Dr RABE : INTERVIEW RFO (Momba ny Dépression)
Nampidirin'i dadarabe | 11 Okt, 2007
Miarahaba,
Nisy interviews maromaro nandraisako anjara tamin'ny RFO. Momba ny andro iraisam-pirenena momba ny "dépression".
Ny tao amin'ny Radio dia ho tadiaviko raha hitako.
Tsy fantatro hoe mandra-pahoviana izy io no azo jerena.
Ity no lien @ journal télé : Ny 10 octobre 2007 no jereo
http://www.rfo.fr/v4_player_jt.php3?ids=3&format=asx&xy=150&d=10&m=10&y=2007
Fanitsiana : "Paoly RABE" no izy fa diso ny nanoratan-dry zareo azy.
Izay fa dia manasa anao.
DadaRabe


Rabe Andriamanarivo Paoly
Ho ho,
Nampidirin'i ikalamako 11 Okt 2007, 22:32monsieur Paoli Rabe,
vedety be !
Mirehareha ny firenena manana anareo e.
Mahafinaritra e.
Nampidirin'i R... 11 Okt 2007, 22:41tena mampi-deprime be le hoe tsy misy guerison le izy :-(
fa hita ihany nareo hoe mpametraka fanontaniana fa tsy mpamaly :-)
Nampidirin'i mety sitrana 11 Okt 2007, 22:44Misaotra tompoko ô!
Tsy hoe tsy misy guérison kosa é!
"Guérison n'ny épisode" no nolazaiko. Aza mi-déprime izany hoà!
Paoly RABE hoà ry Ikalamako à!
DadaRabe
Nampidirin'i DadaRabe 11 Okt 2007, 22:57ka ilay fiantsonin'ilay ramatoa anao ange no mahatonga io ho "i" fa tsy y e, satria vazaha be ilay anaranao rehefa Paoli na isika gasy aza no mamaky an'io. Dia izaho mba manarak'efa ilay ramatoa. hihihi
Nampidirin'i ikalamako 12 Okt 2007, 10:40Eny ary tompoko ô!
Nampidirin'i DadaRabe 12 Okt 2007, 12:39VAo mifoha maraina aho io miomana hiasa.
Bravo letsy a. Hisy mpandimby izany i Ratsifa.
Nampidirin'i Confrere 12 Okt 2007, 13:00Ahoana no amaliako an'izany ? :-)
Nampidirin'i DadaRabe 12 Okt 2007, 13:08Isika rehetra no mandimby ireo zoky teo aloha é!
sa ahoana ?
Ialàna tsiny be dia be, indrindra amin'i Lehilahytsyresy fa tafiditra spam daholo izay nalefany teto ka izay vao hitako hoe tsy tafiditra.
Ialàna tsiny koa fa nisy niverimberina dia nofafako kanjo nisy "commantaire" voafafako tsy fidiny ireo tsy niverina. Tsy tafaveriko intsony.
DadaRabe
Nampidirin'i dadarabe 12 Okt 2007, 17:26Mieza mamaly ireo teo aloha aho fa tsy hitako.
Ilay interview tao amin'ny MBS momba ny "maladie d'alzheimer" dia mbola omen-dry zareo ahy amin'ny DVD. Saingy tsy aty amiko izy io.
Mbola tsy haiko koa ny mamadika azy ho fichier azo alefa ato.
Misaotra an'i lehilahytsyresy amin'ny fanomezana courage.
Ie, azo atao koa ny manala mavesatra aty amin'ny blaogy.
Tsarà daholo é!
DadaRabe
Nampidirin'i dadarabe 12 Okt 2007, 17:31COMMENTAIRES LASA SPAM
Izay mihitsy aho vao nahita kay maro ireo commentaires no lasa spam teo aloha fa tsy fantatro. Iay vao nampidiriko. Commentainres amin'ireo lahatsoratra hafa.
Azonareo jerena any aloha i reo nampidiriko non-spam.
DadaRabe
Nampidirin'i dadarabe 12 Okt 2007, 17:49izay vao tonga ny anti-dépression ho an'ny "hevitra" amin'ny blaogy ry DadaRabe ! Soa fa hitanao.
Nampidirin'i ikalamako 12 Okt 2007, 23:45Tsy tena azoko tsara ilay tian'Ikalamako ambara.
Nampidirin'i DadaRabe 13 Okt 2007, 00:20Hoe : lasa manala ny dépression ve ny blaogy ? :-)