MISY HONO FITIAVANA ...
Nampidirin'i dadarabe | 16 Okt, 2007
Misy hono fitiavana tsy lefin’ireo taona,
Tsy manam-pahataperana !
Fa toy ny loharano koriana eny foana,
Boiboika tsy azo ferana...
Fitiavana ny tiana,
Fitiavana mangina !
Misy hono fitiavana maharitra doria,
Mifikitra tsy miala !
Mitempo tsy miato, mikiry ilay fitia,
Tsy mety mamanala !
Fitiavana anaty,
Fitiavana tsy maty !
Misy hono fitiavana iriana mba hilefa...
Alevina, totofana...
Kanefa miha-mireda vonoina fa tsy hefa,
Toa manam-piarovana !
Fitiavana tsy toro,
Fitiavana mandoro !
DadaRabe
Saint Laurent du Maroni (Guyane)
26/02/07 22:09

Mafonja dia mafonja ny foto-kevitra ijoroan'ny tononkalonao.
ARy ny rahahara anie DadaRabe dia indraindray toa lasa fangalam-piery io fitiavana io. TSy mety mifankatratra ny tia sy ny tiana...
Mankalaza hatrany!
Ryana
P.S. Dia tena mandehadeha ianao, Tompoko. Mbola misy ve tany tsy nandehananao? Vitsy dia vitsy angamba ô!
Nampidirin'i Ryana 16 Okt 2007, 19:42Gravy be indray izany fangalam-piery izany ry Ryana. Raha hoe tsy mety mifankafantatra izany dia tena zava-manahirana koh !
Ilay hoe mandehandeha dia entin'ny fitadiavana. "Ny tsy ampy ketsa hono mivezivezy".
Misy olona tsy mila mandehandeha fa eo an-toerana ihany dia mahita ny soa sy ny tsara.
Misy ny sasany...voatery miantsesitany. Mampalahelo izy !
DadaRabe
Nampidirin'i DadaRabe 16 Okt 2007, 20:39:-)
Nampidirin'i ikalamako 16 Okt 2007, 22:55no comment !
:-)
Nampidirin'i DadaRabe 16 Okt 2007, 23:05Ie, misy ny tsy ampy ketsa dia mivezivezy. Ny very ondry toa anay, manara-morona. Efa lanaky ny manara-morona nefa tsy mety hita izay ondry eo, na iray aza...
Nampidirin'i Ryana 17 Okt 2007, 00:14hahahah*
angaha tsy "gaigy" be ê!
Fiainana daholo izany.
Ryana
Fa ondry inona aloha no tadiavin'i Ryana ? Ary morona aiza no arahinao ? Tsy voatery hifanandrify anie izany é ! marina an'io !
Nampidirin'i DadaRabe 17 Okt 2007, 01:16Toro-hevitra : Hanontanio ihany ny namana fa ny hevitry ny maro hono mahataka-davitra.
:-)
DdRb
hahaahahahha
Nampidirin'i Ryana 17 Okt 2007, 10:03Anontaniako ary ianao ê! sao mba hitanao ny ondriko very?
hahahhah
tsarà
Ryana
Ka ahoana ny endriny ary taiza no very ?
Nampidirin'i DadaRabe 17 Okt 2007, 13:27Angamba kosa tsy tsara fatotra ilay ondry ... :-)
Nampidirin'i lehilahytsyresy 17 Okt 2007, 14:00Izay mihitsy angamba ry Lehilahytsyresy. Tsy afatortr'i Ryana ilay ondry dia lasa. Angamba adinony na ny sorany aza ary tsy tadidiny hoe taiza no very !
Ryana à ! mieritrereta ihany an !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 17 Okt 2007, 14:28Miloko fotsy ny ondry very ary nofatorako tsara fa inoako fa ireo mpanetsa tsy ampy ketsa no nanadala azy sady namaha ny fatorana, dia lasana izy.
hahahahaha
Mankasitraka ê!
Ryana
P.S. mitory hevi-dalina ilay anaran hoe "Lehilahytsyresy".
Nampidirin'i Ryana 17 Okt 2007, 15:30AMpio hoe aho hahatakatra ny hevitra tiana hambara, manahy aho sao hevitra tsy noheverina no omeko ilay anarana.
Miloko fotsy.(ny ankamaroan'ny ondry miloko fotsy. Tsy manampy ahy hanampy anao hitady izany)
Nadalain'ny mpanetsa tsy ampy ketsa.(tsy afaka manontany ondry koa aho hoe: ianao ve ilay nadalain'ny mapnetsa tsy ampy ketsa?)
Ampio aho ahafahako manampy anao Ryana ô !
Nampidirin'i DadaRabe 17 Okt 2007, 16:20Mbola tsara e,
Ny very ondry hono manara-morona...sao eny amoron'Ikopa eny izy Ryana(sarin-teny io)?
Mahalasa saina io tononkalonao io zoky lahy ka....
..totofana..
..manampiarovana..
Indraindrya ny tena ihany no toa miaro azy kanoa!
Bonne fin de journée daholo e
Nampidirin'i Tsiky 17 Okt 2007, 18:10Dadarabe
Misaotra an Atra aho fa hitako ho manampahaizana tokoa ianao eo amin ny lafiny maro ary tian ny olona ihany koa.
Aza adino mihitsy anefa ny manome voninahitra an Atra sy misaotra Azy noho izany rehetra izany fa Izy irery ihany no manome.
Mankasitraka tompoko.
Nampidirin'i lalaina 17 Okt 2007, 18:17Tsiky>> Miainga avy amin'ny tena daholo anie ny zava-drehetra ry Tsiky é!
Asa raha tadidinao ilay hira hoe fitia vao mitsiry n'i Mahaleo. misy teny aho hoe "hery roa no mifanandrina".
Lalaina>> Misaotra é! isika rehetra anie izany é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 17 Okt 2007, 18:43Ie, teny amoron'Ikopa teny no very ny ondriko. Ireo mpanetsa eny amin'ny tanimbary amin'ny fanaovana biriky eny no inoako nanadala azy... hahahha aleo faranana ny resako DadaRabe fa ataon'ny olona hoe adala eto aho. MArina moa! Tsarà ianao ê! Dia mankasitraka hatrany. Ryana
Nampidirin'i Ryana 17 Okt 2007, 19:51Fampandrenesana !
Efa hita ilay ondry é! hahaha
Ankoatr'izay mirary fahasalamana feno amin'ity andro hariva ity.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 17 Okt 2007, 19:58Hihihihi nalaky hita ny ondry zany ry Ryana an; il suffisait de chercher du bô kôté lol
Hum marina io lazainao io ry DadaRabe, zany hoe isika ihany ny mitapy tady hamingana....
Mitady afo andro...
Mety hampiakatra insipiration zô resaka zao an...hi hi hi
Bizz dôlo
Nampidirin'i Tsiky 18 Okt 2007, 12:37Tsiky à!
Ampiakaro indry ary ny inspiration é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 18 Okt 2007, 12:52HAy ve hatraty ilay sary ê! ohatry ny tsy mety hoy-aho ê! marina moa! mampatahotra be ny lokon'ilay lanitra...
Nampidirin'i Ryana 22 Okt 2007, 23:05hahaha
tafandria mandry daholo ary ê!
Ryana