TARY BOGOSY!

Nampidirin'i dadarabe | 22 Okt, 2007


Gaga i nedala fa hay mafy ady,
Ny tary bôgôsy sy manambady,
Betsaka loatra ny mpanadala,
Kanefa ny fony mangarahara.

Naleony nijanona tao an-trano,
Kivy izy, leon’ny anganongano,
Sy ireo tsipi-tolaka misahotaka,
Be ireny resaka tena kobaka.

Ny kopa-damba dia tena loza!
Mandrangorango toy ‘reny foza,
Kanefa ny masony tsy nijery,
Izy niroso nandeha irery.

Izy kanefa dia tokam-po,
Ka nisafidy ny hankato,
Ilay malalany tena tiany,
Sitrany sady koa faniriany.

Androany nedala efa tony saina,
Fa io eo akaiky ‘lay sombinaina,
Ka falifaly izy fa tsy ketraka,
Tary bôgôsy mahay mipetraka!

DadaRabe
Marseille
09/03/02   15:23


49 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TARY BOGOSY!"

  1. Raha ohatran'io ny matotoa tsy mampitahotra fa mampihomehy ! Sûre aho fa gentil kely ohatran'i kaspers io ! Nampidirin'i Pone 23 Okt 2007, 20:29
  2. Mampihomehy ianareo ka ! Eny e, ohatran'io zany ny tary bogosy rehefa lasa matoatoa : mbola hita ihany hoé beau. Sady sûre aho fa tsara fanahy io an ! Nampidirin'i Pone 23 Okt 2007, 21:26
  3. Bogosy tokoa hany izany an ! Izao kosa ve ny matoatoany handainga k'léity e ! Tiako sady mampihomehy ahy e !

    Nampidirin'i Andrianilàina Toky 23 Okt 2007, 21:35
  4. Misaotra Toky à!
    Tantara be io raha novakianao ny hafatra teo aloha.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 23 Okt 2007, 21:55
  5. Hay ve ilay tary bôgôsy no lasa matoatoa é!
    Lalina indray izany ry Pone !

    DdRb

    Nampidirin'i dadarabe 23 Okt 2007, 22:03
  6. Manao ahoana Toky a ! Io ve ny tena anaranao ? Ohatran'ny olona fantatro ianao e, any e ? eny ho'aho ! Tena fantatro ianao io ka.
    Slt DdRb ! Faly be tafiditra eto. Mety amiko zany e ! Misaotra anao nanasa ahy ho aty. Fa ahoana raha hanao hoé do, do, do o !!!!

    Nampidirin'i Pone 24 Okt 2007, 20:59
  7. Do do do o inona izany ry Pone fa tsy arako

    DdRb

    Nampidirin'i dadarabe 24 Okt 2007, 21:40
  8. Haody io e ! do, do, do o ! Ao ve nareo e ?!!! Dia azo atao ohatran' ny messenger zany eto amin'izany raha ao nareo.

    Nampidirin'i Pone 28 Okt 2007, 19:16
  9. Hay ve é! hay ka mandondona ilay izy. Izaho ve nahalala ry Pone :-D

    Nampidirin'i DadaRabe 28 Okt 2007, 21:22
«Mialoha   1 2 3