‘TY ZAZA ‘TY MADITRA !
Nampidirin'i dadarabe | 24 Okt, 2007‘Ty zaza ’ty maditra !
Fa taratasy fotsy
Nataoko pistily,
Alefa ho an-dRafotsy
Fenoiny pensily.
Rindrina madio
Vao nosasako androany,
Tsy ela toa tadio…
Dian-tongotra avy hatrany.
Vazy novidiako,
Hasiana raozy gasy,
Mba tena nokajiako,
Parasaka sy vaky.
Pataloha voapasoka
Sy tena velon-drirana,
Nataony vasobasoka,
Nikoritra, nivilana.
Varavaran-kazo,
Zato taona angamba !
Nianjera toa nalazo,
Tsy haiko izay nitranga.
Izaho nahita tory
Sy efa saika renoka,
Nasiany voanjobory
Tam-bavako, voateliko.
Kanefa vao tenenina !
Mipitrapitra maso
Izaho no toa manenina,
Toa hoe nanao ankaso.
‘Ty zaza ’ty maditra !
Dadarabe
Marseille
26/06/00 21 :15

Ilay varavaran-kazo kosa tsy ditrany e, mba ilay voanjobory ahay :-)
Nampidirin'i lap 24 Okt 2007, 15:25hi hi ...voanjobory maina mbola manta ve ilay voatelina ry DadaRabe ?
Nampidirin'i zazahendry 24 Okt 2007, 15:33ary matanjaka kely ilay zaza...
Nampidirin'i Ryana 24 Okt 2007, 15:43tsarsa ilay sary tamin'ity indray maka ity.
mankasitraka ê!
Ryana
Io tononkalo io ilay tary @ wanadoo e?
Nampidirin'i Tsiky 24 Okt 2007, 15:47M'lay ilay sary
ilay varavaran-kazo ? Efa nahita ireny zaza tena actif gravy ireny ianareo ? Tsy fantatra mihitsy izay mety ho vitany. Eny é! angamba tsy ditra.
Voanjobory ? soa aza fa tsy nisondrovaka koh !
Ilay zaza am'sary no lazain'i Ryana !
Ie, toa efa navoakako tary amin'ny wanadoo fa tsy tadidiko hoe oviana! Raha efa hitan'i Tsiky dia sûr fa efa tany.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 24 Okt 2007, 15:59Marina izany ry Ikalamako !
Ny zava-misy anie dia ny tena indray no toa mahatsiaro diso raha miteny azy é!
Fomban-javatra
DdRb
Nampidirin'i dadarabe 24 Okt 2007, 16:09Tokony hoe nampidiriny tany anaty orona ilay voanjobory
Nampidirin'i lalaina 24 Okt 2007, 16:18Nampidiriny tao anaty orony sa nampidiriny tao anaty oron'ilay mpitantara ry Lalaina ? Lalaina an !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 24 Okt 2007, 16:26Tiako be ilay tononkalo, indrindra ilay farany ... ndryyyy, hi hi hi.
Nampidirin'i Pissoa 24 Okt 2007, 16:33Ntsôôô ! Tia zaza mihitsy i Pissoa izany ! Kanto kah !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 24 Okt 2007, 16:44Mampatsiahy ny adalana taloha ilay tantara anie e!
Nampidirin'i Tsiky 24 Okt 2007, 18:56Ny anay siramamy no natao tao ambavan'i papabe fa tsy voanjobory
Hahahaha i Tisky an ! hay ianaro izany no tene sefoben'ny mpigafy tao !
T@ izahay mbola kely dia misy milaza hoe raha asiana sira hono ny vavan'ilay matory mitanatana vava iny dia miteny izay hanontaniana rehetra.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 24 Okt 2007, 19:02hahahahha izahay koa ry DdRb dia nino iop nolazainao io. Ary dia nisy fotoana, tamin'ny vatonjaza, andrasana mihitsy ny hatorian'ny iray (amin'ny mpiray tam-po) dia asiana sira ny vavany ary dia anontaniana ny amin'ny olona tiany... TSy nety akory fa ady mazàna no niafaràny satria tapa-tory ilay natory...
Nampidirin'i Ryana 24 Okt 2007, 19:10Tsarà ê!
Ryana
Oay ! Hay ve ianao tena nanandrana é! Izaho toa tsy nanandrana raha tsy diso aho. Tsy tadidiko anefa.
Efa renareo indray ve ilay hoe raha asiana lavenona ny tarehy (handrina) n'ilay matory dia tsy miverina ny ambiroany.
Tantaran-jaza izany an !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 24 Okt 2007, 19:52lol lol ilay lavenona indray ny nahalalako azy dia hoe mba tsy andalovan'ny fanahy ratsy hono e!
Bonne nuit daholo
Nampidirin'i Tsiky 24 Okt 2007, 21:49sao dia tsy maditra ilay zaza fa irony antsoina hoe hyperactif irony?
Sady @ mahazaza azy koa moa dia mila ampianarina ny tsara sy ny ratsy fa tsy tonga ho azy.
Miteny izany nareo fa za sy ny zokiko taloha rehefa resitory i dadanay ka mihesona, dia mifaninana izahay mahay mampangina azy!:)
Nampidirin'i Oceane 24 Okt 2007, 22:00fa ny sira sy ny lavenona aloha mbola tsy nandramako
Tsiky>> Hay ny anao ny lavenona maqmpandositra fanahy ratsy ? Ny henoko indray dia rehefa feno lavenona ny tavan'ilay olona matory ka hiverina ny ambiroany rehefa avy eo dia tsy mahalala azy intsony. Lasa gaigy. Izany hono an!
Oceane>>Hyperactif indray ve ilay zaza ? dia ahoana ? Omena ritaline ?
Dia ahoana no nampanginanareo azy ry Oceane ? dia nety ve ?
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 24 Okt 2007, 23:52Mahafatifaty kely. Alaiko kely aminao ity sary ty DdRb fa tiako be a ! Dé avelao rangahy lé zaza hilalao fa mampivelatra be be kokoa azy zany an ! Aza atao maditra izany izy. Ary ty DdRb ty kay kizitina leity e !
Nampidirin'i Pone 28 Okt 2007, 18:43Alaivo ilay zaza raha tianao. Tandremo anefa fa be ny mpangala-jaza izao. :-) sao lazain'ny olona hoe...
Eny ary fa tsy maditra ilay zaza é! Ekena ary hoe mivelatra izy rehefa manao izany rehetra izany.
Mazotoa é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 28 Okt 2007, 21:24