TSY IRERY IANAO...

Nampidirin'i dadarabe | 30 Okt, 2007

Na mafy aza ny lalana,
Mideza ny fiakarana,
Manjombona ny andro,
Miampify ny masoandro,
Ka zary haizin-kitroka ny faravodilanitra
Marefo sy malazo 'reo voninkazo manitra;
Tsy irery ianao...

Na misy kotroka aza,
Mirotsaka ny havandra,
Mivelatra ny fandrika,
Miridy sy maranitra,
Ka ny androm-piainanao vinita fahirano
Fa misalovandovana ny loza sy ny angano;
Tsy irery ianao...

Na misy ny alahelo
Mandrotika toa helo,
Ka manamontsamontsana
Sy mampivarahontsana,
Ka indro mihozongozona ny kely mba finoana,
Ny hany sisa mamy manjary tsy tsaroana;
Tsy irery ianao...
 
Tsy irery ianao,
Fa misy namanao,
Izay tsy mba manadino,
Ka indro ianao fa mino,
F'hiposaka tsy ho ela ny tara-pahazavana
Hitondra hafaliana s'hizara hafanana;
Tsy irery ianao...

Dadarabe
Marseille,
01/09/2001  11:00


17 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TSY IRERY IANAO..."

  1. Ndrô, mampalahelo be ilay zaza manirery!

    Asiako hiran'i Dillie kely:

    Tsy irery ianao,
    Any alavitra any
    Tsy irery ianao,
    F"izao mbola eto ihany!

    Mahatsiaro anao isan'andro
    Mahatsiaro foana ny endrikao
    Manisa lava ny andro
    Mba hihaonana aminao...

    Gretra kely @ zay....misoatra e!

    Nampidirin'i Tsiky 30 Okt 2007, 14:45
  2. izaho koa, tonga dia tany amin'i hiran'i Dillie tena mba ankafiziko no nalehan'ny saiko.
    Izahay tsy irery toa io ankizilahy kely mampakalelo io fa be namana eto amin'ny blaogy : ny poety, ny mpanao gazety, ny mpananihany, ireo mpiserasera e !

    Nampidirin'i ikalamako 30 Okt 2007, 14:54
  3. Mampalahelo ve izy ? tsy irery anie izy é! misy namana foana. Sa tsy izany ry Tsiky sy Ikalamako ?

    Courage letsy zandrikely à !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 30 Okt 2007, 14:57
  4. Misaotra eeeee ! Tiako be ity tononkalo ity izany.

    Tsara, tena tsara. Ankasitrahana manokana ilay teny tsy heno isan'andro : vinita, miridy sns.

    Pissoa

    Nampidirin'i pissoa 30 Okt 2007, 19:09
  5. Misaotra Pissoa à! izaho indray no variana hoe kay moa misy an'ireo tokoa amin'ilay tononkalo.

    Misy zavatra saika hangatahako amin'i Pissoa : ampindramo tononkalonao hoe aho ataoko eto @ laogy. Misaotra mialoha

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 30 Okt 2007, 19:39
  6. tsy irery marina ry dadarabe raha manana namana tena namana

    raha mila fanampiana ianao
    raha misy tsy mety ny atao
    tsarovy akia f'any ho any
    misy namana tena tia

    hoy mahaleo izay

    tsiky>>> io hiran'i dillie io koa no tonga voalohany tato andohako namaky ilay tononkalo :)

    Nampidirin'i Oceane 30 Okt 2007, 20:39
  7. Oceane>>
    raha mahatsiaro irery ianao indraindray
    na marary nefa tokana iray
    tsarovy akia fa any ho any
    Misy namanao tena tia

    Tsy irery ianao fa misy mahatsiaro.....

    Nefa ve dia tsy irery tokoa ny tena ?

    Nampidirin'i DadaRabe 30 Okt 2007, 20:56
  8. Angaha tsy hainao ilay hoe...

    Izaho no mety tsy eo anilanao..
    Fa ny foko, sy izay amiko rehetra efa ao anatinao!
    (Voa noforon'i kala tsiky teo io hi hi hi hi hi)

    Hum ilay metaphore ny hoe eo tsy eo anie, dia voa-demontrer raha mino an'Andriamanitra e!

    Asa hainareo ve ilay on se retrouvera an'i Francis Lalane?
    Pense à moi comme je t'aime et rien ne nous separera....
    Sy ilay when I die an'i No Mercy...When i die i keep on living...

    Za mino hoe tsisy irery zany raha mbola misy fo mitempo fitia ho an'ny tena any ho any!

    Bonne nuit

    Nampidirin'i Tsiky 30 Okt 2007, 23:24
  9. Andraso fa ampiditra tononkalo irayaho rehefa avy eo ry Tsiky fa mamaly an'io ny "lohateny".

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 30 Okt 2007, 23:48
  10. ILay nosoratanao etsy ambony ry Tsiky. Nieritreritra be aho hoe ahoana ary ny feon'io. Kay hiranao. Ny feony sisa izany tsy henoko fa ny tonony efa io. :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 30 Okt 2007, 23:50
  11. hi hi hi mba voako indray ndry zany t@ iny ry DadaRabe hi hi hi
    ndraso fa vakiko le anakiray

    Nampidirin'i Tsiky 31 Okt 2007, 11:29
  12. :-) izay voa mangina é!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 31 Okt 2007, 12:05
  13. K'efa hoe mahavariana !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 05 Nov 2007, 13:22
  14. Fa inona ary ilay mahavariana ry Tsikisariaka fa manjary enigmatika be ilay izy ka fanina ny tenanay :-)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 05 Nov 2007, 14:10
  15. Aza alefa lavitra fa izaho izany rehefa mitsidika dia na nisy hevitra tiako ampidirina aza dia varina aho mijery ny fanehoan-kevitra isan-karazany aloha dia manjary izay sisa no tavela hoe : "Mahavariana e !"

    Nampidirin'i tsikisariaka 07 Nov 2007, 09:45
  16. Ka misy anie ry Tsikisariaka olona marani-tsaina é! dia hoy aho hoe inona aza no nahavariana an'i Tsikisariaka ? Nisynamana izay noresahiko hoe : fanateram-posa. Nahitany hevtra hafa tsy noeritreretiko mihitsy ilay izy ! Mahavariana ! DdRb Nampidirin'i dadarabe 07 Nov 2007, 13:13
  17. Ka misy anie ry Tsikisariaka olona marani-tsaina é! dia hoy aho hoe inona aza no nahavariana an'i Tsikisariaka ? Nisynamana izay noresahiko hoe : fanateram-posa. Nahitany hevtra hafa tsy noeritreretiko mihitsy ilay izy ! Mahavariana ! DdRb Nampidirin'i dadarabe 07 Nov 2007, 13:14