Aoka ! (Tononkalon'i Ny Eja)

Nampidirin'i dadarabe | 19 Okt, 2007
 
Aoka !

Aoka aho  tsy  hiandrandra
'Zany  lanitra tomaratra
Raha mbola maro  ireo  mahantra
Sasa-miandry  anao  fatratra

Aoka koa tsy  ho  be fihavy
Maika hihira fifaliana
Raha mbola maro  ireo  rahavavy 
Miaina anaty  fahoriana

Aoka koa tsy  ho  ahy 
Izany  androm-pivelomako
Raha mbola maro  ireo  fanahy
Miady  mafy  ka itolomako

Fa anao  ange ny  hery 
Eny  anao  ny  fahefana
Ilay  fisiako  dia kely 
Eny  anao  ny  iafarana .

Ny Eja ,
Juin 2007

13 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Aoka ! (Tononkalon'i Ny Eja)"

  1. Misaotra an'i Ny Eja amin'ny tononkalo.

    DadaRabe

    Nampidirin'i dadarabe 19 Okt 2007, 01:51
  2. mankasitraka an'i dadarabe nandefa ny tononkaloko ao .
    Ny Eja

    Nampidirin'i nyeja 19 Okt 2007, 08:29
  3. Tsara be!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 19 Okt 2007, 10:25
  4. kadadaka ianareo rey olona
    :-)

    Nampidirin'i ikalamako 19 Okt 2007, 10:41
  5. Saika taitra aho r'Ikalamako hoe "kadradraka". So ihany fan iverina namaky.
    Ianao no isaorana Ny Eja à!

    DadaRabe

    Nampidirin'i dadarabe 19 Okt 2007, 13:24
  6. ianao kosa e, ikalamako ve dia hahasahy izany nefa rima iray aza tsy hainy !
    :-P
    Misaotra anareo ny mpitsidika...
    Nifokofoko hono ny zandrin'i Hery ry Ny Eja nanaovanao tononkalo tamin'ny fanaovan-tsonia ny mariaziny. Dia mbola may vava koa ilay anadahiny fa donto indray ny zanak'olona efa tohina dia tohina. Lalina izany !!!

    [Hoy i Hery tamin'ny blaoginy 28 février :
    "Natao mariazy zandrinay faravavy tamin'ny asabotsy. Faly hono izy fa tanteraka ny faniriany... Nahafaly koa fa anisan'ny tonga nanotrona azy tao i Ny Eja nanolotra tononkalo iray nandritra ny fanaovan-tsonia. Dia nifokofoko nitomany hono izy nandritra ny fanaovan-tsonia :-) (donto tsss)."]

    Nampidirin'i ikalamako 19 Okt 2007, 13:54
  7. Fa mpamendrofendro, an an an, mpamokofoko, sa re ahoana e : mpampitomany ve ny mpanoratra amin'izany e ?
    Mpanetsika fo ny marina kay ! Aza mba tratrany e ? hi hi hi
    Mahatsiaro ny 25 taona lasa aho r'ikalamako !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 19 Okt 2007, 14:20
  8. Fo tsara daholo izany ry zareo à ! Fo tanora mientana :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 19 Okt 2007, 14:46
  9. Misy tononkalon'Ny Eja tiako verenana izay : misy hoé "....bonjour courtois". Sao dia hananan'i DadaRabe azafady ?

    Nampidirin'i Andrianilàina Toky 23 Okt 2007, 21:41
  10. Andraso fa hanontaniako an'i Ny Eja.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 23 Okt 2007, 21:53
  11. Efa nampitaiko taminy an !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 24 Okt 2007, 17:42
  12. Misaotra DdRb a, dia eto ihany aho izany no hijery an'io.Rà hitako any koa moa dia hoentiko eto.

    Nampidirin'i Toky 24 Okt 2007, 21:23
  13. Efa nolazaiko izy kah !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 24 Okt 2007, 21:34