TARY BOGOSY!

Nampidirin'i dadarabe | 22 Okt, 2007


Gaga i nedala fa hay mafy ady,
Ny tary bôgôsy sy manambady,
Betsaka loatra ny mpanadala,
Kanefa ny fony mangarahara.

Naleony nijanona tao an-trano,
Kivy izy, leon’ny anganongano,
Sy ireo tsipi-tolaka misahotaka,
Be ireny resaka tena kobaka.

Ny kopa-damba dia tena loza!
Mandrangorango toy ‘reny foza,
Kanefa ny masony tsy nijery,
Izy niroso nandeha irery.

Izy kanefa dia tokam-po,
Ka nisafidy ny hankato,
Ilay malalany tena tiany,
Sitrany sady koa faniriany.

Androany nedala efa tony saina,
Fa io eo akaiky ‘lay sombinaina,
Ka falifaly izy fa tsy ketraka,
Tary bôgôsy mahay mipetraka!

DadaRabe
Marseille
09/03/02   15:23


49 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TARY BOGOSY!"

  1. Ghost whisperer nga ndry zao?
    Je rigole sao tezitra an...

    Nampidirin'i Tsiky 22 Okt 2007, 16:16
  2. Tsy azoko indray ry Tsiky hoe naninona no Matoatoa ilay sary ! hahahahaha

    Izay aloha razandriko izany à
    Ary ilay hiran'i Lolo snt ?

    DdRb

    Nampidirin'i dadarabe 22 Okt 2007, 16:20
  3. Ra-alina alefako ka...hum zakarandahy aloha en premier sa ahoana ozy toi? Dia asiantsika tady vita fatomaty.

    A++

    Nampidirin'i Tsiky 22 Okt 2007, 16:27
  4. dray dray dray...
    Mitohy ny nofy ratsy, nefa ny tononkalo miventy ny 'tary bôgôsy" izany hoe tsara, raha azoko.
    TSy aleo ve ny sarinao DadaRAabe no natao teo? sa moa tsy mikasika anao ny tononkalonao, araka ny fanazavàna nataonao tany amin'ny tononkalo hafa???
    hahahaha

    Nampidirin'i Ryana 22 Okt 2007, 16:28
  5. Hahahaha Ryana ! Hay tokoa moa ny matoatoa nofy ratsy ry Ryana !
    Soloina sarin'iza ary no hitani Ryana fa mety é ?

    Misaotra Tsiky à
    Misy henoina. Tiako daholo ireo hira ireo.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Okt 2007, 16:53
  6. ka hoe ny sarinao koa!
    :-D

    Nampidirin'i Ryana 22 Okt 2007, 16:59
  7. Ryana,

    zay ny nanaovako azy hoe lasa ghost whisperer zoky lahy hi hi hi hi hi.
    Ndraso tadiavana sary izy dia alefantsika any @ mail hoe ty zô ny atao hoe tary bôgôsy ha ha ha ha
    G une petite idée la dessus

    Nampidirin'i Tsiky 22 Okt 2007, 17:00
  8. Mifona Ryana fa hisy hitoraka voatabia sy lamokan'atody eo ny sariko. Hahahaha

    Alefaso ary izany sarina tary bôgôsin'i Tsiky izany é! ahafantarany ny goût n'i Tsiky koa anie é! hahahaha

    Alefaso an!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Okt 2007, 17:09
  9. Efa lasa any ry lerony e...ha ha ha ha ha ha ha ha ha
    Dia ovay an

    Nampidirin'i Tsiky 22 Okt 2007, 17:10
  10. Andraso ary jerena. Ireto ankizy ireto rey olona manapa-tsinay !

    :-D

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Okt 2007, 17:11
  11. lol miandry an..lasa mini tchat ty marina mafy hi hi hi

    Nampidirin'i Tsiky 22 Okt 2007, 17:15
  12. aiza ilay sary ê? mangitakitaka ny mambra ao amin'ny DFC marina (DadaRabe Fan's Club)
    haahahahahahahh
    tsarà ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 22 Okt 2007, 17:19
  13. Andraso fa efa hitako ilay sary tena bôgôsy tokoa angamba (izaho moa tsy mahafantatra hoe ahoana izany tary bôgôsy izany)

    andraso fa alefako Ryana à (manana goût ilay havantsika)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Okt 2007, 17:30
  14. Efa tafiditra ary ilay sary an!
    Sady mahandro sakafo ihany anie aho io é!

    DdRb

    Nampidirin'i dadarabe 22 Okt 2007, 17:38
  15. mampatahotra kosa marina ê! raha ny hevitro Rabe dia aleo miverina amin'ny fomba taloha izay tsy hita izay maharatsy azy: aleo ihany tsy asiana sary satria manjary simba ny hakanton'ny asasoratrao. Manjary mampatahotra ny miandry ny écran hoe inona indray no hohita ato... Ryana TSarà Ryana Nampidirin'i Ryana 22 Okt 2007, 18:05
  16. ha ha ha ha ha ha ha, tapaka ny tsinaiko ato....nisy fivoriana kely naleha tsy andry ery tao izay hivohahana hijerena ilay gôgô-sy keliko apetak'i Drbe eto...

    Merci, milay beuhhh

    Nampidirin'i Tsiky 22 Okt 2007, 18:22
  17. Io izany ilay tary an! :-D
    mety kah ! Tsara tohizo ! hoy ny mpampianatra fahiny.

    Ilay sary iray bangaridana indray ohatry ny nampalahelo ahy i lery raha nataoko teo.Ny azy aza efa y fidiny. :-)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Okt 2007, 18:29
  18. Hi hi hi lasa nifindran'ny fitiavana hanihany koa ise hi hi hi!
    Hum za koa malahelo iny banga ridana iny mintsy.....

    Nampidirin'i Tsiky 22 Okt 2007, 18:33
  19. Ryana! tafiditra tary amin'ny spam ilay nosoratanao teo ka nampidiriko.

    Dia ahoana ry Ryana ? ajanona indray ve ny sary nefa anie manome endrika ilay tononkalo. Andraso indray ary fa hijery sary elaela mihitsy aho handinika hoe iza no minaraka amin'ity tononkalo ity.

    Misaotra betsaka amin'ny toro-hevitra.

    DdRb

    DdRB

    Nampidirin'i dadarabe 22 Okt 2007, 18:33
  20. Tsiky>> Ie, ohatry ny very be ilay sakaiza. Ekipan'i Père pedro angamba ?

    Omeo adiresy aho Ryana ampisehoako anao koa ilay sary à
    dadarabe@voila.fr

    DdRb

    Nampidirin'i dadarabe 22 Okt 2007, 18:36
1 2 3  Manaraka»