MBOLA TIAKO IANAO !
Nampidirin'i dadarabe | 13 Okt, 2007
Mbola tiako ianao !
Mbola anatiko ao ireny lasantsika,
Ireny hiakanao !
Mihira ny fitia natao tsy hangatsiaka,
Fo midanadana !
Fo feno hafanana !
Mbola hitako eto,
Ny masonao mijery, mazava mibaliaka,
Ianao ilay misento…
Fa ampoka fitia… ny endrikao sariaka,
Afo reda mafy !
Afo tsy ho faty !
Mbola ao an-tsaiko,
Isika miara-dia, tsy manan-kiantefana,
Ho aiza ? toa tsy haiko !
Ianao koa tsy nahalala fa niombon-kadalana,
Toa mpirenireny !
Toa zaza very ireny !
Mbola toy ny omaly,
Ireny andro ireny… nidify ny fotoana !
Ianao toa lavitra any !
Tsy taza-maso intsony, tsy afaka mihaona…
Izaho anie tomany !
Izaho anie te ho any !
Mbola tiako ianao !
DadaRabe
Saint Pierre et Miquelon
12/10/07 20:01

Mankasitraka e!
Nampidirin'i karako 13 Okt 2007, 11:31Miarahaba indray Karako à !
Nampidirin'i DadaRabe 13 Okt 2007, 14:35Manao ahoana ny any Québec ?
aie aie aie
Nampidirin'i ikalamako 13 Okt 2007, 15:55nandrehitra indray ilay afon'ampombo izao fandalovana tany Dago izao k'ity !
ary azoko amin'izay ilay tononkalo namalianao ahy tatsy amin'ny "tantaran'ny andro lasa" :-P , indrindra ilay andalana efatra farany.
Nampidirin'i ikalamako 13 Okt 2007, 16:00Fiainana daholo izany ry DadaRabe o, soa fa ombalahy be vozona ny havako. Io ange nataoko tamin'ny nandehananao hoe ho tsara mandeha tsara miherigne !
Andraso indray ary jereko izany andalana efatra farany izany é!
Nampidirin'i DadaRabe 13 Okt 2007, 16:20:-)
Izay fa veloma ry Ikalamako !
Raha diso aho dia aza toraham-bato !
I DadaRabe anie ka mandia tany...
Mety ho solafaka foana ihany.
Ie, raha diso amin'ny fitenenana no lazaiko an'Ikalamako. "Ny teny diso mantsy hono tsy mba kabary".
Nampidirin'i DadaRabe 13 Okt 2007, 16:23Ary ny "teny maro tsy ilaozan'izay ota".
Izay indray é!
ddRb
hihihi
Nampidirin'i ikalamako 13 Okt 2007, 19:48Mihomehy Ikalamako !
Nampidirin'i DadaRabe 13 Okt 2007, 20:54Mankasitraka hatrany!
Nampidirin'i Ryana 14 Okt 2007, 09:14Dia miverina indray ny fanontaniana: tena iainana sa eritreritra nandalo?
mankalaza ê!
Ryana
Letia à ! Aoka ary fa tsy hanontany an'izay intsony aho é!
Nampidirin'i DadaRabe 14 Okt 2007, 14:43Nefa valiako ihany: tsy niainana, tsy neritreretna, tsy nandalo. Zany tokoa ve ? Tena tsy tadidiko ! ;-p
Ary inona kay ity fa izay fa hitako fa lasa spam ?
"mandehàna rehefa tonga (mandalo)ao Iarivo ê!"
Nampidirin'i dadarabe 14 Okt 2007, 15:08hahahahaah
Nampidirin'i Ryana 14 Okt 2007, 17:10TSy niainana, tsy nieritreretina, tsa nandalo... Nefa toa tsy tadidy na izany na tsia..
Dia inona izany no marina ê?
hahahhahaah
na izany na tsia, tsara ny tononkalonao ê!
Mankalaza!
Ryana
Misaotra é!
Nampidirin'i DadaRabe 14 Okt 2007, 17:26Ary ilay eo ambany ?
DdRb
Ilay eo ambany?
Nampidirin'i Ryana 14 Okt 2007, 17:35Aleo jereko hoe dia lazaiko izay mba hevitro.
Ryana
ity ilay lazaiko :
"mandehàna rehefa tonga (mandalo)ao Iarivo ê!"
Nampidirin'i dadarabe 14 Okt 2007, 18:08tsy arako intsony ny resakao koa! noheveriko fa ilay tononkalo eo ambany. Dia roso nijery fanindroany ny tena ary nanamarika izay mba hevitra. hay ve moa ka resaka hafa no atao??, hahahaahahaah efa antitra DadaRabe ka aza omena tsiny â! Ryana
Nampidirin'i Ryana 14 Okt 2007, 18:40Aza maika ho antitra fa mbola ho aiza !
Nampidirin'i dadarabe 14 Okt 2007, 21:53Raha ny fahitako anao izao dia mbola tanora maitso volo (tsy zaza vao iray ranonorana aloha é!)
:-)
DdRb
RAha izaho no tanora maitso volo, ianao iznay vao zaza mianatra mamindra...
Nampidirin'i Ryana 15 Okt 2007, 18:01Nahoanba moa isika no miady ho antitra eto ê? Tsy aleo ve malain-ko antitra?
hahahahahhaah
HIanatra hamindra ary é!
Nampidirin'i dadarabe 15 Okt 2007, 18:54Tsy mahay ve tsy hianatra !
Sa ahoana ?
hahaahhahahhaha
Nampidirin'i Ryana 15 Okt 2007, 19:09tsy mahay tokoa angamba koa...
hahahahah
Mahavalalanina ny fanodinanao ny resaka, marina moa!
Mankasitraka hatrany ê!
Ryana