, 19:19
  17. Bon WE é! hay moa ny anareo vao alarobia dia efa bon WE. Lanina izany rey olona !

    Mazotoa é!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 31 Okt 2007, 19:28
  18. "Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho; fa Hianao no amiko"
    Sal 23:4

    Nampidirin'i mpitory 31 Okt 2007, 19:58
  19. DadaRabe a, sintoniko aloha ilay vazivazy hanajako ilay fotoan-dratsy nolalovanao. Hanaovana azafady.
    Matetika manko ianao milaza hoe tsy voatery hiainana, kanjo ratsy fitontona ny fanamarihana arahim-bazivazy nataoko tamin'ity :(
    Ny tena moa ry DadaRabe tsy mba nandalina ny "psikolojia" :-P ka tsy nahay namakafaka sy naminany fa dia nijabaka :-)
    Mahery kah, atokisako ny poetinay (fa tsy artistay)

    Nampidirin'i ikalamako 31 Okt 2007, 21:39
  20. Mba raharaha koa izy izany! toa ny tenanay indray no voasoketa ho mpanao ankety... Aleo hangina ka. Tsy arakay ny resaka, marina.
    Tsy mba nandalina "psikolojia" koa ny tena ka izany angamba no tsy hahafahana manaraka ny lanton'ny resaka...
    Veloma ary tsarà daholo!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 31 Okt 2007, 22:34