TENA VARA-DATSAKA !

Nampidirin'i dadarabe | 19 Okt, 2007

Tena vara-datsaka !
Iny fa mifoha ilay fitiavako anao…
Afo joala miakatra !
No hitako manenika izao tontolo izao,
Mafana be anaty !
Mafana tsy ho tanty !

Dia tena mihorohoro,
Mangovi-pahasambarana, miaro fifaliana,
Ny anatiko tontolo…
Mientana ny aiko, mihira fihobiana,
Fa tojo izay niriana,
Fa tojo anao ilay tiana.

Asa ! Angamba nofy ?
Tsy haiko tantaraina fa toy ireny angano…
Mateza tsy marofy,
Tsentsefina tsy lany fa mbola mamy hatrany…
Fa eny an-drahon’eny !
Fa eny an-danitr’eny !

Tena zavatra hafa !
Angamba izany akia no atao hoe paradisa !
Tsy voalaza an-tafa,
Volana baliaka sy kintana alin-kisa,
Tiako hitohy akia !
Tiako akia indry !

Tena vara-datsaka !

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
19/10/07   11 :29

22 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TENA VARA-DATSAKA !"

  1. Tena ratsy aloha ilay sary tsiky à
    toa ohatry ny andro ratsy be (oram-baratra) nefa fitiavana mifoha no resahiny.
    Mba hanao ahoana ny ampitson'io fitiavana io ?
    Nefa hoy i Ravoo etsy ambony hoe "indray mandeha ihany no tokony ahatsapana io vara-datsaka" io.

    Tsy mahay ilay nampiditra ilay sary fa tokony ho sary misy fanantenana no nasehony. Loza izany !

    Tsarà daholo é!

    DadaRabe

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Okt 2007, 16:02
  2. Ka ny ahy izao ry DadaRabe dia tena t@ fotoam-pahavaratra mihitsy no nitrangan'ilay vara-datsaka ko. Hoatrohatr'izao: Fa raha mbola nialoka teo an-tokotany Nitsamboatra ny fo, nisento ambony ihany Tsela(tra) mandalo ve sa loko mavany Ny tohin'ny tantara no hilaza izany Mololo midonaka mamerovero No ifampizarana 'lay tsiambaratelo Tsy navelan'ny rivotra hialin'andro Indrisy ry varatra manta nahandro :-) Nampidirin'i kwasi 22 Okt 2007, 19:28
«Mialoha   1 2