TENA VARA-DATSAKA !

Nampidirin'i dadarabe | 19 Okt, 2007

Tena vara-datsaka !
Iny fa mifoha ilay fitiavako anao…
Afo joala miakatra !
No hitako manenika izao tontolo izao,
Mafana be anaty !
Mafana tsy ho tanty !

Dia tena mihorohoro,
Mangovi-pahasambarana, miaro fifaliana,
Ny anatiko tontolo…
Mientana ny aiko, mihira fihobiana,
Fa tojo izay niriana,
Fa tojo anao ilay tiana.

Asa ! Angamba nofy ?
Tsy haiko tantaraina fa toy ireny angano…
Mateza tsy marofy,
Tsentsefina tsy lany fa mbola mamy hatrany…
Fa eny an-drahon’eny !
Fa eny an-danitr’eny !

Tena zavatra hafa !
Angamba izany akia no atao hoe paradisa !
Tsy voalaza an-tafa,
Volana baliaka sy kintana alin-kisa,
Tiako hitohy akia !
Tiako akia indry !

Tena vara-datsaka !

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
19/10/07   11 :29

22 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TENA VARA-DATSAKA !"

  1. sao dia mila pompier DadaRabe a !
    Matoky anao ho'aho izahay fa hatramin'ny lohateny nampangovitra sy nampihorohoro toa hoe "misy inona ?", taitra aho marina an !
    :-P

    Nampidirin'i ikalamako 19 Okt 2007, 22:13
  2. Aza taitra ry Ikalamako !
    Na dia mirefotra ny lamako
    Mody manaitra fa sarin'ady
    Mody manaitra kay sangy ihany !

    Tsy pompier intsony angamba no ilaina amin'io koh ! :-p

    DadaRabe

    Nampidirin'i DadaRabe 20 Okt 2007, 00:14
  3. odry !!!!
    le tonokalo moa izany moba an i dadarabe sa??

    Nampidirin'i mayvava 20 Okt 2007, 03:54
  4. Momba antsika rehetra mayvava a
    Tena efa ho 700 mahry izao tononkalo aoa anaty ordy ao ka raha momba ahy daholo dia asa re izay hanjo ahy ? gravy angamba é!

    Ny ankizy zokinjokiny
    Ny tanora erotrerony
    Ny lehibe vantombantony
    Ny antitra lazondazony
    Ny razana nitia fahiny

    ;-p

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 20 Okt 2007, 14:51
  5. Raharaha tokoa Rabe fa ny tena mamaky avy no tora-kovitra... Tafapaka aty amin'y mpamaky ny vaikan'ny fitiavana ao aminao...
    MAhery ianao ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 20 Okt 2007, 19:11
  6. Misaotra madimoazely Ryana raha dia tafapaka hatrany Besalampy ilay izy à
    Lavitra an'izany !

    Nampidirin'i DadaRabe 20 Okt 2007, 19:26
  7. Giravy ity fitiavana ity !

    Ny misy hoe "varatra latsaka" tena tadidiko iray dia ilay Romy an'ny Ny Railovy ; hany ka vao nanomboka namaky ity tononkalo ity aho dia "nipararetra" (hi hi hi) fa na amin'ny soa izany na amin'ny ratsy dia mitondra vara-datsaka foana rafitiavana.

    Mazotoa hatrany fa mampazoto mitsidika ny blaogy koa ny asa-soratr'i Dadarabe.

    Nampidirin'i Pissoa 20 Okt 2007, 20:31
  8. Namaky lohahevitra vitsivitsy tamina tranokala hafa aho dia tsikarotro miverimberina ilay anarana ary rehefa namaky ny ampahany t@ ireo fanehoan-kevitra narosonao aho dia liana te hamantatra hoe iza ary ity olona ity? ny kisendrasendra ihany no niteraka ireny...ny tenako moa dia tsy mba mahay manoratra tonokalo,fa afaka mihanoka sy mankafy ny hakantony kosa ary tena tia tonokalo,mahavariana, mahafinaritra, ny mamaky ny soratananao indrindra ny fandalanao ny maha malagasy,ankoatra izany dia olon'ny fifanakalozan-kevitra koa ianao ry dadaRabe.Mankasitraka...Ny @ ilay lohaten'ilay tonokalo indray dia hoy" ny Ntaolo hoe ny varatra hono tsy indroa mitriatra @ tany" ka raha mitovy ny fisehon'ny fitiavana sy ny varatra dia tokony indray mande ihany izany no ahatsapana io vara-datsaka io,sahala @ fahavelomana na ny fahafatesana.asa raha marina izany fa eritreritra mody masoandro ihany sa ahoana ry dadaRabe.Mialatsiny fa lava be Nampidirin'i nampirin'i Ravo 20 Okt 2007, 21:34
  9. Hahaha ! toran'ny hehy aho ry Pissoa
    Toa nampihorohoro vahoaka indray aho izany !
    Ie, ilay hiran'i Railovy hoe : toa nilatsaham-baratra aho nandray ny ttsinao....
    Lalina ilay fitiavana koh !
    :-))

    Nampidirin'i DadaRabe 20 Okt 2007, 22:22
  10. Manao ahoana i Ravo,

    Iza ary ilay olona soratana sa ilay olona manoratra ?
    Tantara be dia be no efa nosoratako an-tononkalo ry Ravo. Be dia be tokoa moa izany raha tantara ary tena...

