MISY HONO FITIAVANA ...
Nampidirin'i dadarabe | 16 Okt, 2007
Misy hono fitiavana tsy lefin’ireo taona,
Tsy manam-pahataperana !
Fa toy ny loharano koriana eny foana,
Boiboika tsy azo ferana...
Fitiavana ny tiana,
Fitiavana mangina !
Misy hono fitiavana maharitra doria,
Mifikitra tsy miala !
Mitempo tsy miato, mikiry ilay fitia,
Tsy mety mamanala !
Fitiavana anaty,
Fitiavana tsy maty !
Misy hono fitiavana iriana mba hilefa...
Alevina, totofana...
Kanefa miha-mireda vonoina fa tsy hefa,
Toa manam-piarovana !
Fitiavana tsy toro,
Fitiavana mandoro !
DadaRabe
Saint Laurent du Maroni (Guyane)
26/02/07 22:09

Hatrary ka hatraty io
Sao dia ilay mpanoratra mihitsy ary no mpampatahotra ? Iza no mahalala !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 22 Okt 2007, 23:39lol asa na izaho no tena mpanonofy, na tia fitiavana tenebreux, asa iza ny mahalala!
Nampidirin'i Tsiky 24 Okt 2007, 13:28Fa amiko manokana mifono zava-dalina ilay sary (manao fanadihadiana lahatsoratra sy sary znay kala Tsiky anio).
Hum, miresaka karazana fitia maro ianao manko dia toa hitako misoratra eny @ lokon'io lanitra sy ny zava-boary manodidina azy ny karazana fitia lazainao.
Suis trop romantika koa anga...sady ireny tara-masoandro efa mody ireny toa mampihetsika tsiaro tsy hay tsy hay zay...
Asa tsaroan'i dadarabe ve ilay hiran'i Tsialonana mihira io tara masoandro io?
Ie, rehefa mifanena anie ny sary sy ny kalo dia lasa misy endrika vaovao izany indray é!
Ilay fahatsiarobvana mantsy dia manaikitra kokoa rehefa harivariva mody masoandro.
Tsy haiko ilay hiran'i Tsialonina.
Tsra anie ny romantika é! saingy tsy hifanena amin'ny olona romantika loatra fa manjary samy manonofy. Tsy tokony hifanena loatra ihany koa main'ny olona tena tsy romantika mihitsy manjary mifandiso ny lalana.
Tsarà é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 24 Okt 2007, 14:57