‘TY ZAZA ‘TY MADITRA !

Nampidirin'i dadarabe | 24 Okt, 2007
 
‘Ty zaza ’ty maditra !

Fa taratasy fotsy
Nataoko pistily,
Alefa ho an-dRafotsy
Fenoiny pensily.

Rindrina madio
Vao nosasako androany,
Tsy ela toa tadio…
Dian-tongotra avy hatrany.

Vazy novidiako,
Hasiana raozy gasy,
Mba tena nokajiako,
Parasaka sy vaky.

Pataloha voapasoka
Sy tena velon-drirana,
Nataony vasobasoka,
Nikoritra, nivilana.

Varavaran-kazo,
Zato taona angamba !
Nianjera toa nalazo,
Tsy haiko izay nitranga.

Izaho nahita tory
Sy efa saika renoka,
Nasiany voanjobory
Tam-bavako, voateliko.

Kanefa vao tenenina !
Mipitrapitra maso
Izaho  no toa manenina,
Toa hoe nanao ankaso.

‘Ty zaza ’ty maditra !

Dadarabe
Marseille
26/06/00 21 :15


24 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "‘TY ZAZA ‘TY MADITRA !"

  1. Tsy angalariko izany ilay zaza DdRb fa ho entiko any @ dada sy mamany a. Eto izy tadiavinareo bedesina.

    Nampidirin'i Pone 31 Okt 2007, 12:30
  2. Tandremo ! tandremo ! fa ratsy ny mangala-jaza an ! zava-doza sy atambo io.
    Angaha tsy henonao ilay tany Tchad. Zanak'olona hono dia angalarin-dry zareo dia lazainy fa humanitaire. Mampivonto fo !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 31 Okt 2007, 14:01
  3. Salama jiaby !
    Océane > dia inona no atao hampangina ilay miesona be aloha ? mba valio fa mba te-hianatra an'izany e ! rehefa mivahiny ao aminay i Papa dia tena miesona be mihitsy dia tsisy atoriana, ren'ny manodidina dia mahasosotra. Misaotra mialoha.

    DdRb > efa ela anie io zaza io no hitako nitsongolika teo e ! izaho koa variana foana nefa tsy haiko hoe atao ahoana izy ? Soa ihany fa efa halain'i Pone !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 05 Nov 2007, 13:55
  4. ie, efa i POne hono no haka azy. Misaotra azy be fitiavana é!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 05 Nov 2007, 14:07
«Mialoha   1 2