MAHERY NY FITIAVANA !
Nampidirin'i dadarabe | 28 Okt, 2007Mahery ny fitiavana…
…Mahavita mianika ny tendrombohitra avo,
Tsy ketraka, tsy lavo…
Miriotra hery hatrany, manohy tsy resin-kivy,
Mifofotra, mikiry !
Ilay tiana ihany !
Ilay tiana hatrany !
…Roso an-karavoana, hoby an-kafaliana,
Henim-paniriana,
Bitaka, entanentana fa rehitra anaty,
Reda tsy ho faty !Salanitra miaina,
Salanitra misaina.
…Tsy misy mahasakana fa fo mikiribiby
Sy tokana safidy.
Eny, hatramin’ny rariny ahiliny avokoa,
Ilay tiana ihany aloha !
Mahay fahadalana !
Mahay fahagagana !
…Ny mandrakizay no fetra ilalaovany
Sy dina nifanaovany.
Sahy misedra afo, varatra sy ady,
Tsy mampihemotra azy…
Hatramin’ny fahaverezana !
Hatramin’ny fahafatesana !
…Mahery ny fitiavana !
DadaRabe
St Pierre et Miquelon
28/10/07 11:41
mahery koa ny mpitononkalo !!!
Nampidirin'i ikalamako 28 Okt 2007, 23:20Mahery daholo ny rehetra. Indrindra ny hatsiaka manomboka manaikitra. :-)
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Okt 2007, 00:19MAhery ianaoDadaRabe â!
Nampidirin'i Ryana 29 Okt 2007, 12:32Ryana
Letia à ! lasa izaho indray no mahery nefa ilay fitiavana anie no mahery ry madimoazely é! hahahahaha
Miarahaba trartry ity herinandro vaovao.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Okt 2007, 12:48salut,
Mampatsiahy hiran'i Landy t@ mbola kely..
Tsy fanahy hiniana ny ho resin'ny tiana
Fa mahery ny fitia...
Efa mba salama kely zoky a, dia mandalo anareo mamangy
Nampidirin'i tsiky 29 Okt 2007, 13:17Mandrapitafa indray
Tsara ilay tononkalo fa mahery ilay mpanoratra indrindra eo amin'ny safidy atao amin'ny teny atao. Fototeny fotsiny avy hatrany, tonga dia... tafiditra.
Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Okt 2007, 13:53Mankalaza e !
Hisy azy indray ny tanora amin'ny Alarobia hanaovantsika azy ry DdRb a !
Harenan'ny teny gasy avokoa izany koa ankaherezina hatrany ny mpanoratra hamelo-maso azy.
Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Okt 2007, 13:59Tsiky>> Tsara rehefa salama razandry. Harena sarobidy izany.
Ie, tiako koa io hira io.
"Tsy tarehy tsy bika no hiarahantsika..fa mahery ny fitia" :-)
Tsikisariaka>> Misaotra amin'ilay toraka voninkazo. Hay moa mampiasa fototeny : andininy faharoa é!
Dia tantarao anay ary ny vaovao é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Okt 2007, 14:27Misaotra fa dia vitanao hatsangana ho hita maso sy azo tsapaintanana ny atao hoé fitiavana ry DdRb. Ny sehetra ivelarany no irariana halalaka kokoa fa tsy hijanona eo @ olon-droa ihany.
Nampidirin'i Pone 29 Okt 2007, 16:15Ie, marina tokoa ny an'i Pone. Tsy amin'olon-droa ihany ny fitiavana. Ary tsy amin'olombelona ihany. Ny tiako ho lazaina dia mety hoe : tiako ny milalao rugby (fitiavana koa izany).
Zavatra lalina ny fitiavana fa dia hoy isika hoe :
"Mahery ny fitavana".
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Okt 2007, 17:38Hi hi - tsy mahagaga raha toy ny mitondra "vara-datsaka" hatrany ra-Fitiavana.
Vive L'Amour !!!
Nampidirin'i pissoa 29 Okt 2007, 18:27Vive l'amour an !
tamin'ilay "vara-datsaka" anie saika noraisiko hoe "coup de foudre" é! kanjo niova teny ampovoany teny ilay hevitra.
Mahery !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Okt 2007, 18:38HItako tary ambadika tary
"Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo".
1 Korintiana 13:4
"Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana". Tonon-kiran'i Solomona 8:6
Nampidirin'i DadaRabe 29 Okt 2007, 18:59Mbola ampiako:
Tsy safotry ny ranobe akory ny fitiavana...(Baiboly)
Io fitiavana io ihany no nahatonga izany....(Nono)
Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra ny olona rehetra nanota teto antany: nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy (St Paul)
Nampidirin'i Tsiky 30 Okt 2007, 09:06Fitiavana, fitiavana... Doc Holliday moa sa iza iny hard nihira an'iny.
Fa hirain'i Njakatiana sy i Francia koa izao ny hoe "tena fitiavana, kanto ny fitiavana nomen'Andriamanitra" ary tafiditra ao ilay IKor 13 : 13 hoe "fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin'ireo"
Koa samia mikolo ny fitiavany e ! ho an'ny rugby, ho an'ny moto, ho an'ny dogs & cats, ho an'ny ankilany, ho an'ny ......
Nampidirin'i Tsikisariaka 30 Okt 2007, 10:01Mahery ny fitiavana !
Mahery koa ireto mpiblaogy !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 30 Okt 2007, 10:09Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
Nampidirin'i mpandalo 30 Okt 2007, 18:46Romana 13:10
miarahaba
mamhery marina ny fitiavana
Nampidirin'i Oceane 30 Okt 2007, 19:36hoy ilay mpampianatra anay fahiny izay hoe:mbola ilay fitiavana no mampatonga olona manatitra ny tiany avy any ivato mankany tanjombato ary avy eo izy mbola hamonjy fodiana any ambatobe!
nampime ilay izy t@izany fa izao vao tonga saina hoe mahery marina ny fitiavana...
Hahahaha tsy ratsy ilay fanoharan'ny mpampianatra anareo. Mazava be mihitsy.
Mampanan'elatra ny fitiavana ry Oceane é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 30 Okt 2007, 19:58Aza adinonao ilay fiangaviako. Aleo hilamina mihitsy iny DdRb a !
Nampidirin'i Pone 31 Okt 2007, 11:46Raha tena mahery ny fitiavana tena tsy ohatr'izao ny fiainan-janak'olombelona eto ambonin'ny tany. Eritreritro izay aloha e !