    Ny varatra tsy in-droa ! ie, raha hilatsaham-baratra aloha dia raha tsy maty dia mifofo volo é ! :-)

    Misaotra amin'ilay hoe olon'ny "fifanakalozan-kevitra". Raha ny tena marina dia miezaka mamaly foana aho rehefa misy miresaka eto.

    Izay fa misaotra Ravo à!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 21 Okt 2007, 00:18
  11. Noezahiko nasiana sary ireo tononkalo na dia tsy vita daholo aza.

    Saika hampiditra feo aho (mamaky tononkalo) fa tsy mbola haiko ny manao azy.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 21 Okt 2007, 16:32
  12. vao mainka gravy satria nasianao sary... Marina tsy hanonofy ratsy amin'io izahay!
    MIsaotra ê!
    farany angamba lasa "film" mihitsy ny tononkalonao.
    Tsarà!
    Ryana aty Besalampy, hoy ianao :-)

    Fa nahoana aloha no hoe Besalampy ê?

    Nampidirin'i Ryana 21 Okt 2007, 19:50
  13. Tena azafady mampanofy ratsy. Mivavaha alohan'ny hatory Ryana à :-)

    Hay ve efa any Marolambo indray ianao izao é! noheveriko fa mbola any Besalampy.

    MAtoria tsara. Tsy manana nounours angaha ianao ?

    Nampidirin'i DadaRabe 21 Okt 2007, 22:24
  14. mampihomehy koa ilay hoe tsy manana nounours angaha?
    ny anay hoy neninay taloha hoe manisa ondry hono.

    Nampidirin'i ruby 22 Okt 2007, 02:31
  15. DadaRabe,
    Tsy nikimpy maso mihitsy izao nandritry ny alina tontolo fa natahotra.Na ny jiro aza tsy nopihina...
    Efa tsy any MArolambo indray izao fa aty BErenty.
    Tsarà
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 22 Okt 2007, 10:48
  16. Ruby à marina tokoa ny anao, manisa ondry no tena mety. Saingy izao (jereo tamin'ny resaka tatsy aloha :misy hono fitiavana) fa very ondry i Ryana (soa fa hita). Nanahy aho ndrao dia manokatra fery efa nikombona ka hoy aho hoe aleo ampiasaina ilay nounours (vazivazy an)

    Hay any Berenty ianao ! Tsara kosa izany koh ! ilazao vaovao fa izao tena tsy mahalala momba an'i Berenty mihitsy. Miandry anao oizany an !

    DadaRabe

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Okt 2007, 13:17
  17. haahahahaaha
    mahay mampihomehy olona ny Dokoteranay Rabe ity, marina!
    Mirary soa ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 22 Okt 2007, 13:39
  18. Mba ilazao vaovao avy any Berenty moa é!
    Ny zavatra fantatray izao dia hoe misy jiro any Berenty ny alina (fa tsy misy delestazy) satria tsy nopihinao.
    Misy alina koa any ;-p (misy tanàna any avaratry ny bolan-tany tsy misy alina mandritra ny 6 volana an)

    Izay fa dia mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra ami'nizao fiandohan'ny herinandro izao.

    Tsarà é!
    DadaRabe

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Okt 2007, 14:32
  19. HOno ho'aho ?

    Aty am-piasana aho dia windows XP no ampiasaiko. Toa hafa be ny fivoakan'ireo sary fa "ngeza be". Toy izany ve any aminareo ?

    Amin'ny windows vista ilay izy dia mety ihany.

    Manataraiky ny fisokafan'ny blaogy ve ?

    Omeo retour aho fa tsy fantatro izay fivoakany any.

    DadaRabe

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Okt 2007, 15:42
  20. lol salut daholo indray...

    Tsy mbola nahita an'i DadaRabe tezitra woah za raha tsy momba io tononkalo io mdr!
    Mdr mihomehy irery aho mahita ny commentaires an'ny ankizy sasany, manonofy ratsy hono Ryana, ka misy mitady ondry e, ka misy mila nounours ha ha ha ha ha

    Tiako ilay sary ka, ilay tononkalo koa, zany hoe passion beuhh ilay izy, voazavan'ilay sary ilay izy..fitia maizina mamotika sa varadatsaka mamelona?

    Supens hitohy tsy ho ela

    Nampidirin'i tsiky 22 Okt 2007, 15:51